KISONA, LOHASAHA FALEHAN-DRIAKAN’I
(Kisôna).
Renirano voalaza fa i Nahr el-Mokattaʽ (Nahal Kishona). Any amin’ireo havoana any akaikin’i Tanaka no misy ny loharanon’i Kisona. Miolikolika mianavaratrandrefana eo amin’ny Lemak’i Jezirela, na Esdraelona (ʽEmek Yizreʽel) izy io avy eo, manaraka lohasaha tery eo anelanelan’ny Tendrombohitra Karmela sy ny fototr’ireo havoanan’i Galilia, mamakivaky ny Lemak’i Ako (Akra), ary mivarina any amin’ny Ranomasina Mediterane amin’ny farany. Tokotokony ho 37 km ny elanelan’ny loharanon’i Kisona sy ny Helodranomasin’i Ako, raha refesina mahitsy. Mahatratra 6 m eo ho eo ny sakan’ny loharanon’i Kisona, ary miampy 3 m eo ho eo izany rehefa mamakivaky ny tapany andrefana amin’ny Lemak’i Jezirela izy io. Mahatratra 20 m eo ho eo ny sakan’i Kisona rehefa tonga eo amin’ny Lemak’i Ako izy io. Ritra i Kisona amin’ny vanin-taona mafana, fa ny 10 km farany alohan’ny ivarinany any an-dranomasina ihany sisa no misy rano. Rehefa fotoanan’ny orana anefa dia mahery be ny riakan’i Kisona, tondraka ny morony ary paohiny izay rehetra sendra azy. Lasa fotaka mandrevo àry ilay lohasaha andalovan’i Kisona.
Miresaka momba ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona ny fitantarana momba ny nanafahana ny Israelita tamin’izy ireo nampahorian’ny Kananita, tamin’ny andron’i Baraka sy Debora. Nankeo amin’ny Tendrombohitra Tabara i Baraka sy ny miaramilany ka voasarika hankeo amin’ny lohasahan’i Kisona i Sisera mpitari-tafika sy ny miaramilany. Ampy fitaovana tsara ry Sisera ary nitondra kalesy 900. (Mpts 4:6, 7, 12, 13) Toa mora resy no fahitana ny tafika israelita. Nidina ny Tendrombohitra Tabara mba hifanandrina tamin’ny fahavalo anefa i Baraka sy ireo 10 000 lahy, rehefa nahazo toromarika hanao izany. Nanao zavatra àry i Jehovah Andriamanitra. “Avy tany an-danitra ny kintana no niady tamin’i Sisera, avy tamin’ny lalana arahiny ireny no niady taminy.”—Mpts 4:14, 15; 5:20.
Araka ny lovantsofina jiosy tantarain’ny asa soratr’i Josèphe, dia nisy “tafiotra mahery narahina oram-be nivatravatra sy havandra tamin’izay. Nafafin’ny rivotra teny amin’ny tarehin’ny Kananita ny orana, ka tsy nahita ny mason’izy ireo, ary tsy nisy nilana azy ny tsipìka sy ny pilotra teny aminy.” (Rakitry ny Ela Jiosy V, 205 [v, 4]) Namotaka be ny tany noho ilay oram-be, ka nihitsoka ireo kalesy ary nilentika tao anaty fotaka ireo soavaly. Nihorohoro ny fahavalo rehefa nandositra an’ireo miaramilan’i Baraka. Na ahoana na ahoana, dia “lavon’ny lelan-tsabatra ny miaramila rehetra, ary tsy nisy niangana na iray aza” noho ny fanampian’i Jehovah. (Mpts 4:15, 16; jereo koa Sl 83:9, 10.) Navalan’ny riaka tampoka tao Kisona ny fatin’ireo fahavalo. (Mpts 5:21) Nihazakazaka nandositra i Sisera, nefa maty ihany ary tena nanala baraka ny fomba nahafatesany satria vehivavy no namono azy, dia i Jaela vadin’i Hebera Kenita.—Mpts 4:17-21.
Tatỳ aoriana, dia namono mpaminanin’i Bala 450 teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona i Elia, tamin’ny andron’i Ahaba mpanjakan’ny Israely.—1Mp 18:22, 40.
Heverina ho i Kisona ihany ilay antsoina hoe “ranon’i Megido” (Mpts 5:19) sy ilay hoe “lohasaha falehan-driaka tandrifin’i Jokneama.”—Js 19:11.