-
Ilay Vehivavy MalinaTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
10 Tena sahirana ny miaramilan’i Davida, nefa tsy nangalarany mihitsy ny ondrin’izy ireo, na dia mora taminy aza izany. Niaro ny andian’ondrin’i Nabala sy ny mpanompony kosa aza ry Davida, ka toy ny manda nanodidina azy ireo. (Vakio ny 1 Samoela 25:15, 16.) Be dia be mantsy ny zavatra nampidi-doza tamin’izany. Feno biby masiaka, ohatra, tany. Akaikin’ny sisin-tany atsimon’i Israely koa ilay toerana, ka matetika ny mpiandry ondry no notafihin’ny mpangalatra avy any an-tany hafa.b
-
-
Ilay Vehivavy MalinaTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
b Fikasan’i Jehovah ny hipetrahan’ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba tao Israely. Nanao fanompoana masina àry izay niaro an’ilay tany tamin’ny mpandroba. Azo inoana fa izany no nahatonga an’i Davida hiaro ny olona tao, mba tsy ho lasan’ny mpangalatra ny taniny sy ny ondriny.
-