Efa ho Avy ny Sakafo ho An’ny Mosarena!
‘MOSARENA inona?’, hoy angamba ianao. Mosarena sakafo ara-panahy! Efa niresaka momba io mosary io toy izao ny mpaminany hebreo fahiny: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah.” (Amosa 8:11) Irahina hitondra sakafo ho an’ny olona mosarena ara-panahy ireo mpianatra 48 tamin’ny kilasy faha-112 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, any New York. Halefa any amin’ny tany 19, amin’ny kontinanta 5 sy nosy samihafa, izy ireo.
Fahalalana sy traikefa ary fampiofanana no hoentin’izy ireo, fa tsy hena sy voa ara-bakiteny. Nianatra be momba ny Baiboly izy ireo nandritra ny dimy volana, mba hanatanjahana ny finoany ho amin’ny asa misionera. Faly nihaino ny fandaharana fizarana diplaoma ho azy ireo ny olona 5 554, tamin’ny 9 Martsa 2002.
Nafana fo tsara i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanokatra ny fandaharana. Noarahabainy manokana ireo vahiny avy any amin’ny tany samihafa, ary nampihariny tamin’ireo misionera vaovao ireo tenin’i Jesosy hoe: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” (Matio 5:14) Hoy ny Rahalahy Lett: ‘“Hanazava” lafiny samihafa amin’ny asa mahatalanjon’i Jehovah ianareo, any amin’ny toerana anendrena anareo, ka hanampy ny olona tso-po hahita ny hatsaran’i Jehovah sy ny fikasany.’ Nampirisihiny hampiasa ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra ireo misionera, mba hampiharihariana ny fahamaizinan’ireo fampianaran-diso sy mba hitarihana ireo mitady ny fahamarinana.
Ny toe-tsaina tsara no ahitana fahombiazana
Nandray fitenenana i Baltasar Perla, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia, taorian’ireo teny fanokafan’ny mpitari-draharaha ireo. Ny voalohany tamin’ireo lahateny natao hanampiana ireo misionera vaovao mba hahomby no nataony. “Mahereza sy Matanjaha ary Mahefà”, no lohatenin’izy io. (1 Tantara 28:20) Notendrena hanao asa sarotra mbola tsy nataony mihitsy i Solomona mpanjakan’ny Isiraely fahiny, dia ny fanorenana tempoly tany Jerosalema. Nataony anefa ilay izy, ary vitany noho ny fanampian’i Jehovah. Hoy ny Rahalahy Perla, nampihatra izany tamin’ireo mpianatra: ‘Tokony hahery sy hatanjaka ianareo, satria nahazo fanendrena vaovao ho misionera.’ Nampahery an’ireo mpianatra indrindra ny fanomezan-toky hoe tsy handao azy ireo mihitsy i Jehovah, raha mbola mifandray akaiky aminy koa izy ireo. Nampihetsi-po ny mpanatrika ny Rahalahy Perla, rehefa namarana ny teniny hoe: ‘Mahavita zavatra tsara ianareo, rehefa misionera. Misionera no nahitanay mianakavy ny fahamarinana!’
“Miantehera Amin’i Jehovah mba Hahombiazana.” Io no lahatenin’i Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana koa. Hanomboka ny asa misionera ireo mpianatra, ka miankina be dia be amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah ny fahombiazany. Nampirisika azy ireo toy izao ny Rahalahy Herd: ‘Nanangona fahalalana ara-baiboly ianareo, nandritra ny fianaranareo teto Gileada. Faly ianareo nandray izany. Tsy maintsy mizara izay nianaranareo anefa ianareo izao, raha tena te hahomby.’ (Asan’ny Apostoly 20:35) Ho afaka hanao izany ireo misionera, rehefa mahafoy tena ho an’ny olona.—Filipiana 2:17.
Inona no torohevitra farany homen’ny mpampianatra azy ireo? Naorin’i Mark Noumair tamin’ny Rota 3:18 ilay lahateniny hoe: “Mitoera Mandra-pahitanao ny Fandehan’ilay Raharaha.” Naka ny ohatr’i Naomy sy Rota ilay mpandahateny, ka nampirisika an’ireo nahazo diplaoma mba hitoky tanteraka amin’ny fandaharana napetraky ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany, sy hanaja ny fahefana napetrak’Andriamanitra. Nanohina ny fon’ireo mpianatra indrindra ny tenin’ny Rahalahy Noumair hoe: ‘Mety tsy ho takatrareo indraindray ny antony nandraisana fanapahan-kevitra mahakasika anareo, na mety hoheverinareo tokoa fa tokony ho hafa ny fomba nitondrana raharaha iray. Inona no hataonareo? Hitsangana handray an-tanana an’ilay raharaha ve ianareo? Sa ianareo “hitoetra”, sy hitoky amin’ny fitarihan’Andriamanitra, ary hino fa ho tsara hatrany ny vokatr’izany?’ (Romana 8:28) Azo inoana fa hahasoa an’ireo misionera vaovao ilay toroheviny hoe ‘mifantoha amin’ny fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, ary aza ny toetran’olona no ifantohana fa ny zavatra ataon’ny fandaminan’i Jehovah.’
Nanao ny farany tamin’ireo lahateny fanokafana i Wallace Liverance, anisan’ny mpampianatra any Gileada sady efa misionera koa. “Aza Variana, Tohizo ny Fanompoana”, no lohatenin’izany. Nolazainy fa hitan’i Daniela mpaminany hoe efa akaiky ny fanavotana ny Isiraelita, satria hitany fa rava i Babylona, ary tadidiny ny zavatra efa nolazain’i Jeremia. (Jeremia 25:11; Daniela 9:2) Fantatr’i Daniela ny fandaharam-potoanan’i Jehovah, ary nanampy azy izany mba tsy ho variana fa hifantoka amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. Hoy anefa ireo Isiraelita tamin’ny andron’i Hagay: “Tsy mbola tonga ny andro.” (Hagay 1:2) Tsy nifantoka tamin’ny famantarana ny andro niainany izy ireo, fa nanjary variana tamin’izay nahasoa azy sy ny fahombiazany kosa, ka najanony ny asa fanorenana ny tempoly, izay antony nanafahana azy ireo tany Babylona. Namarana ny teniny toy izao ny Rahalahy Liverance: “Aza variana àry, fa tadidio foana ny fikasan’i Jehovah.”
Nitarika ny anjara manaraka i Lawrence Bowen, anisan’ny mpampianatra any Gileada. Izao ilay foto-kevitra: “Mitahy An’ireo Mampiasa Ilay Teny Velona i Jehovah.” (Hebreo 4:12) Niresaka momba ny asa fitoriana nataon’ireo mpianatra izy io, ka nanasongadina ny fitahian’i Jehovah an’ireo mampiasa Baiboly rehefa mitory sy mampianatra. Nilaza ilay rahalahy avy eo fa namela ohatra tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra i Jesosy Kristy: ‘Afaka niteny i Jesosy fa tsy ny teniny no nampianariny, fa ny Tenin’Andriamanitra.’ Nanaiky ny fahamarinana ny olona tso-po ary nanao zavatra nifanaraka tamin’izany. (Jaona 7:16, 17) Mbola marina izany ankehitriny.
Mampiofana ho amin’ny asa tsara ny Sekolin’i Gileada
Nanadinadina misionera enina manao fanompoana manontolo andro manokana karazany hafa indray i Richard Abrahamson sy Patrick LaFranca, samy Betelita hatramin’ny ela. Nankahery an’ireo nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-112 ny nandre an’ireo misionera tranainy nilaza fa mbola ampiasain’izy ireo foana ny fampiofanana azony tany Gileada, na inona na inona fanompoana anendrena azy ankehitriny. Anisan’izany ny momba ny fianarana Baiboly sy fanaovana fikarohana, ary ny fomba ifanarahana amin’ny olona.
I Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ilay lahateny fototra hoe “Zava-bita Noho ny Fiaretana ny Fankahalan’i Satana.” Fiaraha-monina kristianina feno fitiavana no niainan’ireo mpianatra nandritra ny dimy volana. Miaina eo anivon’ny fahavalo anefa isika, araka ny nasongadina nandritra ny fianaran’izy ireo. Misy manafika ny vahoakan’Andriamanitra eran’izao tontolo izao. (Matio 24:9) Nampiasa tantara ara-baiboly maro ny Rahalahy Jaracz mba hanasongadinana fa ‘lasibatra manokan’ny Devoly isika. Tsy maintsy manamafy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah isika, ary tsy maintsy matanjaka mba hiatrika fitsapana.’ (Joba 1:8; Daniela 6:5; Jaona 15:20; Apokalypsy 12:12, 17) Namarana ny teniny ny Rahalahy Jaracz, ka nilaza fa na misy hatrany aza ny mpankahala ny vahoakan’Andriamanitra, dia ‘tsy hisy hahomby ny fiadiana foronina hamelezana antsika, araka ny Isaia 54:17. Hataon’i Jehovah izay hamonjena antsika amin’ny fotoana sy ny fomba mety aminy.’
“Vonona tsara” izao ireo nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada faha-112, ka azo antoka fa hanao izay hampihenana ilay mosary ara-panahy any amin’ireo tany hanompoany. (2 Timoty 3:16, 17) Tsy andrintsika izay handrenesana momba ny fomba hizaran’izy ireo ilay hafatra mamelona amin’ireo olona hampiany.
[Efajoro, pejy 23]
ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY
Isan’ny tany nanana solontena: 6
Isan’ny tany nanendrena: 19
Isan’ny mpianatra: 48
Salanisan’ny taona: 33,2
Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 15,7
Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 12,2
[Sary, pejy 24]
Ny Kilasy Faha-112 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana
Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Parotte, M.; Hooker, E.; Anaya, R.; Reynolds, J.; Gesualdi, K.; Gonzalez, J. 2) Robinson, C.; Phillips, B.; Maidment, K.; Moore, I.; Noakes, J.; Barnett, S. 3) Stires, T.; Palmer, B.; Yang, C.; Groothuis, S.; Groppe, T.; Bach, C. 4) Anaya, R.; Soukoreff, E.; Stewart, K.; Simozrag, N.; Simottel, C.; Bach, E. 5) Stewart, R.; Yang, H.; Gilfeather, A.; Harris, R.; Barnett, D.; Parotte, S. 6) Maidment, A.; Moore, J.; Groothuis, C.; Gilfeather, C.; Noakes, S.; Stires, T. 7) Gesualdi, D.; Groppe, T.; Soukoreff, B.; Palmer, G.; Phillips, N.; Simottel, J. 8) Harris, S.; Hooker, P.; Gonzalez, J.; Simozrag, D.; Reynolds, D.; Robinson, M.