Rahaba — Nambara fa Marina Noho Ireo Asam-pinoana
ERITRERETO fotsiny ange! Nambara fa marina araka ny fomba fijerin’Andriamanitra ny vehivavy janga iray. Hiantsoantso angamba ny olona maro hilaza hoe: “Sanatria izany!” Izany anefa no nitranga tamin’ilay vehivavy janga atao hoe Rahaba avy tany Jeriko, tanàna kananita iray fahiny.
Izao no nosoratan’i Jakoba, mpanoratra tao amin’ny Baiboly: “Fa hamarinina amin’ny [“ambara fa marina noho ny”, NW ] asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany. Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ny [“nambara fa marina noho ny”, NW ] asa va izy tamin’ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ny làlan-kafa? Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.” (Jakoba 2:24-26). Nahoana no nambara fa marina i Rahaba? Inona no nataony nahazoany izany toerana nisy tombontsoa izany teo imason’Andriamanitra?
Manatona ny Isiraelita!
Aoka isika hiverina any amin’ny taona 1473 al.f.i. Alao sary an-tsaina ny toerana isehoan’ny toe-javatra. Tanàna mimanda mafy i Jeriko. Miorina eo an-tampon’ny mandan’ilay tanàna ny tranon-dRahaba janga. Avy eo amin’io toerana io izy dia, azo inoana fa afaka mijery miantsinanana any amin’ny rano tondraky ny onin’ny Jordana. Eo amin’ny morony atsinanana, dia mety hahita ny tobin’ny Isiraelita miaraka amin’ny tafika mpiady misy miaramila maherin’ny 600 000 izy. Eny amin’ny kilaometatra vitsivitsy monja no misy azy ireo!
I Rahaba dia nahare momba ireo asa lehibe tamin’ny ady nataon’ny Isiraely. Reny koa ny amin’ireo fomba nampisehoan’i Jehovah ny heriny, indrindra tamin’ny namakiany lalana teo amin’ny Ranomasina Mena mba handosiran’ny Isiraelita. Azo antoka àry fa tsy ho fefy hisakana mihitsy ny rano mitombon’i Jordana. Fotoana fanapahan-javatra izany! Ahoana no ho fihetsik’i Rahaba?
Nampiseho ny safidiny i Rahaba
Tsy ela i Rahaba dia mandray mpitsidika roa tsy nampoizina — mpisafo tany avy any amin’ny tobin’ny Isiraelita. Mitady toerana handriana izy ireo, ary mampiditra azy ireo ao an-tranony izy. Tonga any an-tsofin’ny mpanjakan’i Jeriko anefa ny maha-eo azy ireo. Maniraka haingana ny miaramilany mpampihatra lalàna izy mba hisambotra azy ireo. — Josoa 2:1, 2.
Mandra-pahatongan’ireo miaramilan’ny mpanjaka, dia efa niandany tamin’i Jehovah Andriamanitra i Rahaba. “Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo”, hoy ny fitakin’ireo iraky ny mpanjaka. Nafenin-dRahaba tao amin’ireo tahon-drongony napetraka mba hohamainina teo amin’ny tampon-tranony ireo mpisafo tany. Hoy izy: “Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany; ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.” (Josoa 2:3-5). Izany no nataon’ireo iraky ny mpanjaka — tsy nisy vokany anefa.
Nofitahin-dRahaba ny fahavalo. Mbola manao zavatra hafa tsy misy hataka andro izy mba hampisehoana ny finoany an’i Jehovah amin’ny alalan’ny asa. Miakatra any amin’ny tampon-trano izy ka milaza amin’ireo mpisafo tany hoe: “Fantatro fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tany”. Miaiky i Rahaba fa matahotra ny mponina rehetra ao amin’ilay tany satria ren’izy ireo fa Andriamanitra dia ‘nanamaina ny Ranomasina Mena’ teo anoloan’ny Isiraelita, 40 taona talohan’izay. Fantatry ny olona koa fa namono ireo mpanjaka amorita roa ny Isiraelita. “Nony efa renay izany”, hoy i Rahaba, “dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.” — Josoa 2:8-11.
Niangavy toy izao i Rahaba: “Ankehitriny, masìna hianareo, mba ianiano amin’i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy”. — Josoa 2:12, 13.
Manaiky ireo lehilahy ka milaza amin-dRahaba izay tokony hataony. Tsy maintsy manantona eo amin’ny varavarankeliny ilay kofehy jaky ampiasaina mba hampidinana an’ireo mpisafo tany, any ivelan’ny mandan’i Jeriko, izy. Tsy maintsy mamory ny fianakaviany ho ao an-tranony izy, ka tsy maintsy mijanona ao izy ireo mba ho voaro. Manome fanazavana mahasoa ho an’ireo mpisafo tany hanainga i Rahaba momba ny toetran’ny tany manodidina ary milaza aminy ny fomba handosirana ny mpanenjika azy ireo. Afa-nandositra tokoa ireo mpisafo tany. Rehefa nampiharihary ilay kofehy jaky sy namory ireo anisan’ny ankohonany i Rahaba, dia niandry izay ho fisehoan-javatra hanaraka. — Josoa 2:14-24.
Inona no nataon-dRahaba? Noporofoiny fa ny finoany dia niankina tamin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, i Jehovah! Hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipiny izy. Eny, ary hambara fa marina noho ireo asam-pinoana ireo izy.
Mirodana ny manda!
Mandalo ny herinandro vitsivitsy. Miaraka amin’ireo mpisorona — ny sasany mitondra anjomara ary ny hafa mitondra ny fiara masin’ny fanekena — ireo lehilahy voaomana hiady isiraelita dia mihodidina an’i Jeriko. Indray mandeha isan’andro efa nandritra ny enina andro izao no nanaovan’izy ireo izany. Tamin’itỳ andro fahafito itỳ anefa, dia faninenina sahady no nihodidina ilay tanàna izy ireo. Indreto indray ry zareo!
Rehefa nifarana ny fihodinana fanimpitony, dia re hatraiza hatraiza ny fanakoakon’ny anjomara. Izao dia miantsoantso mafy ireo Isiraelita. Tamin’izay i Jehovah dia nandrodana tao anatin’ny feo mikotrokotroka ireo manda fiarovan’i Jeriko. Tsy nisy afa-tsy ny tapany nisy ny tranon-dRahaba no hany nijoro. Ny sisa tamin’ilay tanàna sy ny mponina tao aminy dia nofoanana. Noho ny finoany noporofoiny tamin’ny asa, dia voatsimbina niaraka tamin’ny ankohonany ilay vehivavy janga nibebaka, ary manomboka mitoetra eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah izy. — Josoa 6:1-25.
Topy maso amin’ireo toetra mampiavaka an-dRahaba
Tsy vehivavy kamo sady be sitrapo i Rahaba, satria nisy tahon-drongony nohamainina teo amin’ny hain’andro tao amin’ny tampon-tranony. Hampiasaina hanaovana lamba vita amin’ny rongonimbazaha (lin) ny kiran’ny rongony. Nisy tahirin-kofehy mena antitra koa tao an-tranon-dRahaba. (Josoa 2:6, 18). Koa nety ho niasa tamin’ny famokarana lamba vita tamin’ny rongony izy ary angamba nahay nandoko. Eny, vehivavy nazoto niasa i Rahaba. Ambonin’izany rehetra izany, dia nanana tahotra feno fanajana an’i Jehovah izy. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 31:13, 19, 21, 22, 30.
Ahoana ny amin’ny anton’asan-dRahaba hafa? Tsy vehivavy mpandray olona tao amin’ny tranom-bahiny fotsiny izy. Tsia, mampahafantatra ny maha-izy azy ny Soratra Masina rehefa mampiasa ny teny hebreo sy grika milaza olona mpivaro-tena. Ohatra, ny teny hebreo hoe zoh·nahʹ dia misy ifandraisany foana amin’ny hoe fifandraisana tsy ara-dalàna. Tsara homarihina fa teo amin’ny Kananita, dia tsy raharaha ratsy ara-pitondran-tena ny fivarotan-tena.
Ny nampiasan’i Jehovah vehivavy janga iray dia mampiseho ny famindram-pony lehibe. Mety hamitaka antsika ny fisehoana ivelany, fa Andriamanitra kosa dia “mijery ny fo”. (1 Samoela 16:7). Noho izany, dia afaka mahazo famelan-keloka avy amin’i Jehovah Andriamanitra ireo mpivaro-tena mahitsy fo, izay mibebaka amin’ny fijangajangany. (Ampitahao amin’ny Matio 21:23, 31, 32.) I Rahaba dia niala tamin’ny fahotana ka nanaraka lala-mahitsy nankasitrahan’Andriamanitra.
Niaina nifanaraka tamin’ny Lalàn’Andriamanitra ireo mpisafo tany isiraelita, noho izany dia tsy noho ny antony ratsy no nandehanan’izy ireo tao an-tranon-dRahaba. Azo inoana fa tsy hamelona ahiahy mihitsy ny naha-tao an-tranon’ny vehivavy janga iray azy ireo. Ny toerana nisy ilay trano, izay teo amin’ny mandan’ny tanàna, dia ho nanamora ny fandosirana koa. Niharihary fa i Jehovah dia nitarika azy ireo hankany amin’ny mpanota iray, izay voatohina tsara ny fony noho ireo tatitra momba ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ireo Isiraelita, ka nibebaka ary nanova ny fitondran-tenany. Ny nanambaran’Andriamanitra ny tokony handringan’ny Isiraely ireo Kananita noho ireo fanaony vetaveta sy ny nitahiany an-dRahaba, ary ny fandresena an’i Jeriko, dia mampiharihary fa tsy nanao fitondran-tena maloto ireo mpisafo tany. — Levitikosy 18:24-30.
Ahoana ny amin’ny tenin-dRahaba natao hamitahana ny mpanenjika ireo mpisafo tany? Nankasitraka ny zavatra nataony Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Romana 14:4.) Nanao vivery ny ainy izy mba hiarovana ny mpanompon’Andriamanitra, ka tamin’izany dia nanome porofon’ny finoana nananany. Na dia ratsy eo imason’i Jehovah aza ny lainga iniana atao, ny olona iray dia tsy voatery hanome fanazavana marina amin’ny olona tsy manana zo hahafantatra izany. Na dia i Jesosy Kristy aza dia tsy nanome tsipiriany feno na valin-teny mivantana rehefa nety ho nitondra fanimbana tsy ilaina ny fanaovana izany. (Matio 7:6; 15:1-6; 21:23-27; Jaona 7:3-10). Miharihary fa ny zavatra nataon-dRahaba tamin’ny fanoroana lalan-diso an’ireo miaramila fahavalo dia tsy maintsy jerena ao anatin’izany fanazavana izany.
Ny valisoan-dRahaba
Ahoana no namalian-tsoa an-dRahaba noho ny nanehoany finoana? Azo antoka fa fitahiana avy tamin’i Jehovah ny nitsimbinana azy nandritra ny fandravana an’i Jeriko. Tatỳ aoriana izy dia nanambady an’i Salmona (Salma), zanakalahin’i Nasona mpifehy ny fokon’ny Joda tany an’efitra. Tamin’ny naha-ray aman-drenin’ilay Boaza nifikitra tamin’Andriamanitra azy ireo, i Salmona sy i Rahaba dia nahaforona fitohizana teo amin’ny taranaka amin’ny firazanana izay nitondra ho amin’i Davida, Mpanjakan’ny Isiraely. (1 Tantara 2:3-15; Rota 4:20-22). Ny mbola zava-dehibe kokoa, i Rahaba ilay vehivavy janga taloha dia anisan’ny iray amin’ireo vehivavy efatra hany voalaza anarana ao amin’ny tetirazan’i Jesosy Kristy nosoratan’i Matio. (Matio 1:5, 6). Fitahiana avy amin’i Jehovah tokoa re izany!
Na dia tsy Isiraelita sady vehivavy janga teo aloha aza i Rahaba, dia ohatra niavaka ny amin’ny vehivavy iray izay nanaporofo tamin’ny asany ny fananany finoana tanteraka an’i Jehovah izy. (Hebreo 11:30, 31). Tahaka ireo hafa, izay ny sasany taminy dia efa niala tamin’ny fiainana feno fijangajangana, dia mbola hahazo valisoa hafa izy — fananganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana eto an-tany paradisa. (Lioka 23:43, NW ). Noho ny finoany notohanan’ny asa, i Rahaba dia nahazo ny fankasitrahan’ilay Raintsika any an-danitra be fitiavana sady mamela heloka. (Salamo 130:3, 4). Ary inoana marina fa ny ohatra tsara dia tsara nasehony dia manome fampirisihana ho an’ireo rehetra tia ny fahamarinana, mba hitodika any amin’i Jehovah Andriamanitra ka hahazo ny fiainana mandrakizay.
[Sary, pejy 23]
Nambara fa marina i Rahaba satria ireo asany dia nanaporofo fa nanam-pinoana izy
[Sary, pejy 24]
Nofongarin’ireo arkeology ny sisan-javatra rava avy tamin’i Jeriko fahiny, anisan’izany ny tapany kely amin’ny manda iray taloha
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.