BETI-JESIMOTA
(Beti-jesimòta) [Tranon’ny Faharavana].
Toerana iray teo amin’ny Lemak’i Moaba. Hatrany Beti-jesimota ny farany atsimo tamin’ny tobin’ny Israelita rehefa nitoby teo amin’io lemaka io izy ireo, talohan’ny hiampitany an’i Jordana sy hidirany tao Kanana. (No 33:48, 49) Nanomboka tany Beti-jesimota ilay toby ka hatrany Abela-sitima. Nahatratra 8 km teo ho eo izany, raha refesina ny toerana heverina fa nisy an’ireo tanàna ireo. I Tell el-ʽAzeimeh, eo avaratratsinanan’ny Ranomasina Maty, any amin’ny 19 km any atsimoatsinanan’i Jeriko, no heverina ho Beti-jesimota. Tsy lavitra eo i Kirbet Sveimeh, tanàna romanina fantatra amin’ny anarana grika hoe Besimota. Misy loharano miboiboika be eo akaiky eo. Eo amin’ny lembalemba no misy an’i Tell el-ʽAzeimeh, ary erỳ ambaniny erỳ ny lemaka. Eo amin’ny toerana mety tsara i Tell el-ʽAzeimeh ka toy ny hoe miambina ny lalana avy any amin’ny iray amin’ireo lohasaha falehan-driaka eo anelanelan’ireo tendrombohitra eo atsinanana.
Anisan’ny faritra nanjakan’i Sihona mpanjakan’ny Amorita i Beti-jesimota, ary nomena ho an’ny fokon’i Robena rehefa resin’ny Israelita ny Amorita ka lasany ilay faritra. (Js 12:1-3; 13:15-21; ampit. Mpts 11:13-27.) Iray tamin’ireo tanàna teny amin’ny tehezan-tendrombohitra teo an-tsisin-tanin’i Moaba i Beti-jesimota, tamin’ny andron’i Ezekiela mpaminany, ary nolazaina hoe “ravak’ilay tany.” (Ezk 25:8-10) Nambaran’ny faminaniana fa havelan’i Jehovah hisokatra ireny tanàna an-tsisin-tany ireny, ka tsy ho voaro i Moaba fa ho mora tafihin’ny “Tatsinanana”, izany hoe ireo foko mpifindrafindra monina tany amin’ny Tany Efitr’i Arabia. (Ampit. Mpts 6:3; 8:10.) Azo inoana fa azon’ny Moabita i Beti-jesimota sy ireo tanàna hafa an’ny fokon’i Robena, taorian’ny nanaovana sesitany an’io foko io tany Asyria, na talohan’izay.—1Ta 5:26.