SEFELA
(Sefèla) [Faritra Iva].
Ilazana ilay faritra be havoana ivaiva eo anelanelan’ny lemaka amoron-tsirak’i Filistia sy ny tandavan-tendrombohitra eo afovoan-tanin’i Palestina. (De 1:7; Js 9:1; 10:40; 11:2; 12:8; Mpts 1:9; 2Ta 28:18; Ob 19; Za 7:7) Anisan’ny faritany nomena ny fokon’i Joda i Sefela. (Js 15:33-44) Tokotokony ho 450 m ny haavony, kanefa rehefa ampitahaina amin’ilay tandavan-tendrombohitra eo afovoan-tany izy io dia azo lazaina hoe “faritra iva.” (Ampit. Je 17:26; 32:44; 33:13, izay ahitana an’ilay teny hebreo hoe shefelah.) I Negeba no eo amin’ny sisiny atsimon’i “Sefela” (Mpts 1:9), ary “ny faritra be tendrombohitry ny Israely” (any ankoatry ny Lemaka Ivan’i Aialona) no eo avarany.—Js 11:16.
Lasa lalana voajanahary mampitohy ny atsinanana sy ny andrefana ireo lemaka eny anelanelan’ireo havoana mitomandavana ivaiva ireo. Tena mahavokatra ny tany any Sefela, ary antonony ny toetrandro any. Nampahalaza an’iny faritra iny fahiny ny sahan’oliva sy ny aviavidia. Nisy tanimbilona koa tany.—1Mp 10:27; 1Ta 27:28; 2Ta 1:15; 9:27; 26:10.
Misy Sefela koa any amin’ny “faritra be tendrombohitry ny Israely.” (Js 11:16) Angamba izy io ilay faritra be havoana eo anelanelan’ny faritra be tendrombohitr’i Samaria sy ny Lemak’i Sarôna. Tery kokoa io faritra io sady tsy dia malaza toy ilay Sefela any Joda. Tsy hoe nilaza zavatra mbola tsy nisy tamin’ny androny i Josoa rehefa navahany ny Joda sy ny Israely ao amin’ny toko faha-11 (jereo and. 21). Hoy ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny fanazavana nataon’i C. Keil sy F. Delitzsch: “Mora azo ny anton’io fanavahana io ... rehefa jerena ny zava-misy tamin’ny andron’i Josoa. Ny fokon’i Joda sy ireo foko roa avy amin’i Josefa (i Efraima sy Manase) no nahazo ny lovany talohan’ny foko hafa rehetra, rehefa natao ny antsapaka. Rehefa nankany amin’ny anjara lovany tany atsimo ny fokon’i Joda, dia mbola nijanona tao Gilgala ny foko hafa rehetra; ary na dia tatỳ aoriana aza, rehefa tonga tao amin’ny lovany i Efraima sy Manase, dia mbola nitoby tao Silo ny foko rehetra, afa-tsy i Joda. Ankoatra izany, dia nanasaraka an’ireo antoko roa tamin’ilay firenena ireo ny faritany iray tsy nanan-tompo, izay lasan’ny fokon’i Benjamina tatỳ aoriana. Ny alitara sy ny tranolay masina ary ny Vata misy ny fifanekena koa mbola tany amin’ny fokon’i Josefa sy ireo foko hafa nitoby tao Silo.”—Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky II, Josoa, p. 124, 125.