-
Aina, IIFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
3. Lazain’ny Josoa 21:16 fa anisan’ny tanàna nomena ho an’ny Levita i Aina. Rehefa ampitahaina anefa io andininy io sy ny Josoa 15:42; 19:7 ary ny 1 Tantara 6:59 dia hita fa iray ihany i Aina sy Asana.—Jereo ASANA.
-
-
AsanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tanàna tany Sefela na faritra iva any Joda. An’i Joda izy io tamin’ny voalohany, nefa nomena an’i Simeona tatỳ aoriana satria lehibe loatra ny tanin’i Joda. (Js 15:42; 19:7, 9; 1Ta 4:32) Nomena ho an’ny Levita fianakavian’ny Kehatita indray izy io avy eo. (1Ta 6:54, 59) Lazain’ny 1 Samoela 30:30 fa rehefa resin’i Davida ny Amalekita dia anisan’ny tanàna nandefasany zavatra azo babo i “Borasana”, izay heverina ho i Asana ihany. “Aina” fa tsy Asana no resahin’ny Josoa 21:16 izay misy ny lisitr’ireo tanàna nomena ny Kehatita, toy ny ao amin’ny 1 Tantara 6:59. Mety ho Aina-asana àry ny anarana fenon’ilay tanàna, hoy Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino (Londres, 1950).
-