-
Fihetsika sy FanaoFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Manaisotra kapa. Fanehoana fanajana lalina. Samy nasaina nanala kapa, na i Mosesy nanoloana an’ilay voaroy nirehitra, na i Josoa teo anatrehan’ny anjely. (Ek 3:5; Js 5:15) Tsy nanao kapa, hono, ny mpisorona rehefa nanao ny andraikiny, satria masina ny tranolay masina sy ny tempoly. Asa noheverina ho ambany sady fanaon’ny mpanompo ny namaha ny tadin-kapan’ny olona iray na nitondra ny kapany. Nanetry tena izay nanao izany, ary nihevitra ny tenany ho ambany noho ny tompony. Mbola manala kapa ny olona any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane isaky ny miditra ny trano. Ny mpanompo koa anefa indraindray no manala an’ilay izy.—Mt 3:11; Jn 1:27; jereo KAPA.
-
-
TongotraFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Nesorina ny kapa rehefa nijoro teo amin’ny tany masina. Azo antoka àry fa tsy nanao kapa ireo mpisorona rehefa nanompo tao amin’ny tranolay masina na ny tempoly. (Ek 3:5; Js 5:15) Tsy voaresaka mihitsy ny kapa, tao amin’ilay toromarika momba ny fitafian’ny mpisorona.—Ek toko 28; jereo FIHETSIKA SY FANAO.
-
-
FahamasinanaFandalinana ny Soratra Masina
-
-
Toerana. Lasa masina ny toerana iray, rehefa eo i Jehovah. (Tsy izy mivantana no niseho tamin’ny olona fa anjely no nisolo tena azy; Ga 3:19.) Lasa masina, ohatra, ny tany nijoroan’i Mosesy rehefa niresaka taminy avy tao anaty voaroy nirehitra ny anjely iray nisolo tena an’i Jehovah. (Ek 3:2-5) Lasa masina koa ilay toerana nijoroan’i Josoa rehefa niseho taminy sy nijoro teo anoloany ny anjely iray lehiben’ny tafik’i Jehovah. (Js 5:13-15) Nantsoin’i Petera hoe “tendrombohitra masina” ny toerana nitrangan’ny fiovan-tarehin’i Kristy sy nitenenan’i Jehovah tamin’izay fotoana izay.—2Pe 1:17, 18; Lk 9:28-36.
-