ABELA-MEHOLA
(Abèla-mehòla) [Reniranon’ny Fandihizana].
Tanàna niavian’i Elisa. Tany izy no hitan’i Elia niasa tany, ka nohosorany ho mpaminany handimby azy.—1Mp 19:16-19.
Efa talohan’izay no voaresaka i Abela-mehola, tamin’i Gideona sy ny andia-miaramilany nandresy ny Midianita izay nisomaritaka nandositra ka tonga “hatrany amin’ny sisin’i Abela-mehola, any akaikin’i Tabata.”—Mpts 7:22.
Tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana no nisy an’io Tabata io. Niezahana nofantarina àry, tamin’ny 1951, raha i Tell el-Maklob eo amin’ny Lohasaha Falehan-driaka el-Yabis tokoa io Abela-mehola io. Ankoatra izany, dia lazaina koa fa rehefa niala tao Horeba i Elia dia nijanona tao Abela-mehola mba hanosotra an’i Elisa ary mbola nirahina hankany “an-tany efitr’i Damaskosy” mba hanosotra an’i Hazaela ho mpanjakan’i Syria. (1Mp 19:15) Tany atsinanan’i Jordana no nisy ny lalambe nampitohy an’i Horeba sy Damaskosy, na dia nanakana an’io lalambe io aza indraindray ny mpifindrafindra monina.
Asehon’ny Mpitsara 7:22 anefa fa tany andrefan’i Jordana (fa tsy tany atsinanana) no nanenjehan’i Gideona an’ireo Midianita. (Jereo Mpts 7:24.) Asehon’ny Baiboly koa fa tsy tonga dia nankany an-tany efitr’i Damaskosy i Elia, fa i Elisa mpandimby azy kosa no nankany tatỳ aoriana. (1Mp 19:15-19; 2Mp 8:7-13) Izany no mahatonga ny boky jeografia sasany hilaza fa tany andrefan’i Jordana no nisy an’i Abela-mehola fa tsy tany atsinanana. (Ny Toetoetry ny Toerana Resahin’ny Testamenta Taloha, nataon’i J. Simons, Leyde, 1959; Jeografian’ny Baiboly, nataon’i Baly, 1957; ary ny Sarintanin’ny Baiboly, nataon’i L. Grollenberg, 1956) Samy nilaza i Jérôme sy Eusèbe (taonjato fahefatra tany ho any) fa toerana iray tany amin’ny 15 km tany atsimon’i Beti-sana (any andrefan’i Jordana) i Abela-mehola. Hoy i Y. Aharoni ao amin’ny bokiny: “Azo antoka kokoa ankehitriny ny filazana an’i Abela-mehola ho i Tell Abou Sosa, eo amoron’i Jordana [morony andrefana], ary 15 km any atsimon’i Beti-sana.” (Ilay Tany Resahin’ny Baiboly, nadika sy nataon’i A. Rainey, 1979, p. 313) Tsy lavitra eo no misy ny lemak’i Beti-sana. Midadasika izy io ka mety tsara hanaovana fambolena sy fiompiana.—Ampit. 1Mp 19:19.
Toa tany andrefan’i Jordana koa i Abela-mehola, satria anisan’ny faritra fahadimy niadidian’ny lehibem-paritra tamin’ny andron’i Solomona izy io, ary voatonona miaraka amin’ny toerana hafa tany andrefan’i Jordana. (1Mp 4:12) Azo inoana fa avy any i Adriela Meholatita vinantolahin’i Saoly. (1Sa 18:19; 2Sa 21:8) Ireo dihy tamin’ny fety fankalazana ny fiakaran’ny vokatra angamba no nahatonga ny anarana hoe Abela-mehola.