Sambatra ireo izay tsy manampatra ny fahefany!
“Mahari-po Jehovah sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka.” — NAHOMA 1:3.
1. Nahoana moa ny olona iray manana fahefana sasany no tsy manana antony mihitsy tokony hireharehana?
NY olona manan-tsaina dia afaka mampiasa amin’ny fomba tsara ny fahefana maro karazana. Noho ny talenta ananantsika na noho ny toe-javatra miseho, dia mety ho matanjaka indrindra isika amin’ny lafiny iray na amin’ny lafiny hafa. Kanefa moa ve isika manana antony tokony hireharehana na dia izany aza? Tsy izany velively. Inona no vakintsika ao amin’ny Jeremia 9:23? “Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin’ny hareny.” Nahoana moa isika no tsy tokony hirehareha? Mamaly tsara an’io fanontaniana io ny apostoly ao amin’ny I Korintiana 4:7: “Fa iza no nampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany hianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?”
2. Nahoana moa isika no tokony hitandrina rehefa mampiasa ny fahefantsika?
2 Nahoana moa isika no tokony hitandrina mba tsy hampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefana ananantsika angamba amin’ny lafiny sasany? Satria “ny fisainan’ny [fironan’ny, MN ] fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”. (Genesisy 8:21.) Koa satria isika rehetra manana fironana raikitra ho amin’ny fitiavan-tena, dia ilaintsika mandrakariva ny miahy ny amin’ny hampiasana amim-pahalalana tanteraka ny fahefantsika. Nilaza izao hevitra izao ny poeta iray: “Ny harena rehetra dia miteraka rahona feno fanahiana. Ny hery rehetra dia manafina fandrika feno fitaka.” Marina tokoa fa noho ny tsy fahatanterahana nolovantsika avy amin’ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia mirona foana hampiasa ny fahefantsika noho ny antony mampiseho fitiavan-tena isika.
Jehovah: mahery, nefa koa hendry sy marina
3. Karazam-pahefana inona moa no tanan’i Jehovah?
3 Tsy misy tahaka an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona mihitsy raha hanome antsika ohatra tsara dia tsara, tanteraka, raha ny amin’ny fampiasana ny fahefany na ny heriny. Tsy mora tezitra izy fa mahari-po, ary izany dia na dia ilainy aza ny hampiasana ny heriny mba hanasaziana (Nahoma 1:3). Tsy misy mihitsy mahery noho izy. Izany no antony iheverantsika azy ho ny Fisiana tsitoha, mahefa ny zavatra rehetra. Ara-drariny rahateo ny anomezany ho an’ny tenany ny anaram-boninahitra hoe “Tsitoha”. (Genesisy 17:1.) Manana fahefana tampony izy, tsy hoe satria fotsiny tsy misy fetra ny heriny, fa satria koa mitana fahefana feno izy amin’ny maha-Mpanjaka Tompo sy Mpamorona eo amin’izao rehetra izao. Noho izany antony izany, dia tsy hisy mihitsy ho sahy hilaza fa afaka ‘hisakana Azy, na hanao aminy hoe: Inona no ataonao?’ — Daniela 4:32.
4. Nahoana moa no fahendrena ny hatahorana an’i Jehovah?
4 Koa satria tsitoha Jehovah Andriamanitra, dia fahendrena ny hananana tahotra ny tsy hahazo sitraka aminy. Marina tokoa fa “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina”. (Ohabolana 9:10.) Manoro hevitra antsika i Paoly mba tsy hampahasaro-piaro an’i Jehovah amin’ny fanarahana karazam-panompoan-tsampy na inona izany na inona, satria, hoy izy, “mahery noho Izy va isika?” Tsy izany velively (I Korintiana 10:22)! Kanefa, izay rehetra minia mandika ireo didin’Andriamanitra marina dia manao zavatra toy ny hoe mahery noho Jehovah izy ireny! Soritan’i Paoly izany hevitra izany amin’ny filazana hoe: “Fa Andriamanitsika dia afo mandevona.” — Hebreo 12:29.
5. Nahoana moa isika no tsy mila ny hahatsapa tahotra mankarary an’i Jehovah noho ny maha-tsitoha azy?
5 Izany rehetra izany dia mety hameno antsika tahotra mankarary na horohoro raha toa ka tsy nampifandanjain’Andriamanitra tamin’ny toetrany lehibe hafa telo, dia: ny fahendrena, ny fahamarinana sy ny fitiavana, ny maha-tsitoha azy. Rehefa mampiasa ny heriny mba hanasaziana izy, dia ampifandanjainy amin’ireo toetra ireo foana izany. Ohatra, ny safodrano tamin’ny andron’i Noa dia tena nampiseho tamin’ny fomba nanakoako ny herin’i Jehovah. Tamin’io toe-javatra io, moa ve anefa Andriamanitra nampiasa ny fahefany tamin’ny tsy fanehoana fahamarinana na fitiavana? Tsy izany velively! Rehefa hitany fa ratsy aoka izany ny olona, dia nalahelo ny fony (Genesisy 6:5-11). Rariny ny nanesorany tamin’ny tany ireny olona ratsy fanahy ireny izay nahaforona izao tontolo izao talohan’ny safodrano, satria ireo nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahaizana nomena azy ary indrindra, tsy niraharaha ny fampitandremana nataon’i Noa, “mpitory ny fahamarinana”. — II Petera 2:5.
6. Mampiseho inona moa ny fomba nampiasain’i Jehovah tamin’ny tanànan’i Sodoma sy Gomora?
6 Rehefa niseho ho mpanota ratsy tokoa ny mponina tany Sodoma sy Gomora ka nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahaizana tokony hampiasainy ho an’Andriamanitra tamin’ny naha-olombelona, dia tapa-kevitra Jehovah ny handringana azy ireny. Ho fiheverana an’i Abrahama sakaizany, dia nampahafantariny an’io lehilahy nanam-pinoana io ny amin’ny fikasany tamin’i Sodoma sy Gomora. Toa nieritreritra Abrahama fa hampiasa ny heriny amin’ny fomba ratsy tokoa Jehovah amin’ny fandravana ireo tanàna ireo. Izany no antony nanontaniana azy hoe: “Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” Diso hevitra anefa Abrahama. Voatery niaiky izy tamin’ny farany fa ara-drariny tokoa ny fitsaran’i Jehovah, satria tsy nahitana olo-marina folo akory aza tao amin’ireo tanàna ireo. Tsy azo lavina fa io toe-javatra io dia mampiseho fa ataon’i Jehovah izay hampiasana ny heriny ara-drariny tanteraka. — Genesisy 18:17-33; Isaia 41:8.
7. Nahoana moa Farao no mendrika ny hampiasan’i Jehovah ny heriny hitondra fahavoazana ho azy?
7 Taty aoriana, rehefa tonga ny fotoana hanafahan’i Jehovah ny Isiraelita nandevozina tsy ara-drariny tany Egypta, dia nomeny fahafahana hiara-hiasa taminy Farao. Tsy hitondra fahavoazana na ho an’io mpanjaka io izany na ho an’ny vahoakany. Tsy nety nanaiky tamim-piavonavonana sy fikirizana ny fangatahan’i Jehovah anefa Farao. Nasehon’i Jehovah azy ny heriny tamin’ny famelezana an’i Egypta tamin’ny loza folo nisesy (Eksodosy 9:16). Rehefa avy namela ny Isiraelita handeha i Farao, dia nimaona nanenjika azy ireo ka nanohy nihaika an’i Jehovah tamim-pikirizana. Ara-drariny tokoa àry ny nampiasan’i Jehovah ny heriny tsy hay resena tamin’ny fanaovana izay hiteleman’ny ranon’ny ranomasina Mena an’i Farao sy ny tafiny (Salamo 136:15). Aoka homarihintsika fa tamin’ny tsirairay avy tamin’ireny toe-javatra ireny, dia nampiasa ny fahefany lehibe koa Jehovah mba hiarovana ireo mpanompony nahatoky: Noa sy ny fianakaviany, Lota sy ireo zanany roa vavy, ary ny firenen’ny Isiraely. — Genesisy 19:16.
8. Noho ny antony tsara inona moa no nanaovan’i Jehovah toy ny nataony tamin’i Sankeriba?
8 Taonjato maro taty aoriana, tamin’ny andron’i Hezekia mpanjaka, Jehovah Andriamanitra dia nampiseho ny heriny mahatahotra tamin’ny fomba nanaitra sy ara-drariny tokoa, rehefa nandrahona an’i Jerosalema i Sankeriba, mpanjaka asyryana. Ireo mpanompony, notarihin’i Hezekia, mpanjaka tia fivavahana sy nahatoky iray, dia nitodika tany Aminy sy niantso vonjy avy aminy. Nanampy azy ireo Andriamanitra, satria izy ireo nanompo azy tamim-pahatokiana ary tetsy andaniny koa, ny irak’i Sankeriba mpanjaka dia nanambara tamim-piavonavonana hoe: ‘Aza mihaino an’i Hezekia. Aoka tsy hamitaka anareo izy amin’ny fampanantenana anareo fa hanafaka anareo Jehovah. Moa nahafaka ny taniny tamin’ny tanan’i Sankeriba va ny anankiray tamin’ireo andriamanitry ny firenena hafa? Koa satria tsy nisy afaka nanao izany mihitsy, nahoana no mihevitra ianareo fa hahafaka anareo Jehovah?’ (Isaia 36:13-20). Teo anoloan’ny fieboeboana toy izany dia tsy nisy azon’Andriamanitra natao afa-tsy ny nampiseho ny heriny lehibe. Nandringana miaramila 185 000 izy tao anatin’ny indray alina monja, ka nanaporofo tamin’izany fa tsy nitovy tokoa izy sy ireo andriamanitry ny firenena.
9. Inona avy no ohatra hafa mampiseho fa miahy ny amin’ny fomba ampiasany ny heriny Jehovah?
9 Aoka hojerentsika koa ny sasantsasany amin’ireo ohatra maro ho azo tononina. Rehefa namely an’i Miriama tamin’ny habokana Jehovah, dia nampiseho ny heriny tamin’ny fomba ara-drariny sy nampiseho fahendrena tanteraka izy. Mendrika izany fanasaziana izany i Miriama, satria nanakiana tamim-pieboeboana an’i Mosesy anadahiny izay voatendrin’Andriamanitra (Nomery 12:1-15). Toy izany koa, rehefa niditra tsy nisy henatra tao amin’ny fitoerana masina na tempoly masina Ozia mpanjaka mba hanolotra ditin-kazo manitra teo amin’ny alitara volamena, ka tsy nety nihaino an’ireo mpisorona levita izay nanandrana nisakana azy tsy hanao izany izy, dia ara-drariny tokoa ny nampisehoan’i Jehovah ny heriny tamin’ny famelezana azy tamin’ny habokana (II Tantara 26:16-21). Koa satria tsy nitovy ny halehiben’ny fahotan’ireo olona roa ireo, dia tsy nitovy koa ny sazy nampiharin’i Jehovah tamin’izy ireo: tsy naharitra ny habokan’i Miriama, fa Ozia kosa maty boka. Araka izany. dia takatsika fa amin’ny fotoana rehetra dia miahy ny amin’ny hampiasana ny heriny amim-pahendrena sy fahamarinana Jehovah, fa afaka miaro ny olona tsy mivadika aminy sy tia azy izy, ary mandringana ny ratsy fanahy. — Salamo 145:20.
Ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy
10, 11. Tamin’ny toe-javatra niseho inona avy moa Jesosy no nampiseho fa niahy ny amin’ny hampiasana tsara ny fahefany izy?
10 Tsy azo lavina fa nanahaka ny Rainy tamin’ny fomba mahatalanjona ny Zanak’Andriamanitra raha ny amin’ny fampiasana ny heriny. Ny anankiray tamin’ireo toe-javatra niseho voalohany nampisehoany izany dia fony tsy nifanaraka taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy Satana. Nety ho mora tamin’ny Logos ny niteny mafy dia mafy an’i Satana. Nefa toy ny hoe nanafoana ny tenany izy, mba ho avy amin’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy ny fananarana. — Joda 8, 9.
11 Ny fakam-panahy voalohany nasehon’i Satana an’i Jesosy tany an’efitra dia nifamatotra tamin’io raharaha momba ny fampiasam-pahefana io. Nanandrana nitarika an’i Jesosy Satana mba hampiasa ny fahefany tsy ananan’olombelona, ho amin’ny antony mampiseho fitiavan-tena, mba hanovana vato ho tonga sakafo. Fakam-panahy mafy izany, satria Jesosy tsy nihinana hatramin’ny 40 andro, ary “noana” izy. Tamin’ny fomba nanosika azy hanao zavatra nampiseho fitiavan-tena no nampisehoan’i Satana taminy ny zavatra, satria nanomboka tamin’izao teny izao izy: “RAHA Zanak’Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.” Tsy isalasalana fa nanantena ny hamalian’i Jesosy toy izao izy: ‘Mazava ho azy fa Zanak’Andriamanitra aho, ary mba hanaporofoana izany aminao dia hovako ho tonga mofo ireo vato ireo.’ Tsy nanaiky ho voan’ny fakam-panahy na ho voafandrika tamin’ny fanaovan-javatra tamim-pitiavan-tena sy tamin-kadalana anefa i Jesosy fa izao no navaliny: “Voasoratra hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.’ ” (Matio 4:1-4). Tsy novaliany ny safeli-teny nataon’i Satana izay nahakasika ny maha-Zanak’Andriamanitra azy, ary nolaviny ny fampiasana tamin’ny fomba ratsy ny fahefana nomen’Andriamanitra azy.
12. Ahoana koa no nampisehoan’i Jesosy fa tsy liam-pahefana izy?
12 Taty aoriana, rehefa avy namahana lehilahy 5000 sy zaza amam-behivavy maro be i Jesosy Kristy, dia nitady hanao azy ho mpanjaka ny Jiosy. Raha nanaiky ny fanoloran’izy ireo izy, dia ho nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahefany hanao fahagagana manaitra. Fantany fa tokony hialanalana hatrany izy raha ny amin’ny raharaha ara-politikan’izao tontolo izao ka hiandry ny hanomezan’i Jehovah Andriamanitra azy ny fiandrianana (Jaona 6:1-15). Taty aoriana koa, rehefa nisy vahoaka tonga mba hampiditra azy an-tranomaizina, dia nety ho afaka nangataka anjely 12 legiona izy mba hanafaka azy tamin’izany. Tamin’izany koa anefa dia ho nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahefany izy, satria ny sitrapon’ny Rainy dia ny hanekeny. — Matio 26:39, 53.
Tsy nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahefany izy ireo
13, 14. a) Inona moa no ohatra tsara dia tsara navelan’i Gideona tamin’ny fampisehoana fa tsy liam-pahefana izy? b) Ohatra tsara inona moa no nomen’i Saoly teo am-piandohan’ny andro nanjakany?
13 Anisan’ny olona tsy tanteraka nahatohitra ny fakam-panahy hampiasa ny fahefany tamin’ny fomba ratsy, dia mety ny hanononana an’i Gideona mpitsara. Rehefa avy nanafaka ny Isiraely tamin’ny tanan’ny Midiana izy io, dia nitady hanao azy ho mpanjaka ny vahoaka. Nolavin’i Gideona izany tamin’ny fanambarana taminy ara-drariny hoe: “Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.” Tsy niala tamin’ny fanetren-tena nasehony teo am-panombohany ny raharahany tamin’ny naha-mpitsara izy. Tetsy andaniny koa, ny valinteniny dia nanome taratry ny hevitry ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy momba ny nanapahan’ny mpanjaka olombelona iray ny Isiraely. Hita izany hevitra izany tamin’ny fihetsika nasehon’Andriamanitra rehefa nitady hanana mpanjaka ny Isiraely tamin’ny andron’i Samoela mpaminany. — Mpitsara 8:23; 6:12-16; I Samoela 8:7.
14 Na dia tao aza izany rehetra izany, dia nofidina ny mpanjaka iray: Saoly. Tamin’ny voalohany izy dia nampiseho ohatra tsara raha ny amin’ny fampiasana ny fahefany tamim-pahatanan-tena. Nisy olona tsinontsinona nilaza toy izao ny aminy: “Hataon’io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’i Saoly ireo (...) Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.” Nety ho nanao zavatra tamin’ny fomba nahery izy, nampiasa ny fahefam-piandrianany, kanefa tsy nanao izany izy. Toy izany koa, taorian’ny nandreseny ny Amonita, dia nieritreritra ny Isiraelita sasany fa tonga ny fotoana hamaliana ireo izay nanazimba an’i Saoly. Koa nilaza toy izao taminy izy ireo: “Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.” Tsy niray hevitra tamin’izy ireny velively anefa i Saoly. Hoy ny navaliny azy ireo: “Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanovan’i Jehovah famonjena teo amin’ny Isiraely.” Tsy azo lavina fa tsara ny nataon’i Saoly teo am-piandohan’ny andro nanjakany, nanetry tena izy (I Samoela 9:21; 10:20-23, 27; 11:12, 13). Nampalahelo anefa fa taty aoriana izy dia nanararaotra loatra ny fahefany tamin’ny naha-mpanjaka, hany ka nahita fiafarana nampangitakitaka izy! — I Samoela 28:6; 31:3-6.
15, 16. a) Afaka nanamarina inona moa Samoela mpitsara momba ny nampiasany ny fahefana nananany noho ny toerany? b) Ohatra inona sahala amin’izany moa no navelan’i Davida mpanjaka?
15 Namela ohatra tsara dia tsara i Samoela, mpaminany sady mpitsara teo amin’ny Isiraely. Nampiasa azy be dia be Andriamanitra raha mbola vao kely izy. Nitsara ny vahoaka araka ny rariny izy ary nitondra fanafahana ho azy. Efa nanararaotra ny toerany ve izy mba hahazoana tombony tamim-pitiavan-tena? Tsy izany velively! Tao amin’ny lahateny fanaovam-beloma nataony ho an’ny Isiraelita, dia nanambara toy izao izy: “Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin’izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo. (...) Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin’iza moa no nalaiko? na borikin’iza no nalaiko? na an’iza no nanaovako ankeriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan’iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko?” Voatery niaiky ny vahoaka fa nanao zavatra tamin’ny fomba tsy azo notsinina i Samoela tamin’izany lafiny rehetra izany. Tsy nanampatra ny fahefana nananany noho ny toerany tamin’ny naha-mpitsara izy. — I Samoela 12:1-5.
16 Tsy tokony hohadinointsika koa ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Davida. Indroa izy no nanana fahafahana hamono an’i Saoly mpanjaka. Nety ho afaka nilaza anakampo izy hoe: ‘Mitady hanaisotra ny aiko i Saoly, koa izay iray maty izaho sy izy.’ Nety ho afaka nitana izao fiheverana mampiseho fitiavan-tena izao koa izy: ‘Koa satria nohosoran’i Samoela mba ho mpanjakan’ny Isiraely amin’ny ho avy aho, dia toy izany no tsy maintsy hifaranan’ny zavatra. Nahoana no tsy atao izao?’ Tsy izany anefa, nandrasan’i Davida tamim-paharetana ny fotoana voatendrin’i Jehovah mba hanomezana azy ny fanjakana (I Samoela 24:1-22; 26:1-25). Mampalahelo anefa fa taorian’ny nahatongavany ho mpanjaka, dia nanjary meloka ho nanampatra ny fahefany indroa izy: nahatonga ny fahafatesan’i Oria izy ary nanisa ny tafik’Isiraely. — II Samoela 11:15; 24:2-4, 12-14.
17. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa tsy liana izy ary tsy nampiasa ny fahefany tamin’ny fomba ratsy mihitsy?
17 Ny apostoly Paoly dia namela ho an’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy, ohatra tsara dia tsara tamin’io lafiny io. Nety ho afaka nitaky fanampiana avy tamin’ny kongregasiona niasany izy. Tsy nanao izany anefa izy: Izao no nambarany tamin’ireo loholona tany Efesosy: “Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’olona aho. Fa fantatrareo ihany fa ireto tànako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.” (Asan’ny apostoly 20:33, 34). Tao amin’ny taratasiny ho an’ny kongregasiona tany Korinto, dia tamin-kery kokoa ihany no nilazan’ilay apostoly hevitra ny amin’io raharaha io (I Korintiana 9:1-18). Zony ny tsy hanao asa tsy ara-pivavahana, satria iza no mianto-tena rehefa hanao raharaha miaramila? Moa ve tsy nilaza i Mosesy mba tsy hanakombona ny vavan’ny omby mively vary? “Nefa, hoy ny fanazavan’i Paoly, tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho.” Inona no valisoany? “Raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin’ny filazantsara.”
18. a) Tokony hanao ahoana ny fihetseham-pontsika rehefa mieritreritra ny fomba tsara dia tsara ampiasan’i Jehovah ny heriny isika? b) Nahoana moa no azo atao ny manambara fa sambatra ireo izay manahaka an’Andriamanitra amin’izany lafiny izany?
18 Tsy azo lavina fa marina ny hilazana hoe: ‘Sambatra ireo izay tsy manampatra ny fahefany!’ Anarana miavaka toy inona moa no nataon’i Jehovah ho an’ny tenany tamin’ny fanomezana ohatra tsara dia tsara tamin’io lafiny io! Ny maha-tsitoha azy dia ampifandanjainy foana amin’ireo toetrany hafa, dia: ny fahendrena, ny fahamarinana sy ny fitiavana. Azontsika atao àry ny miara-milaza amin’i Davida mpanao salamo hoe: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.” (Salamo 103:1). Tena sambatra tokoa izay rehetra manahaka an’i Jehovah amin’ny fampiasana ny fahefany amin’ny fomba tsara. Ireo ohatra araka ny Baiboly vao nojerentsika dia manaporofo fa, na dia olona tsy tanteraka aza isika, dia afaka mampiasa koa ny fahefantsika amin’ny fomba tsara. Izany dia mahatonga antsika ho afaka hanana fieritreretana madio, nefa koa hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy hohajain’ny mpiara-belona amintsika.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana moa isika no mila torohevitra mba tsy hampiasana amin’ny fomba ratsy ny fahefantsika?
◻ Ohatra inona avy no mampiseho fa mampiasa ny heriny amim-pahamarinana tanteraka Jehovah Andriamanitra?
◻ Nahoana moa no azo atao ny manantitrantitra fa nataon’i Jesosy izay tsy hampiasana ny fahefany tamin’ny fomba ratsy?
◻ Olona iza avy talohan’ny andro kristiana no tsy meloka ho nanampatra fahefana?
◻ Inona no fihetsika faka tahaka nananan’ny apostoly Paoly mifandray amin’ny fampiasany ny fahefany?
[Sary, pejy 9]
Mifandanja tanteraka ireo toetran’i Jehovah lehibe indrindra.
Fitiavana Hery Fahamarinana Fahendrena
[Sary, pejy 10]
Nampiseho ny fahefany araka ny rariny Andriamanitra:
tamin’ny safodrano,
Tany Sodoma sy tany Gomora,
tao amin’ny ranomasina Mena.