Sonema — Voamariky ny Fitiavana sy ny Herisetra
ANY atsimon’i Galilia, eo amin’ny farany atsinanan’ny lemaka ivan’i Jezirela, no misy ny tanànan’i Sonema. Nitrangan’ny ady roa anisan’ny lehibe indrindra ao amin’ny tantaran’ny Baiboly io tanàna kely io, kanefa nalaza koa noho izy io toerana nahaterahan’ny vehivavy roa naneho fitiavana tsy nivadika.
Tao ambadik’i Sonema no nisy ilay havoana noheverina fa nantsoina hoe More, fa terỳ ampitan’ilay tany lemaka kosa, tokony ho valo kilaometatra avy teo, no nijoroan’ny Tendrombohitra Gilboa. Teo anelanelan’ireo havoana roa ireo no nisy tany azon-drano tsara sady lonaka be — iray tamin’ireo faritra nahavokatra indrindra nanerana ny tanin’ny Isiraely.
Toerana nisehoan’ny iray tamin’ny tantaram-pitiavana nahafinaritra indrindra hatramin’izay — ny Tonon-kiran’i Solomona — io faritra ambanivohitra lonaka nanodidina an’i Sonema io. Ilay tonon-kira dia miresaka momba ny zazavavy tambanivohitra iray tsara tarehy. Naleon’izy io nanambady ilay mpiandry ondry namany toy izay hanaiky ny fangatahan’i Solomona Mpanjaka azy ho tonga iray tamin’ireo vadiny. Nampiasa ny fahendreny sy ny hareny rehetra i Solomona mba hamaboana ny fon-drazazavavy. Imbetsaka izy no nidera azy hoe: “Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro?” Ary nampanantena ny hampanaram-po an-drazazavavy tamin’ny firavaka rehetra azony nosaintsainina, i Solomona. — Tonon-kiran’i Solomona 1:11; 6:10.
Mba hampisehoana taminy ny santionany tamin’ny fiaina-mpanjaka, dia nasain’i Solomona nanaraka azy tany Jerosalema izy, niaraka tamin’ireo mpanaraka azy sy ny miaramilany 60 anisan’ny nahery indrindra. (Tonon-kiran’i Solomona 3:6-11). Nampiantrano azy tao an-dapany i Solomona. Nahazendana aoka izany io lapany io, hany ka rehefa nahita azy io ny mpanjakavavin’i Sheba, “dia talanjona terỳ izy”. — 1 Mpanjaka 10:4, 5.
Tsy nivadika tamin’ilay zazalahy mpiandry ondry anefa ilay zazavavy avy tany Sonema. “Toy ny hazo poma amin’ny hazo any an-ala, dia toy izany ny malalako”, hoy izy. (Tonon-kiran’i Solomona 2:3). Avelao i Solomona hifaly amin’ny tanimboalobony arivo. Ampy azy ny tanimboalobony tokana — niaraka tamin’ilay olon-tiany. Tsy azo nohozongozonina ny fitiavany. — Tonon-kiran’i Solomona 8:11, 12.
Nisy vehivavy naha-te ho tia hafa iray koa nipetraka tao Sonema. Tsy fantatsika izay bikany ivelany, saingy azo antoka fa tsara fo izy. Milaza ny Baiboly fa ‘niahy izy’ — na nisahirana be — mba hanomezana sakafo sy fialofana tsy tapaka ho an’i Elisa mpaminany. — 2 Mpanjaka 4:8-13.
Azontsika alaina sary an-tsaina i Elisa, rehefa avy nanao dia lavitra nandreraka, niverina tamim-pankasitrahana tao amin’ilay efitrano kely ambony rihana, nomanin’ilay vehivavy sy ny vadiny ho azy. Azo inoana fa nitsidika ny tranon’izy mivady matetika izy, satria naharitra 60 taona ny fanompoany. Nahoana io vehivavy sonemita io no niangavy mafy an’i Elisa mba hipetraka tao an-tranony, isaky ny nandalo? Satria nihevitra ny asan’i Elisa ho zava-dehibe izy. Niasa toy ny hoe feon’ny fieritreretan’ilay firenena io mpaminany nanetry tena sy tsy tia tena io, ka nampahatsiahy an’ireo mpanjaka sy mpisorona ary ny sarambaben’ny olona ny amin’ny adidin’izy ireo hanompo an’i Jehovah.
Tsy isalasalana fa iray tamin’ireo olona noeritreretin’i Jesosy ilay vehivavy sonemita, rehefa nilaza izy hoe: “Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ny mpaminany”. (Matio 10:41). Nanome valisoa manokana an’io vehivavy natahotra an’Andriamanitra io i Jehovah. Na dia momba nandritra ny taona maro aza ravehivavy, dia nitera-dahy izy. Taona maro tatỳ aoriana, dia nahazo ny fanampian’Andriamanitra koa izy fony nandrava ilay tany ny mosary naharitra fito taona. Mampahatsiahy antsika io fitantarana mampihetsi-po io fa voamarik’ilay Raintsika any an-danitra foana ny hatsaram-panahy asehontsika amin’ireo mpanompon’Andriamanitra. — 2 Mpanjaka 4:13-37; 8:1-6; Hebreo 6:10.
Ady roa nampiova zavatra
Na dia tsaroana ho fonenan’ireo vehivavy roa tsy nivadika ireo aza i Sonema, dia nitrangan’ny ady roa izay nanova ny tantaran’ny Isiraely koa izy io. Nisy toerana nety tsara mba hiadiana teo akaiky teo — ilay tany lemaka teo anelanelan’ireo havoana More sy Gilboa. Ireo mpitari-tafika tamin’ny andron’ny Baiboly dia nitoby foana tamin’ny toerana nisy rano be dia be, toerana avo nanome fiarovana, ary raha azo natao, dia nahatazanana tany lemaka maina an-dohasaha izay ampy velarana mba hihetsehan’ireo andian-tafika sy soavaly ary kalesy. Nanolotra izany rehetra izany i Sonema sy i Gilboa.
Tamin’ny andron’ireo mpitsara, dia nisy tafika iray voaforona Midianita sy Amalekita ary hafa koa niisa 135 000 nitoby teo amin’ilay tany lemaka teo anoloan’i More. Ny ramevany dia ‘tsy hita isa, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony’. (Mpitsara 7:12). Nifanatrika tamin’izy ireo terỳ ampitan’ilay tany lemaka, teo akaikin’ny lavaka fantsakana Haroda teo am-pototry ny Tendrombohitra Gilboa, no nisy ireo Isiraelita notarihin’i Gideona Mpitsara, izay nanana miaramila 32 000 monja.
Nandritra ireo andro talohan’ny ady iray, dia samy niezaka hanakivy ny ankilany ny andaniny avy. Nety ho nampaharaiki-tahotra an’ireo miaramila nandeha an-tongotra ny nahita ireo andian-tafika nanaraby, ireo rameva mpiady, ireo kalesy, sy ireo soavaly. Tsy isalasalana fa nampihorohoro ny nahita ireo Midianita, izay efa teo an-toerana raha mbola novorina ireo Isiraelita. Rehefa nanontany i Gideona hoe: ‘Iza no matahotra sy mangovitra?’, dia ny androatokon’ilay tafika nofeheziny no nitsoaka an-daharana. — Mpitsara 7:1-3.
Miaramila isiraelita 10 000 monja izao no nibanjina ireo miaramila fahavalo 135 000 terỳ ampitan’ilay tany lemaka, ary tsy ela i Jehovah dia nampihena ny isan’ireo miaramila isiraelita ho 300 monja. Araka ny fanaon’ny Isiraelita, dia nozaraina telo ilay andia-miaramila kely. Tao anatin’ny haizina, dia niparitaka izy ireo ary samy naka toerana teo amin’ny lafiny telo nanodidina ny tobin’ny fahavalo. Avy eo, raha vao nandefa baiko i Gideona, dia namaky ireo siny nanafenany ny fanilony izy 300 lahy, ka nampiakatra ireo fanilo ireo, ary niantsoantso hoe: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” Nitsoka ny anjomarany izy ireo ary mbola nitsoka ihany. Tao anatin’ny haizina, dia nihevitra ireo miaramila maro be samy hafa firenena izay taitra tampoka fa nisy antoko 300 nanafika azy ireo. Nataon’i Jehovah izay hifamelezan’izy ireo, ary “nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra”. — Mpitsara 7:15-22; 8:10.
Nisy ady hafa iray koa nitranga teo akaikin’i Sonema tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. Mitantara ny Baiboly fa ‘nivory ny Filistina, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa’, tsy misy hafa amin’ny nataon’ny tafik’i Gideona, taona maro talohan’izay. Tsy nitoky firy tamin’i Jehovah anefa i Saoly, tsy tahaka an’i Gideona, fa naleony naka hevitra tamin’ny mpanelanelana amin’ny fanahy, tany Andora. Raha vao hitany ny miaramilan’ny Filistina, dia “raiki-tahotra [izy] sady niemponempona ny fony”. Nandritra ilay ady taorian’izay, dia nandositra ny Isiraelita ka nahafatesana be dia be. Samy namoy ny ainy i Saoly sy i Jonatana. — 1 Samoela 28:4-7; 31:1-6.
Koa hita arỳ fa voamariky ny fitiavana sy ny herisetra, ny fitokiana tamin’i Jehovah sy ny fianteherana tamin’ny demonia, ny tantaran’i Sonema. Teo amin’io tany lemaka an-dohasaha io, dia nisy vehivavy roa nampiseho fitiavana sy fahaiza-mandray vahiny tsy niovaova, ary nisy mpitarika isiraelita roa nanao ady nampiova zavatra. Samy mampiseho mazava ireo ohatra efatra ireo fa zava-dehibe ny fianteherana amin’i Jehovah, izay tsy manadino na oviana na oviana ny mamaly soa an’ireo izay manompo azy.
[Sary, pejy 31]
Ny vohitr’i Solama maoderina, eo amin’ny nisy an’i Sonema taloha, ary i More erỳ aoriana
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.