GIBEA
(Gibeà) [Havoana].
1. Taranak’i Kaleba ary anisan’ny fokon’i Joda. (1Ta 2:42, 49) Mety ho tanàna koa i Gibea (Js 15:57), ary i Seva taranak’i Kaleba no “rain’i” Gibea, na nanorina azy io.—Jereo No. 2.
2. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:1, 48, 57) Misy manam-pahaizana milaza azy io ho i El Jabʽa, 12 km eo ho eo any andrefana atsimoandrefan’i Betlehema. Misy kosa mihevitra fa tany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Hebrona no nisy azy io, satria tanisaina ho anisan’ireo tanàna tany amin’iny faritra iny izy io. (Js 15:55-57) Mety ho avy any amin’ity Gibea ity (na ilay No. 3) i Maka (Mikaia), renin’i Abiama (Abia) mpanjakan’ny Joda.—2Ta 13:1, 2; 1Mp 15:1, 2.
3. Tanàna tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Benjamina (Js 18:28), ary antsoina koa hoe “Gibean’i Benjamina” (1Sa 13:2), na “Gibean’ny taranak’i Benjamina” (2Sa 23:29), na “Gibean’i Saoly” (2Sa 21:6). Toa teo akaikin’ilay lalambe nampitohy an’i Jebosa (Jerosalema) sy Rama no nisy azy io. (Mpts 19:11-15) Mety tsara mba hitazanana ny manodidina, amin’ny fotoanan’ny ady, i Gibea satria teo amin’ny tendrony iray amin’ilay tandavan-tendrombohitra mamakivaky ny afovoan’i Palestina no nisy azy. (1Sa 14:16) Maro ny manam-pahaizana milaza azy io ho i Tell el-Fol (Givʽat Shaʼol), 5 km eo ho eo any avaratry ny tendrombohitra nisy ny tempoly tao Jerosalema.
Misy itovizany be ny fomba fanoratana amin’ny teny hebreo ny hoe Geba (endriny milaza lahy amin’ny teny hebreo midika hoe “Havoana”) sy ny hoe Gibea (endriny milaza vavy amin’ilay teny hebreo midika hoe “Havoana”). Maro no mino fa io fitoviana io no nahatonga an’ireo Masoreta mpanao dika soratra hanao fahadisoana, ka tokony hosoloana hoe “Geba” ny hoe “Gibea”, ary tokony hatao hoe “Gibea” ny hoe “Geba” any amin’ny andinin-teny sasany. Hoy ny boky iray momba ny 1 Samoela toko faha-13 sy faha-14: “Tsy mitovy hevitra anefa ireo mpivaofy teny rehefa milaza hoe iza no tokony hosoloana (ohatra, milaza i Smith fa tokony ho Geba ny Gibea rehetra; i Kennedy kosa milaza fa tokony ho Geba ny Gibea eo amin’ny andininy faha-2 [amin’ny toko faha-13], ary tokony ho Gibea ny Geba eo amin’ny andininy faha-3, tokony ho Geba ny Gibea eo amin’ny toko faha-14 andininy faha-2). Tsy hoe tsy azo akory ny fizotran’ilay ady rehefa tsy atao izany fanovana izany.” (Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1951, Samuel, p. 69) I “Gibea” no tiana holazaina rehefa jerena ny Mpitsara 20:10, 33. Maro àry ny mpandika teny tsy manaraka ny ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta ka mampiasa ny hoe “Gibea” fa tsy hoe “Geba.”
Voaresaka ny tanànan’i Gibea, tamin’ny andron’ny Mpitsara, tamin’ilay zava-nitranga saika nanafoana tanteraka ny fokon’i Benjamina. Nasain’ny lahiantitra iray hatory tao aminy nandritra ny alina ny Levita iray avy any Efraima sy ny vadikeliny. Tsy ela dia nihodidina an’ilay trano ireo lehilahy tsy manjary tao Gibea, ary niantsoantso ny hamoahana an’ilay Levita mba hanaovan’izy ireo firaisana taminy. Ny vadikelin’ilay Levita anefa no nomeny azy ireo. Nanao firaisana tamin’izy io nandritra ny alina manontolo izy ireo ka maty ilay vehivavy ny maraina. (Mety ho io fahotana mahatsiravina io no resahin’ny Ho 9:9 sy 10:9.) Niady tamin’ny fokon’i Benjamina ireo foko hafa, satria niaro an’ireo lehilahy meloka tao Gibea ny fokon’i Benjamina. Resy indroa ireo foko hafa ka maro be ny mpiadin’izy ireo maty. Resy anefa ny Benjamita tamin’ny farany, ary nodorana i Gibea. (Mpts 19:15–20:48) (Misy milaza fa manaporofo ireo zavatra nofongarina tao Tell el-Fol fa marina tokoa ny voalazan’ny Baiboly hoe nodorana ilay tanànan’i Gibea fahiny.)
Tany Gibea no nisy ny tranon’i Saoly, mpanjakan’ny Israely voalohany (1Sa 10:26; 15:34), ary toa avy tany koa i Itahy, anisan’ny lehilahy maherin’i Davida (2Sa 23:8, 29; 1Ta 11:26, 31), sy Ahiezera ary Joasy, izay samy miaramila mpiady tonga tany amin’i Davida tany Ziklaga. (1Ta 12:1-3) Azo inoana fa i Gibea no renivohitra voalohany tamin’ny andron’i Saoly mpanjakan’ny Israelita. Nankany Gibea ireo iraka avy tany Jabesy (Jabesi-gileada) mba hila vonjy, rehefa nanao fahirano azy ireo ny Amonita, ary avy tao i Saoly Mpanjaka no nampiantso ny Israely mba hiady tamin’ny Amonita. (1Sa 11:1-7) Avy teny amin’ny manodidina an’i Gibea no niainga i Saoly, tatỳ aoriana, rehefa hiady tamin’ny Filistinina. (1Sa 13:2-4, 15; 14:2, 16) Indroa ny lehilahy tao Zifa no nankany amin’i Saoly tany Gibea mba hilaza ny toerana niafenan’i Davida.—1Sa 23:19; 26:1.
Novonoin’i Saoly ny Gibeonita, ka meloka ho nandatsa-dra ny ankohonany. Tamin’ny andron’i Davida àry, dia nisy fito lahy tamin’ny zanaka sy zafikelin’i Saoly, novonoina tao Gibea (“Gibeona”, hoy i Aquila, Symmaque, ary ny LXX). Niambina an’ireo faty ireo ny vadikelin’i Saoly mba tsy hisy vorona na bibidia hihinana ireo faty.—2Sa 21:1-10.
Nasain’i Jehovah naminany i Isaia, tamin’ny taonjato fahavalo T.K., hoe handositra ny ao Gibea rehefa hanafika an’i Jerosalema ny Asyrianina. (Is 10:24, 29-32) Asehon’ny faminaniana nasain’Andriamanitra nambaran’i Hosea fa toa efa resy ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, matoa tonga tany Gibea sy Rama any amin’ny faritanin’i Benjamina (tany amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo) ny fahavalo.—Ho 5:8-10.