-
Ny ady tao Jeriko — Angano sa zava-nisy?Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Oktobra
-
-
HATRAMIN’NY am-polony taona maro, ireo mpanao fikarohana ambanin’ny tany no nanandrana nampisy fisalasalana ny amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Josoa sy ny ady tao Jeriko. Araka ny Baiboly, dia nandeha fito andro nanodidina an’i Jeriko i Josoa sy ny miaramila isiraelita, mandra-panjeran’Andriamanitra ny manda goavan’ilay tanàna. Izany dia namela ny Isiraelita hiditra sy ‘handoro ny tanàna sy izay rehetra tao’. — Josoa 6:1-24.
-
-
Ny ady tao Jeriko — Angano sa zava-nisy?Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Oktobra
-
-
Notononin’ny Dr. Wood ny soson-davenona nisy 1 metatra ny hatevenany feno vakim-bilany tanimanga sy poti-biriky avy tamina manda rava ary sakamandimby, mainty avokoa toy ny avy tamina doro tanàna iray. Ny vakim-bakoly dia nomena daty tamin’ny 1410 al.fan.ir. (araka ny fomba fanisana andro azo ampiasaina izay ekena fa tsy marina), 40 taona eo ho eo — tsy lavitra loatra ny taona 1473 al.fan.ir., datin’ny ady tao Jeriko azo avy amin’ny Baiboly.
-