ZEBAHA
(Zebàha) [Sorona].
Mpanjakan’ny Midianina anisan’ny nampahory ny Israely. Toa i Zebaha sy Zalmona no nanjaka nandritra ireo fito taona nanafihan’ny Midianina an’i Israely. Nanimba ny sahan’ny Israelita ny Midianina, ary nanao izay hampahantra azy. (Mpts 6:1-6) Toa novonoin’izy ireo koa ny rahalahin’i Gideona.—Mpts 8:18, 19.
Nandositra i Zebaha sy Zalmona mbamin’ny lehilahy 15 000, rehefa resin’i Gideona ireo miaramilany 135 000. Tonga hatrany Karkora izy ireo, nefa nenjehin’i Gideona ka mbola resiny ihany ary nosamboriny. Nentin’i Gideona niverina hatrany Sokota angamba i Zebaha sy Zalmona. Azo antoka fa nampahatsiahivina azy ireo tamin’izay ny teny fireharehany (na fara faharatsiny, ny toe-tsainy), izay nosoratana ao amin’ny salamo hoe: “Andao halaintsika ho antsika ny fonenan’Andriamanitra.” (Sl 83:11, 12) I Gideona mihitsy no namono an’ireo mpanjaka midianita roa ireo, rehefa avy niaiky izy ireo fa namono ny rahalahiny.—Mpts 8:4-21.