-
“Izay Alehanao no Halehako”Tahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
23. Inona no noeritreretin’i Rota rehefa afaka elaela? Ary nahazo nanao inona ny mahantra, araka ny Lalàna? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
23 Rehefa nipetraka elaela tao Betlehema izy mianaka, dia nieritreritra amin’izay i Rota hoe inona no hiveloman-dry zareo. Fantany fa nisy didy natao hitsinjovana ny mahantra, tao amin’ilay Lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita. Nahazo nankeny an-tsaha ny mahantra rehefa fotoam-pijinjana, ka nanaraka ny mpijinja ary naka izay vokatra latsaka sy izay tavela teny amin’ny sisin’ny saha.b—Lev. 19:9, 10; Deot. 24:19-21.
24, 25. Inona no nataon’i Rota rehefa tonga teo amin’ny sahan’i Boaza izy, ary nahoana no tsy mora ny asa nataony?
24 Fotoana fijinjana vary orza tamin’izay, izany hoe volana Aprily tany ho any. Nankeny an-tsaha i Rota ary nijery hoe tanin’iza no azony itsimponana orza. Sendrasendra no nahatongavany teo amin’ny sahan’i Boaza. Lehilahy mpanankarena izy io ary havan’i Elimeleka. Afaka nitsimpona orza avy hatrany i Rota, raha ny Lalàna no jerena. Niera tamin’ilay tovolahy niandraikitra ny mpijinja anefa aloha izy, izay vao niasa.—Rota 1:22–2:3, 7.
-
-
“Izay Alehanao no Halehako”Tahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
b Hafakely io lalàna io ary mbola tsy nahita toy izany mihitsy i Rota. Tsy nisy niraharaha mantsy ny olona maty vady tany amin’ireo firenena nanodidina ny Israely. Hoy ny boky iray: “Voatery niantehitra tamin’ny zanany lahy ny vehivavy maty vady. Raha tsy nanan-janakalahy izy dia tsy maintsy nivarotra ny tenany ho andevo, na nivaro-tena. Mety ho faty mihitsy aza izy.”
-