-
MezopotamiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nilaza i Stefana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:2 fa nonina tany “Mezopotamia” i Abrahama. Tany Ora tany Babylonia anefa izy no nipetraka tamin’izay. Izany no porofo fa anisan’i Mezopotamia koa i Babylonia, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy misy anefa porofo ahafahana manamarina raha anisan’i “Arama-naharaima” koa i Babylonia na tsia. Fantatra avy amin’ny andinin-teny sasany hoe taiza ho aiza no nisy an’i “Arama-naharaima” (Mezopotamia). Avy amin’ireny andininy ireny no ahalalana fa anisan’izy io ny faritra avaratra manodidina an’i Harana (Ge 24:2-4, 10), sy ny faritra avaratra be tendrombohitra manodidina an’i Petora. (De 23:4; ampit. No 23:7.) Tsy fantatra mazava ny haben’ny faritra nofehezin’i Kosana-risataima, mpanjakan’i Mezopotamia (ilay nampijaly ny Israelita tamin’ny andron’i Otniela Mpitsara). Nety ho tany avaratra koa anefa ny foiben’ny fitondrany. (Mpts 3:8-10; jereo KOSANA-RISATAIMA.) Toa avy tany amin’ny faritra avaratr’i Mezopotamia ireo kalesin’ady sy mpitaingin-tsoavaly nokaramain’i Hanona, mpanjaka amonita, tamin’izy niady tamin’i Davida Mpanjaka.—1Ta 19:6, 7.
-
-
Vidim-panavotanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy voatery ho vola na onitra. Hitantsika tetsy aloha fa ‘nanavotra’ (padah na koa gaʼal) an’ireo Israelita avy tany Ejipta i Jehovah. (Ek 6:6; Is 51:10, 11) “Tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao izay ratsy” anefa ny Israely tatỳ aoriana (2Mp 17:16, 17), ka imbetsaka izy ireo no ‘namidin’i Jehovah teo an-tanan’ny fahavalony.’ (De 32:30; Mpts 2:14; 3:8; 10:7; 1Sa 12:9) Navotany avy tany an-tsesitany na tamin’ny fahoriany kosa izy ireo rehefa nibebaka. (Sl 107:2, 3; Is 35:9, 10; Mi 4:10) Izy àry no Gôʼel na Mpanavotra azy ireo. Nantsoiny hoe vadiny mantsy ilay firenena. (Is 43:1, 14; 48:20; 49:26; 50:1, 2; 54:5-7) Tsy nandoa na inona na inona tamin’i Jehovah ireo firenena mpanompo sampy, rehefa ‘namidiny’ tamin’izy ireo ny Israely. Afa-po anefa i Jehovah satria nanao ny rariny sady tanteraka ny fikasany hanitsy sy hanafay ny Israely nikomy sy tsy nanaja azy.—Ampit. Is 48:17, 18.
-