Sarin’ny Tany nampanantenaina
Avy eo Tabara mankany amin’ny Fandresena!
ALAO SARY an-tsaina hoe eny ambonin’ny tilikambo iray mandondona ireo lalana mifanapaky ny Tantara ianao. Mety ho hitanao tokoa hivelatra eo ambanin’ny masonao ireo zava-nitranga ara-tantara.
I Megido, toerana iray resahin’ny Baiboly, angamba no tena mifanaraka tsara indrindra amin’io filazalazana io, noho izy io teo amin’ny fihaonan-dalana ara-barotra sy ara-tafika lehibe. Ny Tendrombohitra Tabara anefa, izay manerinerina eo afovoan’ny lohasahan’i Jezirela, dia manerinerina koa eo amin’ny Via Maris, lalambe malaza iray mitarika ho any amin’ireo tanànan’ilay toerana antsoina hoe Volantsinana lonakaa.
Na avy aiza na avy aiza no ijerena ny tendrombohitra Tabara, dia manaitra foana ny fahitana azy (jereo Jeremia 46:18). Miseho amin’ny fomba mahatalanjona avy eo amin’ny faritra manodidina azy izy io, ary tonga dia fantatra avy any amin’ny fiaviana rehetra noho ny bikany kitsoloha. Manerinerina ao amin’ny lemaka iray mivelatra kokoa mankany atsimo izy io, dia ny lohasaha lonak’i Jezirela, izay mampifandray ny morontsiraka amin’ny lohasahan’i Jordana.
Avy eo amin’ny tampon’ny tendrombohitra Tabara boribory, dia azo atao ny mijery mianatsimo, any amin’ny misy an’i Jezirela, tanàna izay mampahatsiahy ny fahatongavan’i Jeho tao anatin’ny tabataba be tao amin’ny fonenan’ny mpanjaka nisy an’i Ahaba ary koa ny nahafatesan’i Jezebela tamim-pahafaham-baraka. (1 Mpanjaka 21:1; 2 Mpanjaka 9:16-33) Tsy lavitra avy eo no misy an’i Megido. Eo andrefana, dia azo atao ny mahatazana an’i Karmela, toerana nihaikan’i Elia ireo mpaminanin’i Bala mba handatsaka afo avy any an-danitra. (1 Mpanjaka, toko faha-18). Avy eo Tabara, dia azo atao koa ny mahita an’i Kisona mikoriana mankany amin’ny ranomasina; ary farany, eo amin’ny valo kilaometatra eo ho eo any avaratra andrefana, no misy an’i Nazareta, ao anatin’ireo havoanan’i Galilia ambany.
Mampahatsiahy anao ny tantara ao amin’ny Baiboly inona anefa ny tendrombohitra Tabara? Azo antoka fa ilay nahitana an-dry Debora sy Baraka. Tamin’ny andron’izy ireo, dia efa 20 taona no nampahorian’ireo Kananita notarihin’i Jabina, mpanjakan’i Hazora, ny Isiraelita. Tamin’izay no nanosehan’i Debora, mpaminanivavy, an’i Baraka ho amin’ny fanaovan-javatra. I Baraka kosa dia nampirisika Isiraelita iray alina, ho amin’ny ady, indrindra fa lehilahy avy tamin’ny fokon’i Naftaly sy Zebolona, tany Galilia, ka nanangona azy ireo teo amin’ny tendrombohitra Tabara. Vitsy dia vitsy ny fiadian’izy ireo, satria tsy nisy na ampinga na lefona teo amin’ny Isiraely. — Mpitsara 5:7-17.
Niatrika fiadiana goavam-be mihitsy ny Isiraelita. Tonga teo amin’ny lohasahan’i Jezirela i Sisera, jeneralin’i Jabina mpanjaka, nitarika mpiady kananita nitondra fiadiana maro dia maro. Toa nitovy tamin’ireo lehilahy mitondra fiadiana asehon’ilay sary sokitra egyptiana hita etsy ambony eo amin’ny pejy manaraka ireo mpiady ireo. Ny fitaovam-piadian’ireo Kananita dia nampifanarahiny tamin’ny an’i Egypta, toy ny tapany nahatahotra indrindra tamin’ny tafik’i Sisera ohatra, dia kalesim-piadiana 900.
Tsy maintsy ho tena toy ny lampihazom-piadiana azo nafindrafindra ireny kalesy kananita ireny. Nety ho nahodinkodin’ilay mpitondra fiara teo amin’ny andilany ny lamboridy mba hahafahany hampiasa ireo fiadiany amim-pahalalahana. Nety ho nampifantoka ny sainy tamin’ny fitondrana ireo soavaly nitroatra koa izy ary ny miaramila iray hafa no nampiasa ny fiadiana. Nisy antsy finjinjana vy nivoaka avy teo amin’ny ivon-kodiaran’ireo kalesy. Toa tena niseho ho tsy azo noresena ho an’ireo miaramilan’i Baraka io tafika nahatahotra feno kalesy io rehefa nojereny avy teny an-tampon’ny tendrombohitra Tabara.
Nampanantena toy izao an’i Baraka anefa i Jehovah: “Dia ho entiko ho eo eo aminao, eo amoron’ny ony Kisona, Sisera (...) mbamin’ny kalesiny sy ny vahoakany maro be.” Tamin’ny fotoana voatendry, dia nidina ny tendrombohitra Tabara ireo Isiraelita be herim-po. — Mpitsara 4:1-14.
Ny fanampiana azon’ny Isiraelita avy tamin’ny Andriamaniny mahery any an-danitra dia nahomby lavitra noho ny vokatry ny fanampohana fotsiny. Tatỳ aoriana dia nihira toy izao i Debora: “Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin’ny nalehany niady tamin’i Sisera. Ny ony Kisona nipaoka azy, (...). Mandrosoa amin-kery hianao, ry fanahiko!” (Mpitsara 5:20, 21). Eny, na dia ireo Isiraelita, kely fiadiana nefa be herim-po, aza no nampandositra ireo Kananita, dia Andriamanitra no nanome azy ireo izany fandresena izany. Nampikoriana tampoka riaka izay nihoatra ny fanambanin-drano maina izy, ka nampijanona tamin’izany ireo kalesy nahatahotra.
Hitantsika etsy ambany ny tapany amin’i Kisona. Amin’ny fotoan’ny orana, dia tondraka izy io indraindray, ka manova ilay lemaka ho honahona. Alao sary an-tsaina ireo kalesin’ady kananita nanandrana niverina tao anaty fotaka. Nindaosin’ireo rano nisamboaravoara ireo mpiady nandositra, ary angamba koa ireo kalesy. Ny fandresen’ny Isiraely dia nidika koa ho fahafatesan’ny jeneraly Sisera, izay namela ny kalesiny ka nandao an-tongotra ny toeram-piadiana. Io fahavalo io, taorian’izay, dia nahita fialofana tao amin’ny tranolain’ny vehivavy nantsoina hoe Jaela, izay niandry fotoana nety ho amin’izany mba hamonoana azy. — Mpitsara 4:17-22.
Toy izany no nisehoan’ny tapany lehibe sy feno fandresena teo amin’ny tantaran’ny Isiraely, teo imason’i Debora sy ny mpanatrika hafa izay nety ho nijery avy teny an-tampon’ny tendrombohitra Tabara.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny sarintany sy ny sary lehibe kokoa mampiseho ny tendrombohitra Tabara ao amin’ny Fitadidianandron’ny Vavolombelon’i Jehovah 1990.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.