-
Rota, IFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Azo inoana fa re tamin’ny feon’i Rota hoe somary natahotra izy. Nanome toky azy toy izao i Boaza noho izany: “Izao àry, anaka: Aza matahotra, fa hataoko aminao daholo izay lazainao. Fantatr’izay rehetra eo am-bavahadin’ny fireneko mantsy fa tena vehivavy tsara tokoa ianao.” Efa alina be ny andro, ka nasain’i Boaza natory i Rota. Samy nifoha anefa izy ireo raha mbola maizimaizina ny andro, mba tsy hisian’ny tsaho hanala baraka azy ireo. Nomen’i Boaza vary orza inenin’ny famarana i Rota. Inona no mety ho dikan’izany? Angamba mba hampisehoana fa toy ny andro fiasana enina alohan’ny andro iray fialan-tsasatra izao ny fiainan’i Rota. Kely sisa dia ho afaka hiala sasatra izy, satria hahazo ‘tokantrano hiadanany.’—Rt 3:1, 11-15, 17, 18.
-