-
Noresahiny Tamin’i Jehovah Izay Rehetra tao Am-ponyTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
15, 16. a) Nanao ahoana i Hana rehefa avy nivavaka? b) Inona no azontsika atao raha kivy be isika?
15 Nanao ahoana i Hana rehefa avy nilaza izay rehetra tao am-pony tamin’i Jehovah, tao amin’ny tranolay? Hoy ny 1 Samoela 1:18: “Lasa nandeha tamin’ny nalehany izy ka nihinan-kanina. Ary hita tamin’ny endriny fa tsy niady saina intsony izy.” Lasa maivamaivana i Hana. Toy ny hoe nafindrany teo an-tsoroky ny olona matanjaka be noho izy ny fahoriana nanavesatra azy. (Vakio ny Salamo 55:22.) Mety hisy olana tsy ho zakan’ilay Raintsika tokoa ve? Tsy misy mihitsy, na tamin’izany, na amin’izao, na ho mandrakizay!
16 Misy olana mahakivy be anao na mila tsy ho zakanao ve? Tahafo i Hana, ka lazao amin’ilay “Mpihaino vavaka” izay ao am-ponao. (Sal. 65:2) Mila mino anefa ianao hoe hamaly anao izy. Tsy halahelo be intsony ianao amin’izay, fa hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.”—Fil. 4:6, 7.
-
-
Noresahiny Tamin’i Jehovah Izay Rehetra tao Am-ponyTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
18 Ary oviana no hitan’i Penina hoe tsy nampalahelo an’i Hana intsony ny zavatra nataony? Marina fa tsy mamaly an’izay ny Baiboly, nefa lazainy kosa hoe “tsy niady saina intsony” i Hana. Lasa falifaly sy tsy niferinaina intsony àry izy, ka azo antoka fa tsy ela dia hitan’i Penina hoe tsy nandaitra intsony ny tetika nataony. Ny Baiboly aza tsy miresaka an’i Penina intsony taorian’izay.
-