-
JopaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Teo amin’ny sisin-tanin’i Dana no nisy an’i Jopa tany am-boalohany, na dia tsy voatery ho anisan’ny tanin’izy ireo aza izy io. (Js 19:40, 41, 46) Miresaka sambo ny Mpitsara 5:17 rehefa manonona an’i Dana. Asehon’izany fa mety ho nifehy ny seranan-tsambo tao Jopa ny Danita.
-
-
SamboFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Hebreo. Voalaza hoe nijanona tao an-tsambo elaela i Dana rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina (Mpts 5:17), satria angamba teo amin’ny morontsirak’i Filistia ny faritany azony. (Js 19:40, 41, 46) Amoron-tsiraka koa ny faritanin’i Asera, izay nisy ny tanànan’i Tyro sy Sidona (na dia tsy misy porofo aza hoe nalain’i Asera izy ireo). Nanamorona an’i Mediterane ny an’i Manase sy Efraima ary Joda, ka fandalovan’ny sambo. (Js 15:1, 4; 16:8; 17:7, 10) Nisy nanamorona ny Ranomasin’i Galilia na teny akaikiny kosa ny an’i Manase sy Isakara ary Naftaly.
-