“An’i Jehovah ny ady”
“Izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.” — 1 SAMOELA 17:45.
1, 2. a) Nisetra fihaikana inona moa ny tafiky ny Isiraely notarihin’i Saoly mpanjaka? b) Inona moa no nataon’ireo miaramilan’ny tafiky ny Isiraely teo anoloan’ny fihaikan’i Goliata, ary iza no niditra an-tsehatra?
NIFANANDRINA ny tafika mahery roa, nosarahin’ny lohasahan’i Ela, any atsimo andrefan’i Jerosalema. Tetsy an-daniny, ny an’ny Isiraely, notarihin’i Saoly mpanjaka vao nandray fiandrianana. Tetsy an-kilany, ny tafika filistina, niaraka tamin’ny lehilahy maheriny, Goliata (azo inoana fa ny dikan’io anarana io dia hoe “miharihary”). Nijoalajoala tamin’ny halavany 2,70 metatra ilay goavana, nirongo fiadiana, ka nihaika ny Isiraely tamin’ny fitenenan-dratsy. — 1 Samoela 17:1-11.
2 Iza no hamaly ny fihantsian’i Goliata? “Ary ny lehilahy rehetra amin’ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.” Indro anefa fa niditra an-tsehatra ny zatovolahy kely iray. Davida no anarany, ka ny dikan’io anarana io dia hoe “malala”. Ny fifikirany tamin-kerim-po tamin’ny rariny dia nahatonga azy ho ‘malalan’i’ Jehovah koa. Efa nanosotra azy mba ho tonga mpanjakan’ny Isiraely amin’ny ho avy i Samoela, ary niasa mafy teo aminy ny fanahin’i Jehovah. — 1 Samoela 16:12, 13, 18-21; 17:24; Salamo 11:7; 108:6.
3. Nanao ahoana avy moa ny fitaovam-piadian’i Davida sy Goliata?
3 Rehefa nandre an’i Goliata “nihaika ny miaramilan’Andriamanitra velona” i Davida dia nanolo-tena mba hiady amin’ilay goavana. Rehefa nahazo lalana avy amin’i Saoly izy dia nandroso nanatona ilay fahavalony. Tsy nitondra ny fiarovan-tena sy ny fiadian’ny mpiady tamin’ny androny natolotr’i Saoly azy anefa izy: ny fitaovany dia tehina, antsamotady sy vato kilonjy dimy. Goliata kosa anefa dia nitana lefona nilanja fito kilao ary nanao ankanjo fiarovan-tratra 57 kilao. Sady nandroso ilay Filistina nialohavan’ny lehilahy nitondra ny ampingany no “nanozona an’i Davida tamin’ireo andriamaniny”. — 1 Samoela 17:12-44.
4. Ahoana no namalian’i Davida ny fihaikan’ilay goavana?
4 Ho valiny, dia namerina tamin’ilay goavana ny fihaikany i Davida ka niantsoantso hoe: “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa Izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tànako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ny miaramilan’ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. Ary ho fantatr’izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’i Jehovah; fa AN’I JEHOVAH NY ADY, ary hanolotra anareo ho eo an-tànanay Izy.” — 1 Samoela 17:45-47.
5. Ahoana moa no niafaran’ny ady, ary an’iza ny voninahitra tamin’izany?
5 Nandroso tamim-pahasahiana ho amin’ny ady i Davida. Nahavoa ny nokendrena ilay vato ka potraka ilay goavana. Namaly soa ny finoana sy ny herim-pon’i Davida i Jehovah tamin’ny fitarihana tsy nisy diso ilay zavatra kely natoraka ho eo amin’ny handrin’ilay Filistina. Rehefa avy eo dia nitsangana i Davida, namoaka ny sabatr’i Goliata mbola tao amin’ny tranony ka nanapaka ny lohany. Tamin’izay no nitranga ny fisafotofotoana tao amin’ny toby nanohitra: vaky nandositra ny Filistina. Tena afaka nilaza toy izao i Davida: “AN’I JEHOVAH NY ADY.” — 1 Samoela 17:47-51.
6. a) Nahoana moa no nataon’i Jehovah izay hitahirizana ny fitantarana amin’ny andinindininy an’io ady io? b) Mila fanomezan-toky inona moa ireo mpanompon’Andriamanitra enjehin’ny fahavalo azo ampitahaina amin’i Goliata?
6 Nahoana moa Jehovah no nanao izay hitahirizana ao amin’ny Teniny ny fitantarana amin’ny andinindininy ny amin’ny ady iray nitranga, 3 000 taona lasa teo ho eo izay? Satria, araka ny nolazain’ny apostoly Paoly amintsika, “izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina”. (Romana 15:4.) Amin’izao androntsika izao, dia mpanompo mahatokin’Andriamanitra maro no miaritra fanevatevana sy fanenjehan’ny fahavalo sahala amin’i Goliata tsy misy fitsaharana. Arakaraka ny hamaroan’ny fitsapana no ilàn’ny tsirairay avy amintsika ny fampiononana entin’izao fanomezan-toky izao: “AN’I JEHOVAH NY ADY.”
Ny raharaha ny amin’ny fiandrianana
7. Raharaha inona moa no mahaliana ny fitambaran’ny olon’Andriamanitra any amin’ny firenena rehetra, ary nahoana?
7 Nandroso tamim-pireharehana i Goliata tamin’ny androny mba hihaika ny Andriamanitry ny Isiraely. Toy izany koa, amin’izao taonjato faha-20 izao, dia nisy karazam-panapahana tsy refesi-mandidy nanandra-tena tamin’ny fihaikana an’i Jehovah tao amin’ny fiandrianany sy tamin’ny fanandramana nampitahotra ireo mpanompony mba hanolorany karazam-pankalazana ho an’ny fanjakana. Mitana ny sain’ny olon’Andriamanitra io raharaha io any amin’ny firenena rehetra. Inona no antony? Satria ny andron’ny Jentilisa na “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” resahin’ny Baiboly dia nifarana tamin’ny 1914. Tamin’izay no nanomboka ny fotoan’ny “fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra”. (Lioka 21:24-26; MN, Osty.) Nanomboka ny andron’ny Jentilisa rehefa nanomboka nanitsaka ilay Jerosalema teto an-tany ireo firenena, tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ka naharitra 2520 taona izany avy eo, tamin’ny 1914, dia nanendry an’i Jesosy i Jehovah ka nanao azy ho Mpanjaka mesianikan’i Jerosalema any an-danitra. — Hebreo 12:22, 28; Apokalypsy 11:15, 17a.
8. a) Moa ve ireo mpanjaka amin’ny tany nankatò ny baiko ara-paminaniana mandidy azy ireny mba ‘hanompo an’i Jehovah amin-tahotra’? b) Mpanao politika mahery iza amin’izao andro izao no mihaika an’i Jehovah sy manandrana mampanaiky ireo vavolombelony amin’ny alalan’ny hery?
8 Tamin’ny 1914, dia nitranga ny fiovana lehibe. Tokony hifandahatra amin’Andriamanitra izao ireo firenena jentilisa. Kanefa, moa ve ireo ‘mpanjaka’ nanjaka tamin’izany fotoana izany nankatò ny baiko ara-paminaniana mandidy azy ireo mba ‘hanompo an’i Jehovah amin-tahotra’? Nanaiky ilay Mpanjaka vao notendreny ve izy ireo? Tsia. Mifanohitra amin’izany kosa fa “miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany”, Jesosy, izy ireo. Nitady hanome fahafahampo ny faniriany laza izy ireo ka ‘nitabataba’ tamin’ny filatsahana hanao ny Ady Lehibe tamin’ny 1914-1918 (Salamo 2:1-6, 10-12). Hatramin’izao andro izao, dia niteraka ady teo amin’ny olombelona ny hetahetam-panapahana. Araka izany, izao tontolo izaon’i Satana dia manohy mamoaka olo-mahery ara-politika azo ampitahaina amin’ny lehilahy havan’i Goliata, dia ny Refaima. Mihaika an’i Jehovah ireo fitondrana tsy refesi-mandidy ary manandrana mampanaiky ireo vavolombelony amin’ny alalan’ny hery. Tsy miova anefa fa mbola an’i Jehovah ihany ny ady. — 2 Samoela 21:15-22.
Saoly amin’ny andro ankehitriny
9. Iza moa amin’izao androntsika izao no manao tahaka an’i Saoly mpanjaka, ary inona no mamela antsika hilaza izany?
9 Mampiseho an’iza moa i Saoly mpanjaka ao amin’ny fampitahana vao nataontsika teo? Aoka hotadidiantsika fa fotoana fohy talohan’izay dia tapa-kevitra i Jehovah ny ‘hanatriatra ho afaka aminy ny fanjakan’Isiraely’, ary izany dia noho ny fitiavany fikomiana (1 Samoela 15:22, 28). Avy eo, teo anoloan’ny fihaikan’i Goliata, dia tsy mba niaro ny fiandrianan’i Jehovah i Saoly. Tatỳ aoriana, dia nenjehiny ilay mpandresy an’i Goliata, dia Davida, izay nohosoran’i Jehovah mba handimby azy teo amin’ny seza fiandrianan’ny Isiraely. Izany dia fitondrantena mitovy dia mitovy amin’ny an’ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Noho ny nialany tamin’ny fahamarinana araka ny Baiboly, dia meloka aoka izany ho mivadi-pinoana izy; ‘tsy manaiky ny vaovao tsara’ ny amin’ny Tompontsika sy ny Fanjakany tokoa izy. Tsy miaro velively ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao izy fa nanenjika tamin-kalozana ireo vavolombelony voahosotry ny fanahy sy ny naman’ireo, dia ny anisan’ny olona betsaka. ‘Amin’ny fahatezerany’ no hanafoanan’i Jehovah ireny mpivadi-pinoana ireny. — 2 Tesaloniana 1:6-9; 2:3; Hosea 13:11.
10. a) Taratasy inona moa no navoakan’ny mpitondra fivavahana lohandohany tany Londres tamin’ny 1918? b) Tsy nanao araka an’io taratasy io ny klerjy fa inona no fitsipi-pitondrantena narahiny?
10 Nibaribary ny faneken’ny klerjy lembenana nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Nazava fa teo am-pahatanterahana ny faminanian’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25 sy ao amin’ny Lioka toko faha-21. Raha ny marina, tamin’ny 1918, dia nisy mpitondra fivavahana lohandohany, solontenan’ny Fiangonana batista, kongregasionalista, presbyteriana, episkopaliana sy metodista, nivory tany Londres ka namoaka taratasy nahitana izao fanambarana izao: “Manamarika ny faran’ny andron’ny Jentilisa ny fahasahiranana ankehitriny.” Tsy nanohy ny teniny anefa ireny mpitondra fivavahana ireny. Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia efa nanohana aoka izany ny andaniny roa. Avy eo, dia tsy nanaiky ny fanatrehan’i Jesosy ao amin’ny herin’ny Fanjakana izy fa nanaraka ny fomba fisainan’ireo firenena; araka io fomba fisainana mampiavaka an’izao tontolo izao io, dia tsara ho an’ny olombelona ny hotapahin’ny hery ara-politika mampisaratsaraka azy ireny, na dia olon-dozabe tahaka an’i Goliata aza izany, toy izay ho tafaray noho ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 25:31-33.
Tsy misy fanekena lembenana
11. Olona iza no tsy nanaiky lembenana raha ny amin’ny raharaha momba ny fiandrianana? Ohatra navelan’iza no arahin’ireny olona ireny?
11 Raha ny amin’ny raharaha momba ny fiandrianana, moa ve ireo mpanompon’Andriamanitra be fandavan-tena voatarika hanaiky lembenana? Azo antoka fa tsy izany, araka ny asehon’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mazava (Daniela 3:28; 6:25-27; Hebreo 11:32-38; Apokalypsy 2:2, 3, 13, 19). Amin’izao androntsika izao, ireo kristiana mahatoky dia miaro ny fiandrianana sy ny Fanjakan’i Jehovah na dia ao aza ireo fiampangana sy fanenjehana tamin-kalozana atambesatr’i ‘Goliata’ mpampijaly eo amin’izy ireo. Amin’izany no anarahany ny dian’i Jesosy “Zanak’i Davida”, izay nandray anjara tamim-paharisihana tamin’ny ady ara-panahy ho an’ny fiandrianan’i Jehovah, sady nialanalana tanteraka hatrany teo anoloan’ny ady sy ny politikan’izao tontolo izao. Nivavaka tamin’ny Rainy i Jesosy ka nanambara fa, sahala aminy, ireo mpianany, ny kristiana marina, dia “tsy naman’izao tontolo izao”. — Matio 4:8-10, 17; 21:9; Jaona 6:15; 17:14, 16; 18:36, 37; 1 Petera 2:21.
12. a) Iza no nanjera an’i ‘Goliata’ amin’ny andro ankehitriny, ary ahoana no nitrangan’izany? b) Koa satria voazera ‘Goliata’ araka ny fiheveran’izy ireo, inona moa no nataon’ireo mpanompon’i Jehovah?
12 Ny sisa amin’ireo kristiana voahosotry ny fanahy, ilay Davida amin’ny andro ankehitriny, dia nandresy an’ilay ‘Goliata’ tamin’ny androny. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fanambarana tsy misy fihambahambana ny fiandaniany tamin’i Jehovah tao amin’ny fiadian-kevitra momba ny fanapahana maneran-tany. Ny “FANAPAHAN-KEVITRA (nolanin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena tamin’ny fivoriany tany Cedar Point [Ohio] tamin’ny alahady 10 septambra 1922)” dia nanorina ny modely tokony harahina. Toy izao ny tapatapany aminy:
“10) Hamarininay sy hamafisinay koa fa isika izao dia ao anatin’ny andro famalian’Andriamanitra ny empira hita maso sy tsy hita mason’i Satana;
“11) Fa tsy mety ho vita tanteraka ny fanarenana indray an’izao tontolo izao tonta na ny toe-javatra tranainy; fa tonga eo amin’ny fotoana tokony hanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy isika izao; ary ny fanapahana rehetra sy ny fandaminana rehetra izay tsy manaiky an-tsitrapo tanteraka ny fanapahana marin’ny Tompo, dia hofoanana.”
Tsy isalasalana fa “Ilay Zanak’i Davida” izay mitarika ny kongregasiona kristiana, dia niahy ny amin’ny hanipazana an’io “vato” io, dia ny fahamarinan’ilay Fanjakana (Matio 12:23; Jaona 16:33; Kolosiana 1:18). Tao anatin’ireo fivoriambe fanao isan-taona natao tamin’ny 1922 ka hatramin’ny 1928, dia nisy fanapahan-kevitra nolanina mba hanamafisana izany toerana noraisina izany. Araka ny fiheveran’ny olon’i Jehovah, dia tena nazera, notapahin-doha tokoa ‘Goliata’. Ireo mpitondra olombelona tsy refesi-mandidy dia tsy afaka nanery hanaiky lembenana ireo mpiaro be herim-po ny fiandrianan’i Jehovah. — Jereo Apokalypsy 20:4.
13. a) Nanjary meloka ho nanaiky lembenana tamin’inona moa ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana teo ambany fampahorian’i Alemaina hitleriana? b) Inona no azo vakina momba ny tsy fivadihan’ny Vavolombelona tao amin’ny boky iray amin’ny teny anglisy?
13 Alemaina hitleriana dia manome antsika ohatra manaitra ny amin’ny herisetra nasehon’ny fitondrana sasany, tena ‘Goliata’ amin’ny andro ankehitriny. Ireo fivavahana lehibe roa ao amin’ilay tany, katolika sy protestanta, dia nanjary meloka tamin’ny fomba nahatsiravina ho nanaiky lembenana, tamin’ny fanarahana ny nazisma, tamin’ny fanindrahindrana ilay filoha, tamin’ny fitsaohana ny saina voaravaky ny lakroa “gammée” sy tamin’ny fitsofan-drano ireo miaramila hamono ny mpiray finoana aminy avy ao amin’ireo tany manodidina. Azon’ny fientanana hirehitra amin’ny politika ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny fitambarany. Nihatakataka kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no azo vakina ao amin’ny boky iray amin’ny teny anglisy (Mothers in the Fatherland): “[Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nirahina]) ho any amin’ireo toby fitanana, arivo no novonoina ary arivo no maty teo anelanelan’ny 1933 sy 1945. (...) Ny katolika sy ny protestanta dia samy nandre ny fitaoman’ny klerjiny hiara-hiasa amin’i Hitler. Matoa nisy sasany nanohitra, dia satria nanao izany izy ireo tamin’ny tsy fankatoavana ny baikon’ny Fiangonana sy ny Fanjakana.” Samy nivesatra trosan-dra lehibe na ny Fiangonana na ny Fanjakana. — Jeremia 2:34b.
14. Nahoana moa no enjehina matetika ny Vavolombelon’i Jehovah?
14 Amin’izao andro izao koa, araka ny nambaran’i Jesosy, any amin’ny tany maro ny Vavolombelon’i Jehovah dia iharam-pahavoazana noho izany fampahoriana amin-kalozana izany. Kanefa, na manao ahoana na manao ahoana toe-piainany, ireny kristiana ireny dia manohy mitory amin-jotom-po ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”. (Matio 24:9, 13, 14.) Ny hafahafa indrindra dia satria saika hatraiza hatraiza ny Vavolombelona dia heverina ho olom-pirenena manao ny marina, manana fiainana tsara, sy manaja ny lalàna sy ny filaminana amin’ny fomba faka tahaka (Romana 13:1-7). Matetika anefa izy ireny no enjehina. Nahoana? Satria noho izy tsy manolotra fanompoam-pivavahana afa-tsy ho an’i Jehovah ihany, dia tsy mety mitsaoka na miondrika eo anoloan’ny marika mampiseho ny Fanjakana izy ireo (Deoteronomia 4:23, 24; 5:8-10; 6:13-15). Tsy nanaiky lembenana mihitsy izy ireo, fa manolotra fankalazana ho an’i Jehovah “irery ihany” ary mihevitra azy ho Mpanjaka Tompon’ny fiainany (Matio 4:8-10; Salamo 71:5; 73:28). Noho izy ireny “tsy naman’izao tontolo izao”, dia mitana fialanalanana kristiana tanteraka izy eo anoloan’ny ady sy ny fihetsiketsehana ara-politika eo amin’izao tontolo izao. — Jaona 15:18-21; 16:33.
15, 16. a) Ohatra inona moa no azon’ny Vavolombelona samy hafa taona arahina rehefa mandrahona azy ilay ‘Goliata’ amin’izao androntsika izao, ary ahoana no nanaporofoan’ny zazavavy kely enin-taona izany? b) Tian’ny kristiana hitovy amin’iza moa ireo zanany kely?
15 Matetika ny ‘Goliata’ amin’izao androntsika izao no mandrahona ireny kristiana tsy mivadika ireny, izay mivavaka amin’i Jehovah sy manary ny fanao misy fanompoan-tsampy (jereo Apokalypsy 13:16, 17). Kanefa, na firy taona izy na firy taona, ny Vavolombelona dia afaka manaraka ny ohatra nomen’i Davida ka mamaly tsy amin-tahotra ny fihaikana. Any amin’ny tany iray any Amerika latina no onenan’ny zazavavy kely iray enin-taona izay, nanomboka hatramin’ny fahazazany dia nahazo fanabeazana kristiana tsara dia tsara (jereo Efesiana 6:4; 2 Timoty 3:14, 15), ka izany dia nahatonga azy ho ny mpianatra tsara indrindra tao an-dakilasiny. Kanefa, ny fieritreretany voataizan’ny Soratra Masina dia nitarika azy tsy hety handray anjara tamin’ny fombafomba fankalazana sasany nalamin’ny sekoliny, satria voamariky ny fanompoan-tsampy izy ireny. Ny mpampianatra azy izay nanazavany ny toerany dia namaly azy fa mbola kely loatra ny zazavavy tahaka azy raha hanana feon’ny fieritreretana. Nasehon’ilay zazavavy kely taminy fa diso hevitra izy tamin’ny fanaovana fanambarana nanaitra taminy.
16 Azo antenaina fa ny ray aman-dreny kristiana rehetra dia manabe ny zanany kely mba hanarahan’izy ireny ny ohatra nomen’i Davida zatovo ka hanaovany fanapahan-kevitra eo anoloan’ny fandrahonan’i ‘Goliata’ amin’ny andro ankehitriny. Enga anie ireny ankizy ireny mba hitondra tena amim-pahatokiana tahaka ireo Hebreo tanora telo lahy sy Daniela ary olona be herim-po maro hafa koa lazain’ny Soratra masina amintsika fa ‘nitana fieritreretana tsara’ ary nanaja ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly! — 1 Petera 2:19; 3:16; Daniela 3:16-18.
Ny fomba fijerin’ny Tantara
17. a) Inona moa no nolazain’ilay mpanoratra tantara anglisy atao hoe Arnold Toynbee momba ny androntsika? b) Ahoana moa no isedran’ny kilasin’i ‘Goliata’ amin’ny andro ankehitriny ny tsy fivadihan’ireo mpanompon’Andriamanitra?
17 Nanoratra ilay mpanoratra tantara anglisy atao hoe Arnold Toynbee fa manangasanga amin’izao androntsika izao “ny endriny mampidi-doza amin’ny fanompoan-tsampy atao ho an’ireo Fanjakana manana fiandrianam-pirenena”; izany fanompoam-pivavahana izany dia nantsoiny hoe “masirasira marikivy amin’ny divay vaovaon’ny demokrasia atao ao anatin’ny siny hoditra tranainin’ny fanindrahindram-poko”. Ampiasaina ireo izay milaza fa ambony noho ny an’ny hafa rehetra ny fireneny ka tonga hatramin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’ny fanjakana. Eny, nifehy azy ireny ireo olona manapaka eo aminy mba hanaovana azy ho fiasana amin’ny politikany, tsara na ratsy. Noho izany, dia nipoitra ny kilasin’i ‘Goliata’ ary nisedra ny fahatokian’ireo mpanompon’Andriamanitra izay tia ny taniny, nefa tsy mety manolotra fankalazana ho an’ny fanjakana na ireo marika mampiseho azy.
18. Fanontaniana lehibe inona avy no mitranga ao amin’ny fieritreretan’ny kristiana amin’izao andro izao?
18 Sahala amin’ny hita taloha tany Alemaina nazia, dia misy fanontaniana lehibe mitranga ankehitriny ao amin’ny fieritreretan’ny kristiana: Moa ve ny taniko manana ny fankasitrahan’Andriamanitra kokoa noho ny tany hafa? Araka ny fandrindran-kevitra na araka ny mety mihitsy aza ve, indrindra fa amin’izao androntsika mampidi-doza indrindra eo amin’ny tantaran’olombelona izao, ny hiheverana tapany kely amin’ny gilaoby ho ambony noho ny hafa rehetra, na ny sasany amin’ny fianakavian’olombelona ho ambony noho ny hafa rehetra.
19. Ahoana moa no fiheveran’ilay Mpanao tantara tampony, Jehovah, ny firenena iray izay misaina sy manao zavatra toy ny hoe ambony noho ny firenena hafa rehetra izy?
19 Aoka hodinihintsika ny hevitr’ilay Mpanao tantara tampony, Jehovah Andriamanitra, Mpanao ny Baiboly. Izao no lazain’ny apostoly Petera amintsika ny amin’izany: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Ambonin’izany, moa ve isika tsy tokony hiaina mifanaraka foana amin’ireto teny nomen’ny Mpamorona ny apostoly Paoly tamin’ny tsindrimandry ireto: “Ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny [Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra.”? Nahoana moa ny firenena iray no hihevitra sy hanao zavatra toy ny hoe ambony noho ny hafa rehetra izy? Nampiaraka ny tenany tamin’ny olombelona amin’ny fitambarany i Paoly ka nilaza hoe: “Terak’Andriamanitra isika.” — Asa. 10:34, 35; 17:26, 29.
20. Ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’i Jehovah, tsy hiharan’ny fihaikan’iza intsony moa ireo mpanompon’Andriamanitra, ary inona no resahin’ny fianarana manaraka?
20 Ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’i Jehovah, ireo izay tia ny rariny dia tsy hahita fihaikan’ireo fandaminana ara-politika tsy refesi-mandidy azo ampitahaina amin’i Goliata intsony, satria ho lasa ny fankahalana sy ny fiavonavonana mpiaraka (Salamo 11:5-7). Na aiza na aiza iainany maneran-tany, ireo mpanompon’Andriamanitra dia efa niala tamin’ireny fihetseham-po mampiseho fanindrahindrana ny firenen’ny tena ireny: arahiny ny baikon’i Jesosy mandidy azy ireo mba ‘hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo’. (Jaona 13:34, 35; Isaia 2:4.) Asehon’ny fianarana manaraka ny hoe karazam-pitiavana manao ahoana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa ny amin’io tapany amin’ny fandaharan-taona araka ny Baiboly io, dia aza fady mba jereo ao amin’ny pejy faha-129 ka hatramin’ny faha-138 amin’ilay boky hoe “Ho tonga anie ny fanjakanao!” navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Nisy Vavolombelon’i Jehovah, tanora sy efa be taona kokoa, namaly ny fihaikan’i ‘Goliata’ nazia ka tsy nivadika hatrany. Ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1974, pejy faha-117 ka hatramin’ny faha-121, 163 ka hatramin’ny faha-168, dia mirakitra, amin’ny endriky ny fitantarana mahavariana, ny fiainan’ny sasantsasany amin’izy ireny.
Famerenana
◻ Mampiseho inona moa Goliata goavana lozabe?
◻ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa tsy manaiky lembenana ireo mpanompon’Andriamanitra raha ny amin’ny raharaha momba ny fiandrianana?
◻ Nahoana moa ireo mpanompon’Andriamanitra no afaka milaza fa voazera ilay ‘Goliata’ amin’ny andro ankehitriny?
◻ Iza moa no manao tahaka an’i Saoly mpanjaka, ary inona no mahatonga antsika ho afaka hanantitrantitra toy izany?
◻ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa nanao tahaka an’i Davida ireo mpanompon’i Jehovah teo anoloan’ny fampahorian’i ‘Goliata’ amin’ny andro ankehitriny?