JESORONA
(Jesoròna) [Olo-mahitsy].
Anaram-boninahitra niantsoana ny Israely. Teny fanehoam-pitiavana kosa izy io ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ka nadika hoe “malala.” Tokony hampahatsiahy an’ireo Israelita io anarana hoe “Jesorona” io, fa vahoaka nanaovan’i Jehovah fifanekena izy ireo, ka tokony hanao izay mahitsy foana. (De 33:5, 26; Is 44:2) Somary fanesoana kosa ilay hoe Jesorona ao amin’ny Deoteronomia 32:15. Nanjary tsy voafehy mantsy ny Israely, fa nahafoy an’ilay Mpanao azy sady nanamavo an’ilay Mpamonjy azy.