Efa nisy nahita an’Andriamanitra ve?
NAHAZO sitraka aoka izany tamin’ny Mpamorona antsika Abrahama patriarka be mpahalala izay velona 1 900 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy, hany ka nanjary nantsoina hoe “Sakaizan’Andriamanitra”. (Jakoba 2:23). Raha tian’Andriamanitra ny hiseho tamin’olona, dia tsy isalasalana mihitsy fa ho nahazo izany tombontsoa izany Abrahama. Indray andro, dia niseho taminy ny irak’Andriamanitra telo, nitondra hafatra. Niteny tamin’ny anankiray tamin’izy ireo Abrahama tamin’ny fiantsoana azy hoe Jehovah. Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tena nahita an’Andriamanitra tokoa Abrahama?
Mitantara izany fisehoan-javatra izany amin’izao teny izao ny Genesisy 18:1-3: “Ary Jehovah niseho tamin’i Abrahama teo an-kazo terebintan’i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran’ny lainy izy, raha nafana ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nanao hoe: Tompo [Jehovah, MN ] ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna hianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.”
Tatỳ aoriana, ny roa tamin’ireo mpitsidika telo izay niara-nandinika tamin’i Abrahama an’i Sodoma avy eny amin’ny toerana avo, dia nidina mba hizaha ny tanàna. Manohy toy izao ny Ge 18andininy faha-22 (MN ): “Fa Jehovah kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Abrahama.” Toa tena teo anatrehan’i Abrahama tao amin’ny tena nofo hita maso àry Andriamanitra. Manantitrantitra izany ny olona sasany izay mihevitra fa persona iray ihany Andriamanitra sy Jesosy.
Izao no nosoratan’ny mpandinika Baiboly iray atao hoe Melancthon Jacobus, momba ny Genesisy 18:3: “Voalohany teo amin’ny fitantarana no nisehoan’Andriamanitra ho olona teo amin’ny olona, mba hampisehoana ny maha-izy ny Fisiany sy ny hoe akaiky tokoa ny olombelona izy. Tamin’io fihetsehana ara-panoharana io no nanomezany antoka ho an’ilay patriarka fa tafaray tamin’Andriamanitra izy ary nanana ny fisakaizan’Andriamanitra.” Ireo izay misaina toy izany dia mety hanatsoaka hevitra avy amin’izany fa tena nahita an’i Jehovah tokoa i Abrahama, ka noho izany, ny olona nahita an’i Jesosy Kristy dia nahita an’Andriamanitra koa. Nefa moa ve mifanaraka amin’ny Baiboly izany fiheverana izany?
Izay nambaran’i Jesosy
Tsy niseho velively ho Andriamanitra niseho tamin’ny nofo i Jesosy Kristy fa nanambara hoe: “Zanak’Andriamanitra Aho.” (Jaona 10:36). Tamin’ny naha-solontena tanterak’Andriamanitra azy, dia hoy koa izy: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 5:30). Fony izy teo amin’ny hazo fijaliana, dia nivavaka tamin’ilay Mpamorona tampony any an-danitra i Jesosy ka niantso azy hoe “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô”. (Matio 27:46.) Rehefa tafatsangana tamin’ny maty izy, dia niteny tamin’i Maria Magdalena hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitra sy Andriamanitrareo”. (Jaona 20:1, 17). Araka izany, koa satria tsy Andriamanitra niseho tamin’ny nofo akory Jesosy Kristy, dia tsy misy mihitsy olona nahita azy afaka mihambo ho nahita an’Andriamanitra.
Tsy nahita an’Andriamanitra akory ireo apostoly rehefa nahita an’i Jesosy. Nanamarina izany i Jaona, anankiray tamin’izy ireny tian’i Jesosy indrindra. Izao tokoa no nambarany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jaona 1:18). Raha izany no izy, iza moa no hitan’i Abrahama? Hahita ny valin’io fanontaniana io isika amin’ny fandinihana izay nitranga tamin’i Mosesy.
Tamin’ny heviny ahoana moa i Mosesy no ho nahita an’Andriamanitra?
Naneho faniriana ny hahita an’Andriamanitra i Mosesy indray mandeha. Izao no vakintsika ao amin’ny Eksodosy 33:18-20: “Mba ampahitao ny voninahitrao aho [hoy Mosesy]. Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo. Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako hianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.”
Araka izany, dia navelan’Andriamanitra handinika ny voninahiny Mosesy rehefa nandalo izany. Manampy teny toy izao ny Ek 33 andininy faha-21 ka hatramin’ny faha-23: “Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ny harambato hianao; koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato hianao, ka hosaronako ny tànako hianao mandra-pandaloko. Dia hanaisotra ny tànako Aho, ka hahita ny vohoko hianao; fa ny tavako tsy ho hita.”
Mifanaraka amin’ireo tenin’i Jehovah ireo sy ny fanambaran’ny apostoly Jaona, Andriamanitra akory tsy niseho tamin’i Mosesy nitafy nofo, na tamin’izay rehetra mety ho endrika hafa hita maso. Vokatra maharitra avy amin’ny fanatrehan’Andriamanitra fotsiny no hitan’i Mosesy ary na dia tamin’izany aza dia tsy maintsy niaro azy Andriamanitra. Mazava àry fa tsy afaka nahita ny tenan’Andriamanitra mihitsy i Mosesy.
Na dia rehefa niresaka “nifanatrika” tamin’Andriamanitra aza izy, araka ny voalaza ao amin’ny Eksodosy 33:11, dia tsy nahita an’i Jehovah koa i Mosesy. Io fitenenana io dia manondro ny fomba niresahan’i Mosesy tamin’Andriamanitra fa tsy izay tena hitany. Asehon’ny fitenenana hoe miresaka ‘mifanatrika’ amin’Andriamanitra fa izany dia tena fifampiresahana. Azo atao amin’izany fomba izany ny miresaka an-telefaonina nefa tsy mahita ny olona iresahana.
Rehefa niresaka tamin’Andriamanitra i Mosesy ka nandray ireo toromariny, dia tsy natao tamin’ny alalan’ny fahitana akory izany fifampiresahana izany, toy ny hita tamin’ny mpaminany maro hafa. Miharihary izany amin’ny Nomery 12:6-8, izay amakiantsika toy izao: “Dia hoy Izy: Raha misy mpaminanin’i Jehovah eo aminareo, dia amin’ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ny nofy no hitenenako aminy. Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ny tranoko rehetra. Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny fahitana, fa tsy amin’ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’i Jehovah izy.” Tamin’ny heviny ahoana moa i Mosesy no hoe nandinika “ny endrik’i Jehovah”?
Nandinika “ny endrik’i Jehovah” i Mosesy fony izy teo an-tendrombohitra Sinay niaraka tamin’i Arona mbamin’ny lehilahy hafa. Izao no tantarain’ny Eksodosy 24:10: “Dia nahita an’Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin’ny tongony dia toy ny fanganohanon’ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan’ny lanitra ny famirapirany.” Ahoana no nahafahan’i Mosesy, niaraka tamin’ireo lehilahy ireo “nahita an’Andriamanitry ny Isiraely” kanefa Andriamanitra nilaza taminy hoe: “Tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona”? Manome ny fanazavana ny andininy faha-11: “Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ireo lehiben’ny Zanak’Isiraely Izy; dia nahita an’Andriamanitra [nahazo fahitana ny amin’ilay Andriamanitra marina, MN ] izy ireo, ary nihinana sy nisotro.” Tamin’ny fahitana iray àry no nandinihan’i Mosesy sy ireo lehilahy niaraka taminy ny fisehoan’Andriamanitra.
Anjely solontena
Tsy nila ny nandao ny toerana ambony tanany any an-danitra akory ilay Mpamorona izao rehetra izao mba hampitana hafatra amin’ny olona sasany. Afa-tsy ireo fotoana telo voatana an-tsoratra nandrenesana ny feon’Andriamanitra mihitsy tamin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany, dia nampita foana ny hafany tamin’ny alalan’ny anjely Jehovah (Matio 3:17; 17:5; Jaona 12:28). Na dia ny Lalàna nomen’Andriamanitra ho an’ny firenen’Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay aza dia nampitaina tamin’ny alalan’anjely, na dia nolazaina aza fa niresaka nivantana tamin’Andriamanitra i Mosesy. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ny amin’izany: “Inona àry ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr’anjely [nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely, MN ) teo an-tànan’ny mpanalalana izany.” — Galatiana 3:19.
Hitantsika ny filazana hafa iray mampiseho fa raha ny marina dia niresaka tamin’ny anjely solontenan’Andriamanitra i Mosesy, ao amin’ny Asan’ny apostoly 7:38 izay manambara hoe: “Izy ilay teo amin’ny fiangonana tany an-efitra mbamin’ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin’ny razantsika.” Io anjely io dia ny mpitondra teny manokan’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona. Niteny tamin’i Mosesy àry izy, toy ny hoe ny tenan’Andriamanitra mihitsy no niteny.
Mpitondra teny koa ilay anjely nampahafantatra ny hafatr’Andriamanitra tamin’i Mosesy tao amin’ny kirihitr’ala nidedadeda. Anjelin’i Jehovah no iantsoan’ny Baiboly azy. Araka izany dia izao no vakina ao amin’ny Eksodosy 3:2: “Ary ilay Anjelin’i Jehovah niseho taminy tao anaty lelafo teo amin’ny roimemy anankiray.” Izao no ambaran’ny Ek 3andininy faha-4: “Ary rehefa hitan’i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan’ny roimemy Andriamanitra.” Izao no nolazain’io anjely mpitondra tenin’Andriamanitra io eo amin’ny Ek 3andininy faha-6: “Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.” Araka izany, raha niresaka tamin’io solontenan’Andriamanitra manokana io i Mosesy dia niteny toy ny hoe ny tenan’i Jehovah mihitsy no niresahany. — Eksodosy 4:10.
Ny toko faha-6 amin’ny bokin’ny Mpitsara dia manome antsika ohatra hafa iray ny amin’ny lehilahy niteny tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely solontena. Ny Mps 6andininy faha-11 dia manondro ny mpitondra hafatra ho “Anjelin’i Jehovah”. Izao no vakintsika: “Dia tonga Ilay Anjelin’i Jehovah ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta teo Ofra, izay an’i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin’ny fàntaka teo anilan’ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin’ny Midiana.” Rehefa avy eo io mpitondra hafatra io, “ny Anjelin’i Jehovah”, dia iresahana toy ny miresaka amin’i Jehovah mihitsy. Izao no vakintsika eo amin’ny Mps 6andininy faha-14 sy 15: “Dia nitodika nijery azy [Gideona] Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin’izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin’ny tànan’ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho? Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely?” Araka izany, ny fitantarana araka ny Baiboly dia mampitovy ilay anjely nitafy nofo hitan’i Gideona sy niresahany amin’Andriamanitra mihitsy. Izao no ambaran’i Gideona ao amin’ny Mps 6andininy faha-22: “Nahita Ilay Anjelin’i Jehovah nifanatrika aho.” Izay nasain’Andriamanitra nolazainy indrindra no naverin’io anjely io. Noho izany, dia tamin’ny alalan’io mpitondra hafatra anjely io no niresahan’i Gideona tamin’Andriamanitra.
Aoka hodinihintsika koa izay hita tamin’i Manoa sy ny vadiny, ray aman-drenin’i Samsona. Tamin’izany koa, ny fitantarana dia manondro ny mpitondra hafatra anjely amin’ny fitenenana hoe “Ilay Anjelin’i Jehovah” sy “Ilay Anjelin’Andriamanitra”. (Mpitsara 13:2-18.) Izao no nolazain’i Manoa tamin’ny vadiny eo amin’ny Mps 13andininy faha-22: “Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an’Andriamanitra.” Na dia tsy tena nahita an’i Jehovah Andriamanitra aza i Manoa, dia natahotra ny ho faty satria nahita ny mpitondra tenin’Andriamanitra manokana tamin’ny endriny hita maso.
Tsy nisy mihitsy olona nahita an’Andriamanitra
Hatramin’izao isika dia afaka mahatakatra hoe nahoana Abrahama no niteny tamin’ny mpitondra teny iray anjelin’Andriamanitra izay nitafy nofo toy ny hoe ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nitenenany. Koa satria io anjely io nilaza tsy nisy diso izay tian’i Jehovah hampitaina amin’i Abrahama ary satria izy io no Solontenany manokana, dia afaka nilaza toy izao ny fitantarana ao amin’ny Baiboly: “Ary Jehovah niseho tamin’i Abrahama.” — Genesisy 18:1.
Tadidio fa ny anjely mpitondra tenin’Andriamanitra dia afaka mampita ny hafatra avy Aminy amim-pahatokiana toy ny telefaonina na ny radiao afaka mampita ny tenintsika amin’ny olon-kafa. Takatra mora foana àry ny hoe nahoana Abrahama, Mosesy, Manoa mbamin’ny hafa koa no afaka niresaka tamin’ny anjely hita maso iray toy ny hoe tamin’Andriamanitra mihitsy. Na dia afaka nahita ireny anjely ireny sy ny voninahitr’Andriamanitra izay hita taratra teo amin’izy ireo aza izy ireny, dia tsy afaka nahita an’Andriamanitra akory. Noho izany, dia tsy manohitra mihitsy ireto tenin’ny apostoly Jaona ireto izany: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jaona 1:18). Raha ny marina, ireny lehilahy ireny dia nahita anjely solontenan’Andriamanitra, fa tsy ny tenan’Andriamanitra mihitsy.