ADONI-BEZEKA
(Adônì-bezèka) [Tompon’i Bezeka].
Mpanjaka mahery, izay nampietry mpanjaka mpanompo sampy 70, ka nanapaka ny ankiben-tanana sy ankiben-tongotr’izy ireo. Nanao izany izy talohan’ny nanafihan’ny Israelita an’i Bezeka.
Nisy fotoana koa, ny Atenianina fahiny namoaka lalàna hoe hotapahina ny ankiben-tanan’izay babo an’ady. Mbola afaka nivoy lakana izy ireo avy eo, fa tsy afaka nitana sabatra na lefona intsony. Tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Josoa dia resin’ny fokon’i Joda sy Simeona ny miaramila kananita sy perizita 10 000, ka lasa nandositra i Adoni-bezeka. Rehefa voasambotra izy dia notapahina ny ankiben-tanany sy ny ankiben-tongony ka hoy izy: “Ny nataoko ihany ity no avalin’Andriamanitra ahy.” Nentina tany Jerosalema izy, ary maty tany.—Mpts 1:4-7.