NEFTOA
(Neftoà).
Anarana nampiarahina tamin’ny loharano iray teo amin’ny sisin-tany nanasaraka an’i Joda sy Benjamina. (Js 15:1, 9; 18:11, 15) Maro no milaza an’io loharano io ho ilay ao Lifta (ʽEn Neftoah), any atsinanan’i Kiriata-jearima, ary tokotokony ho 4 km any andrefana avaratrandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tao Jerosalema. Marina fa mifanaraka amin’ny Josoa 15:9 izany, nefa lazain’ny Josoa 18:15, 16 fa any andrefan’i Kiriata-jearima ny “loharanon’i Neftoa.” Samy nanana ny fomba nandikany an’io toa tsy fitoviana io ny mpandika Baiboly. Ny Baibolin’i Jerosalema, ohatra, nanaraka izay lazain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ka tsy “niankandrefana” no ao, fa hoe “nankany Gasin.” Ny Dikan-teny Mahazatra Nohavaozina kosa nanaraka izay voalazan’ny Josoa 15:9 ka tsy “niankandrefana” no ao, fa hoe “nankany Efrona.” Nadikan’i Ronald Knox ara-bakiteny hoe “mankany amin’ny ranomasina” kosa ilay teny hebreo hoe yammah (miankandrefana), ary nasiany fanamarihana ambany pejy toy izao: “Tokony hoe miankandrefana mankany amin’ny Ranomasina Mediterane no dikan’io nefa toa mivily miantsinanana ny sisin-tanin’i Benjamina. Mety ho ny Ranomasina Maty, izay eo amin’ny sisin-tany atsinanana àry ilay ranomasina.”