Nampandositra Tafika Nahery i Baraka Noho ny Finoany
ALAO sary an-tsaina ny tenanao miatrika andia-miaramila masiaka be. Mitondra fitaovam-piadiana maoderina izy ireo, sady vonona hiady. Toa tsy manam-piarovana ianao sy ireo namanao, manoloana azy.
Toy izany no zavatra niainan’i Baraka sy Debora ary ireo Israelita hafa 10 000. Kananita ilay tafika fahavalo, ary i Sisera no nitarika azy. Kalesy nisy antsy vy fijinjana teo amin’ny kodiarany no anisan’ny fitaovam-piadian’izy ireo. Teo amin’ny Tendrombohitra Tabara sy ny lohasaha falehan’ny riaka any Kisona no nisehoan’ny tantara. Nasehon’ilay zava-nitranga, fa lehilahy nanam-pinoana fakan-tahaka i Baraka. Diniho ireto fisehoan-javatra nialoha ilay fifandonana ireto.
Nitaraina tamin’i Jehovah ny Israely
Miresaka momba ny nialan’Israely imbetsaka tamin’ny fivavahana madio sy ny vokatra nahatsiravin’ny fihetsika toy izany, ny bokin’ny Mpitsara. Izao foana no nitranga rehefa nitalaho famindram-po tamin’Andriamanitra izy ireo: Nanendry mpamonjy ho azy ireo izy ary nanome fahafahana azy, nefa nikomy indray ny Israelita avy eo. Izany tokoa no nitranga, satria “ny Zanak’Isiraely nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda [ilay mpitsara namonjy azy ireo tamin’ny fampahorian’ny Moabita].” “Nifidy andriamani-baovao” izy ireo, raha ny marina. Inona no vokany? “Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera . . . no komandin’ny miaramilany. Dia nitaraina tamin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato [i Sisera], ary nampahory fatratra ny Zanak’Isiraely roa-polo taona izy.”—Mpitsara 4:1-3; 5:8.
Hoy ny Soratra Masina momba ny fiainana tany Israely: “[Tamin’izany andro izany] dia tsy nodiavina ny làlambe, fa ny sakeli-dàlana mivilivily no nalehan’ny mpandeha. Lao ny tany an-tsaha.” (Mpitsara 5:6, 7) Natahotra mafy ny olona, satria nandroba ireo mpitondra kalesy. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Voagejan’ny tahotra ny olona teo amin’ny Israely, ka toy ny tsy afa-nihetsika sy tsy nanan-kamonjy ilay firenena manontolo.” Very hevitra àry ny Israelita, ka nitalaho ny fanampian’i Jehovah, toy ny fanaon’izy ireo.
Nanendry mpitarika i Jehovah
Nandia fotoan-tsarotra ny firenen’Israely, noho ny fampahorian’ny Kananita. Nampiasain’Andriamanitra àry ny mpaminany Debora, mba hilaza ny didim-pitsarany sy ny toromariny. Nomeny tombontsoa izy, ho toy ny reny teo amin’ny Israely.—Mpitsara 4:4; 5:7.
Nampiantso an’i Baraka i Debora, ka niteny hoe: “Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin’ny taranak’i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao? Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron’ny ony Kisona, Sisera, komandin’ny miaramilan’i Jabina, mbamin’ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tànanao Aho.” (Mpitsara 4:6, 7) Ny tenin’i Debora hoe ‘moa tsy efa nandidy va Jehovah’ dia nampiseho tsara, fa tsy nihambo ho nanana fahefana tamin’i Baraka izy. Nampiasain’Andriamanitra fotsiny izy, mba hampita ny didiny taminy. Ahoana no nandraisan’i Baraka izany?
Hoy Baraka: “Raha handeha hiaraka amiko hianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa hianao, dia tsy handeha aho.” (Mpitsara 4:8) Nahoana i Baraka no tsy nanaiky ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy? Kanosa ve izy? Tsy natoky ny fampanantenan’Andriamanitra ve izy? Tsia. Tsy nanda ilay asa nanendrena azy akory i Baraka, na hoe tsy nankatò an’i Jehovah. Ilay valin-teniny kosa dia nampiseho fa nahatsiaro ho tsy hahavita hanatanteraka irery ny didin’Andriamanitra izy. Hanjary hatoky tanteraka izy sy ny olony fa hitarika azy ireo Andriamanitra, rehefa eo ny solontenany. Tsy nidika ho fahalemena akory ilay fepetra napetrany, fa nampiseho ny finoana natanjaka nananany kosa.
Azo ampitahaina amin’ny an’i Mosesy sy Gideona ary Jeremia ny fihetsik’i Baraka. Tsy natoky ny fahaizany hanatanteraka ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy koa ireo lehilahy ireo. Tsy noheverina ho latsa-danja anefa ny fahatokiany. (Eksodosy 3:11–4:17; 33:12-17; Mpitsara 6:11-22, 36-40; Jeremia 1:4-10) Inona kosa no azo lazaina momba ny fihetsik’i Debora? Tsy nandroba fahefana izy, fa nitoetra ho mpanompon’i Jehovah nanetry tena. Hoy izy tamin’i Baraka: “Handeha hiaraka aminao ihany aho.” (Mpitsara 4:9) Vonona hiala tao an-tranony izay toerana azo antoka kokoa izy, ary hanaraka an’i Baraka tany amin’ilay ady efa nananontanona. Nanam-pinoana sy fahasahiana koa i Debora.
Nanaraka an’i Baraka tamim-pinoana izy ireo
Tabara, tendrombohitra manerinerina, no toerana nitobian’ny tafik’Israely. Voafidy tsara io toerana io, satria toerana tena nety mba hihaonan’ny fokon’i Naftaly sy Zebolona, izay nipetraka tsy lavitra teo. Araka ny nandidian’Andriamanitra àry, dia lehilahy iray alina, nanolo-tena an-tsitrapo ho amin’ilay ady, sy Debora, no nanaraka an’i Baraka nananika ilay tendrombohitra.
Tsy maintsy naneho finoana ireo rehetra niaraka tamin’i Baraka. Nampanantena i Jehovah fa ho resin’i Baraka ny Kananita. Inona anefa no fitaovam-piadiana nananan’ny Israelita? Hoy ny Mpitsara 5:8: “Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ny olona efatra alina tamin’ny Isiraely?” Fiadiana kely fotsiny izany no nananan’ny Israelita. Tsy ho afaka ny hifampitaha tamin’ny kalesy nisy antsy vy fijinjana mihitsy anefa, raha izay lefona sy ampinga fotsiny. Avy hatrany dia novorin’i Sisera tao an-dohasahan’i Kisona ny kalesiny sy ny miaramilany rehetra, raha vao reny fa niakatra ny Tendrombohitra Tabara i Baraka. (Mpitsara 4:12, 13) Tsy takatr’i Sisera mihitsy, fa hiady tamin’Andriamanitra Tsitoha izy.
Nampandositra ny tafik’i Sisera i Baraka
Hoy i Debora tamin’i Baraka, rehefa tonga ny ady: “Miakara, fa anio no andro hanoloran’i Jehovah an’i Sisera eo an-tànanao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah?” Nidina avy teny an-tampon’i Tabara i Baraka sy ny olony, mba ho eny amin’ny lohasaha amin’ny tany lemaka. Nety tsara tamin’ny kalesin’i Sisera anefa teny, satria nahafahany nandringana tsara ny fahavalony. Ahoana raha ianao no teo amin’ny toeran’ireo miaramilan’i Baraka? Hanaiky avy hatrany ve ianao, ka hahatsiaro fa avy tamin’i Jehovah ilay toromarika? Nankatò i Baraka sy ny lehilahy iray alina niaraka taminy. “Dia nampifanaritahin’i Jehovah tamin’ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan’i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra.”—Mpitsara 4:14, 15.
Nampandositra ny tafik’i Sisera i Baraka, noho ny fanampian’i Jehovah. Tsy manazava izay nitranga rehetra ny fitantarana momba ilay ady. Milaza anefa ilay hiram-pandresena nataon’i Baraka sy Debora, fa ‘nitete rano ny rahona matevina.’ Azo inoana tokoa, fa nampikatso ny kalesin’i Sisera tao anaty fotaka ny ranonoram-baratra, ka nanome fandresena ho an’i Baraka. Nanjary nitera-doza ho an’ny Kananita ny kalesiny. Hoy ilay hiram-pandresena mahakasika ny fatin’ireo miaramilan’i Sisera: “Ny ony Kisona nipaoka azy.”—Mpitsara 5:4, 21.
Azo inoana ve izany toe-javatra izany? Ny lohasahan’i Kisona dia lohasaha falehan’ny riaka, izay tsy misy afa-tsy rano kely fotsiny mazàna. Azo inoana fa miakatra tampoka ny rano eo amin’ny toerana toy izany, aorian’ny oram-be maharitra, ary lasa renirano mahery sy mampidi-doza. Misy milaza fa nisy toy izany tamin’ny Ady Lehibe I, ka saika nampidi-doza ny miaramila mpitaingin-tsoavaly ny rotsakorana tao anatin’ny 15 minitra monja, tao amin’io toerana tsy mifoka rano io. Milaza ny fitantarana momba ny adin’i Napoléon sy ny Tiorka teo amin’ny tendrombohitra Tabara tamin’ny 16 Aprily 1799, fa “maro tamin’ny Tiorka no maty an-drano rehefa nanandrana nandositra, ka niampita teo amin’ny faritra iray tamin’ilay tany lemaka safotry ny ranon’i Kisona.”
Nilaza i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy, fa rehefa akaiky hihaona ny tafik’i Sisera sy Baraka dia “nisy tafio-drivotra mafy narahin’orana sy havandra be dia be nidina avy tany an-danitra. Nanjavona ny mason’ireo Kananita satria nafafin’ny rivotra teny amin’ny tarehiny ny orana, ka nanjary tsy nisy nilana azy ny pilotra sy zana-tsipìkany.”
Hoy ny Mpitsara 5:20: “Avy tany an-danitra no nisy ady: Ny kintana tamin’ny nalehany niady tamin’i Sisera.” Ahoana no niadian’ny kintana tamin’i Sisera? Misy milaza fa manondro ny fanampian’Andriamanitra ireo teny ireo. Ny hafa kosa milaza fa manondro fanampian’ny anjely izany, na tainkintana niraraka, na koa ireo filazana mialoha nataon’ny mpanandro, izay niankinan’i Sisera, nefa voaporofo fa diso. Tsy hazavain’ny Baiboly ny fomba nandraisan’ny kintana anjara tamin’ilay ady. Toa ampy àry ny mihevitra hoe manondro ny sasany tamin’ny fomba namonjen’Andriamanitra ny tafik’Israely ireo teny ireo. Na ahoana na ahoana anefa fisehoan’ny toe-javatra, dia nohararaotin’ny Israelita tsara izany. “Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy . . . dia lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.” (Mpitsara 4:16) Inona kosa no nitranga tamin’i Sisera, ilay lehiben’ny tafika?
Lavo ‘teo an-tanan’ny vehivavy’ ilay mpampahory
Hoy ny Baiboly: “Ary Sisera [nilavo lefona ka] nandositra nandeha tongotra ho any amin’ny lain’i Jaela, vadin’i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan’i Hazora, sy ny mpianakavin’i Hebera Kenita.” Nasain’i Jaela ho ao an-dainy i Sisera. Nomeny ronono izy hosotroiny, sady norakofany lamba. Reraka i Sisera, ka resin-tory. Nalain’i Jaela àry ny ‘tsima-day, sady nitondra tantanana teny an-tanany izy.’ Mazàna no mampiasa ireo zavatra ireo ny olona mipetraka an-day. ‘Dia nitsaitsaika nankeo aminy izy; ary natsatony tamin’ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin’ny tany—fa efa renoky ny torimaso i Sisera, satria sasatra—ka dia maty izy.’—Mpitsara 4:17-21.
Nivoaka hitsena an’i Baraka i Jaela avy eo, ka nanao taminy hoe: “Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao.” Hoy ny tohin’ilay tantara: “Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin’i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin’ny fihirifany.” Tena tsy maintsy ho nanatanjaka ny finoan’i Baraka io zavatra hitany io! Efa nilaza taminy mantsy i Debora mpaminany vavy, hoe: “Tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tànam-behivavy no hivarotan’i Jehovah an’i Sisera.”—Mpitsara 4:9, 22.
Azo lazaina hoe fitaka ve izay nataon’i Jaela? Tsia, tsy toy izany no fahitan’i Jehovah azy. Hoy ny hiram-pandresen’i Baraka sy Debora: “Hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.” Manampy antsika hanana fomba fijery mety momba ny fahafatesan’i Sisera io hira io. Aseho ho toy ny mitaintaina miandry ny fiverenan’i Sisera avy any an’ady ny reniny. Hoy izy: “Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga?” Niezaka nampitony ny ahiahiny ny “hendry tamin’ny andriambaviny”, ka nilaza fa tsy maintsy ho nizara zavatra azo babo izy, dia fitafiana voaravaka petakofehy, sy zazavavy ho an’ireo lehilahy. Hoy ireo vehivavy ireo: “Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an’ny isan-dahy, ary lamba samy hafa volo ho babon’i Sisera, lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon’ny nahazo babo.”—Mpitsara 5:24, 28-30.
Lesona ho antsika
Mampianatra antsika lesona lehibe ny tantaran’i Baraka. Azo antoka fa hahita zava-manahirana sy fahadisoam-panantenana izay rehetra manilika an’i Jehovah. Ho afaka amin’ny fampahoriana isan-karazany kosa ireo mibebaka sy manatona ary maneho finoana azy. Tokony ho tia mankatò koa isika. Afaka matoky isika fa hitondra soa maharitra ho antsika foana ny toromarik’Andriamanitra, na dia toa mifanohitra amin’ny eritreritry ny olona aza izay takiny. (Isaia 48:17, 18) Tsy ho nahavita “nampandositra ny tafiky ny hafa firenena” mihitsy i Baraka, raha tsy tamin’ny finoana an’i Jehovah sy ny fankatoavana azy.—Hebreo 11:32-34.
Mampihetsi-po ny teny namaranan’i Debora sy Baraka ny hirany. Hoy izy ireo: “Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ny heriny izy.” (Mpitsara 5:31) Vao mainka hiharihary ny fahamarinan’ireo teny ireo, rehefa hamarana ny tontolo ratsin’i Satana i Jehovah!
[Sary, pejy 29]
Nampiasain’i Jehovah hiantso an’i Baraka i Debora
[Sary, pejy 31]
Tondraka ny moron’ny Ony Kisona
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 31]
Tendrombohitra Tabara