-
MpaminanyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Notendren’ny fanahin’i Jehovah ny mpaminany, kanefa tsy hoe avy amin’ny fanahy daholo ny teny nolazainy. Indraindray kosa vao ‘tonga taminy’ ny fanahin’Andriamanitra, sy nampahafantatra azy izay tokony holazainy. (Ezk 11:4, 5; Mi 3:8) Nanentana azy hiteny io fanahy io. (1Sa 10:10; Je 20:9; Am 3:8) Nanao zavatra tsy nahazatra izy sady hita tamin’ny teniny sy ny fihetsiny hoe nafana fo sy nientanentana be izy. Izany angamba no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘manao hoatran’ny mpaminany.’ (1Sa 10:6-11; 19:20-24; Je 29:24-32; ampit. As 2:4, 12-17; 6:15; 7:55.) Hafahafa na adaladala mihitsy aza angamba no fahitan’ny olona azy, noho izy sahisahy sy be zotom-po ary nifantoka tanteraka tamin’ny asa nanirahana azy. Izany, ohatra, no fahitan’ireo lehiben’ny tafika an’ilay mpaminany tonga nanosotra an’i Jeho. Ninoan’izy ireo anefa ny tenin’ilay lehilahy, rehefa fantatr’izy ireo hoe mpaminany izy. (2Mp 9:1-13; ampit. As 26:24, 25.) “Nanao hoatran’ny mpaminany” koa i Saoly rehefa nanenjika an’i Davida. Nesoriny ny akanjony ary nandry “nitanjaka [izy] nandritra iny andro iny sy ny alina tontolo”, ka afa-nandositra i Davida. (1Sa 19:18–20:1) Tsy hoe fanaon’ny mpaminany ny nandeha nitanjaka, satria ny mifanohitra amin’izany no resahin’ny Baiboly. Mpaminany roa monja no voalaza fa nandeha nitanjaka, ankoatra an’i Saoly, mba hampisehoana ny fomba hahatanterahan’ny faminaniany. (Is 20:2-4; Mi 1:8-11) Tsy hay hoe nahoana i Saoly no nitanjaka. Tiana haseho angamba hoe toy ny olon-drehetra ihany izy rehefa tsy nanao ny akanjon’ny mpanjaka, ary tsy afa-nanoatra nanoloana ny fahefana sy ny herin’i Jehovah Mpanjaka.
-
-
SaolyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ny fifandraisan’izy sy Davida. Nivoaka mba hiady tamin’ny Israelita ny Filistinina taorian’izay. Nitoby teo amin’ny andaniny iray tamin’ny Lemaka Ivan’i Elaha izy ireo, fa ny miaramilan’i Saoly Mpanjaka kosa teo amin’ny ankilany. Nivoaka marain-tsy hariva avy tao an-toby i Goliata, nandritra ny 40 andro, mba hila ady tamin’ny Israely ary nangataka lehilahy iray hiady taminy indray mandeha monja. Nampanantena i Saoly hoe homeny harem-be izay lehilahy israelita nahafaty an’i Goliata, ary homeny ho vadiny ny zanany vavy. Hataony “afaka amin’ireo adidy” koa ny ankohonan-drain’izany lehilahy izany, ka angamba afaka tamin’ny hetra sy ny fanompoana tsy maintsy natao. (Ampit. 1Sa 8:11-17.) Tonga teo i Davida nitondra sakafo ho an’ireo rahalahiny sy anjara ho an’ny lehiben’ny arivo (angamba ilay mpitari-tafika lehiben’ireo rahalahiny). Nanontany azy ireo i Davida, ary hita tamin’ny fanontaniany fa vonona hiady izy mba hamaliana an’i Goliata. Nentina teo amin’i Saoly àry izy, ary nandresy an’i Goliata avy eo.—1Sa 17:1-58.
-