-
Sisin-tanyFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Nampanantena Andriamanitra, tatỳ aoriana, fa hanome tany iray ho an’i Abrahama sy ny taranany, ary efa nolazainy mazava tsara ny sisin-tanin’izy io. (Ge 15:18-21; Ek 23:31) Mbola navelany hipetraka “efajato taona” tao amin’io Tany Nampanantenaina io anefa ny Kananita. Namoaka didy handroahana azy ireo izy, taorian’izay, rehefa nahatratra ny fara tampony “ny fahadisoan’ny Amorita.” (Ge 15:13-16) Nandidy koa anefa i Jehovah Andriamanitra hoe tsy tokony hiditra any amin’ny sisin-tanin’i Edoma sy Moaba ary Amona ny Israelita. Mpihavana mantsy ny razamben’izy ireo. (De 2:4, 5, 18, 19) Izany rehetra izany no tokony hotadidina, mba hahazoana tsara ny hevitr’ilay hiran’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 32:8 hoe: “Fony nanome lova ho an’ireo firenena ilay Avo Indrindra, fony izy nanasaratsaraka ny taranak’i Adama, dia nofaritany ny sisin-tanin’ireo firenena, araka ny isan’ny zanak’Israely.”
-
-
TetirazanaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2Ti 3:16, 17) Azontsika atokisana tanteraka àry ny tetirazana ao amin’ny Baiboly. Tsy taloha ihany no nilaina ny isa hita ao amin’izy ireny fa hatramin’izao koa. Ireny tetirazana ireny no mahatonga antsika hahazo antoka fa i Jesosy Kristy tokoa ilay Taranak’i Abrahama nampanantenaina sy nandrasana hatry ny ela. Manjary fantatra koa hoe firy taona no lasa hatramin’ny namoronana an’i Adama, ary tsy hita na aiza na aiza izany fanazavana izany. Lasa fantatsika fa “avy tamin’ny olona anankiray no [nanaovan’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.” (As 17:26) Marina tokoa fa “fony nanome lova ho an’ireo firenena ilay Avo Indrindra, fony izy nanasaratsaraka ny taranak’i Adama, dia nofaritany ny sisin-tanin’ireo firenena, araka ny isan’ny zanak’Israely.” (De 32:8) Azontsika koa izao ny ifandraisan’ireo firenena.
-