Miresaka tokoa amin’ny maty ve izy ireo?
INDRAINDRAY ny ekipa breziliana amin’ny baolina kitra dia mangataka ny fanampian’ny mpanao azy ho tsindrian-javatra. Ny mpilalao tokoa dia matahotra ny ho resin’ireo mpifanandrina aminy ka maniry hahazo torohevitra. Araka ny gazety iray, dia “olona an-tapitrisany maro no taomin’ny fahafahana hiresaka mivantana amin’izao tontolo izao mahery noho ny olombelona, noho ny fanantenana ny hahalamina ny karazan-java-manahirana rehetra”. Any amin’ny tany sasany, dia mpanao politika ambony toerana sy olo-malazan’ny fampisehoana ary mpandraharaha no mila hevitra tsy tapaka amin’ny mpanao spiritisma. Na mba hahazoana fanasitranana, na mba handresena fahasahiranana ara-bola, dia olona betsaka no manandrana mifandray amin’ny maty, izay heverina fa manana fahaizana ambony.
Nefa moa ve manao tsara izay mitady hiresaka amin’ny maty? Azo atao marina tokoa ve izany? Moa ve izany mampidi-doza? Ny valin-teny omen’ny Baiboly angamba dia hanaitra anao.
Izay niseho tamin’i Saoly
Aoka hodinihintsika ity zava-niseho marina voalazan’ny Baiboly ity: Very hevitra noho ireo Filistina fahavalony Saoly, mpanjakan’ny Isiraely fahiny, ka nankeo amin’ny vehivavy iray manao azy ho tsindrian-javatra tao Andora. Nangataka azy mba hifandray amin’i Samoela mpaminany izay efa maty izy. Rehefa nilazalaza taminy ny amin’ny lahy antitra iray mikapaoty ilay vehivavy, dia noheverin’i Saoly ho Samoela izany fahitana izany. Ny hafatra nampitaina taminy dia ny hoe hatolotra eo an-tanan’ny Filistina ny Isiraely ary ny ampitson’io Saoly sy ny zanany dia ho any amin’i “Samoela”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia ho faty ao amin’ny ady izy ireo (1 Samoela 28:4-19). Tanteraka ve ilay faminaniana?
Tsy ara-bakiteny. Marina fa naratra mafy Saoly nandritra ny ady tamin’ny Filistina, nefa maty noho ny namonoany tena izy (1 Samoela 31:1-4). Ankoatra izany, Isboseta zanakalahiny dia tsy maty, mifanohitra amin’ilay faminaniana izay nilaza fa ho faty miaraka aminy ny zanany lahy rehetra.
Alohan’ny zava-drehetra anefa, nety ve ny nanontany ny maty? Tsia. Ny Baiboly dia milaza hoe: “Maty Saoly noho ny nivadihany (...) sy noho ny nakany saina tamin’izay manao azy ho tsindrian-javatra.” (1 Tantara 10:13). Fianarana inona no azo tsoahina avy amin’io fitantarana io? Izao: Saoly dia maty noho ny nangatahany tamin’ny mpanao spiritisma mba hanontaniany ny maty, noho ny nandikany izao lalàna nazava loatra avy amin’Andriamanitra izao: “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany.” (Deoteronomia 18:10-12). Nahoana Saoly no nanao zava-betaveta tamin’ny nanontaniany ny maty? Alohan’ny hamaliana an’io fanontaniana io, dia aoka isika hametraka ity hafa ity.
Azo atao tokoa ve ny manontany ny maty?
Mba hahafahan’ny olona iray miresaka amin’ny maty, dia tokony ho velona izy ireny, na hanana fanahy tsy mety maty. Ny Baiboly anefa dia manambara hoe: “Jehovah Andriamanitra namorona ny olona avy tamin’ny vovo-tany, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony, dia tonga fanahy velona ny olona.” (Genesisy 2:7, MN ). Noho izany dia ny olombelona mihitsy no fanahy. Tsy manana fanahy tsy mety maty izay manohy mivelona aorian’ny fahafatesan’ny vatana izy. Ny Baiboly koa dia milaza hoe: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Ary hoy koa izy hoe: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” “Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao,” dia ny fasana iombonan’ny maty. — Mpitoriteny 9:5, 10.
Araka izany dia tsy manana fahaizana ambony velively ny maty; tsy mahatsiaro tena izy ireny. Tsy azo atao àry ny miresaka aminy. Noho izany, raha manaraka ny lalàn’Andriamanitra izay manohitra ny fanontaniana ny maty isika, dia tsy ho voafitaka. Na dia izany aza, dia mety hahazo hafatra avy amin’izao tontolo izao ara-panahy ny olona iray, tahaka izay niseho tamin’i Saoly mpanjaka.
Iza anefa no miresaka amin’ireny fotoana ireny?
Mahazatra aloha ny fitaka eo amin’ireo izay milaza ho mifandray amin’ny maty. Porofon’izany ity fanambarana avy tao amin’ny World Book Encyclopedia ity: “Noporofoina fa mandritra ny fotoana ivoriana anaovana spiritisma, dia ta-hampino ny olona manatona azy ireo manao azy ho tsindrian-javatra fa azon’ny fanahy atao ny mifandray amin’ny velona. Ny siansa dia manazava saika ny fisehoan-javatra rehetra voamarika mandritra ireny fotoana ireny. Ohatra, ny sasany amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra dia mahay mamoaka feo sahala ny avy any an-kibo, ny hafa dia manana mpanampy na mampiasa fitaovana manokana, ny hafa ihany koa dia mampiasa ny “hypnose” (fampatoriana azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna). Olona betsaka tonga amin’ireny fotoana fanaovana spiritisma ireny no atosiky ny faniriana midedadeda handre ny olon-tiana iray efa nodimandry, ka izany faniriana izany dia mety hahatonga azy hanaiky ny hafatra rehetra ampitain’ilay manao azy ho tsindrian-javatra ho toy ny avy amin’izao tontolo izao ara-panahy.”
Nefa tsy mijanona hatreo ny fanazavana. Amin’ny fankatoavana ny baikon’i Jehovah izay milaza mba tsy hanontany ny maty tokoa, isika dia hiaro tena amin’ny fomba mihoatra kokoa ihany. Misy hafatra izay avy amin’ny faritra ara-panahy tokoa, kanefa ny loharanon’izany dia zavaboary mahery izay ta-hamitaka ny olombelona. Ny Baiboly dia manambara fa “fanahy ratsy” izy ireny, Satana Devoly sy ny anjely mpiodina fantatra amin’ny anarana hoe demonia (Efesiana 6:12). Tao amin’ilay manao azy ho tsindrian-javatra tao Andora, Saoly dia niresaka tamin’ny demonia iray izay nisandoka ho Samoela mpaminany efa maty.
Izay niseho tamin’i Saoly dia manaporofo izany tsara: ny demonia dia tsy manan-javatra tsara hambara, ary izay lazaina fa fanampiana entiny dia tsy maharitra. Tahaka ny filohany, ny Devoly, dia mpandainga izy ireny (Marka 3:22; Jaona 8:44). Teo ambanin’ny diam-penin’ilay Britanika atao hoe Arthur Conan Doyle efa maty ankehitriny, izay nanao fikarohana ara-pahalalana saro-pantarina, dia izao no vakina: “Mampalahelo, fa isika dia tokony hiatrika lainga lazaina amim-piheverana mialoha ataon’ny persona manan-tsaina tia sangisangy na ratsy fanahy. Ireo rehetra nandinika ilay raharaha, araka ny fihevitro, dia nifanehatra tamin’ny fanaovana famitahana niniana natao, izay, indraindray, dia dimbiasan’ny hafatra marina.” (Ny fanambarana vaovao [anglisy], pejy 72). Tsy irinao ny ho voafitaka, sa tsy izany?
Aoka isika hieritreritra kely: Ny fivarotana andevo, narahin’ny zava-mahatsiravina, dia nanamarika ny Tantara. Iza amintsika no hanaiky hiharan’ny fijaliana sy ny fietrena avy amin’izany an-tsitrapo? Mazava ho azy fa tsy hisy. Noho izany, nahoana isika no hanaiky ho tonga andevon’ireo fanahy ratsy? Tsy vitan’ny hoe mpandainga izy ireny, fa manala ny fahafahany rehetra amin’izay azony koa ireny fanahy ireny ka mety hitarika azy ho amin’ny herisetra sy ny famonoana olona mihitsy aza. Vavolombelon’izany i José (29 taona), monina any Pernambuco (Brezila), izay ‘nidiran’ny fanahy iray ka notereny hamono ny zanany vavy herintaona’. Ireo izay mifandray amin’ny demonia tokoa dia mety ho latsaka ao amin’ny fanandevozana toy izany. Noho izany, toy ny nanirian’ny andevo nampahorina tamin’ny lasa ny fanafahana, ireo izay andevozin’ny demonia amin’izao andro izao dia tokony haniry ny ho afaka amin’izany. Amin’ny tsy fakana hevitra amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra na tsy firesahana amin’ny maty intsony, dia azo atao ny mahazo izany fahafahana izany. Momba izany...
Ilaina ve ny miresaka amin’ny maty?
Tsia, satria tsy hoe tsy manana fanampiana isika. Tahaka ny zanaka matoky ny rainy, dia azontsika atao ny mangataka malalaka ny famonjen’ny Raintsika any an-danitra, izay faly tokoa hanampy ireo olona tso-po (Lioka 11:9-13). Isaia, mpaminanin’Andriamanitra, dia manoratra toy izao: “Raha lazainy aminareo hoe: ‘Milà saina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika’, moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Fa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy? Ho amin’ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany!” — Isaia 8:19, 20.
Ny fitokisantsika an’i Jehovah tokoa dia manana fanorenana mafy raha toa manao ny sitrapony isika ka mandà izay fifandraisana rehetra amin’ny fanahy ratsy. Jakoba mpianatra kristiana dia nanambara hoe: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny Devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7). Rehefa nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy iray nanao spiritisma nandritra ny 28 taona, dia nilaza hoe: “Aza matahotra mihitsy ny asa ataon’ny Devoly hanoherana ireo izay miala amin’ny fanao mifandray amin’ny spiritisma; matokia kosa an’i Jehovah.”
Raha mameno ny saintsika amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, ka mampifanaraka ny asantsika amin’izany, dia ho afaka ‘hitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra, mba hahazoana hifahatra amin’ny fanangolen’ny Devoly’ sady tsy ho lasa andevon’ireo hery ratsy ara-panahy (Efesiana 6:11). Ankoatra izany, raha mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah isika, dia ho voaro mafy amin’ny famelezan’ny demonia. — Ohabolana 18:10.
Mampahery tokoa ny mahafantatra ny tena toetry ny maty! Azo oharina amin’ny torimaso lalina ny fahafatesana (Jaona 11:11). Jesosy Kristy anefa dia nanolotra ny antoka fa hatsangana ny maty. — Jaona 5:28, 29.
Ny lehilahy iray nanao spiritisma taloha dia nianatra tao amin’ny Baiboly, niaraka tamin’ny vady aman-janany, fa tsy ilaina ny fanandramana miresaka amin’ny maty na amin’izay milaza ho solony. Tahaka an’io fianakaviana io sy ny maro hafa maneran-tany, dia azonao atao koa ny mahita ny fahafahana ara-panahy (Jaona 8:32). Fantatro ny fahamarinana momba ny maty sy ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona. Izany dia hahatonga anao hiandry amim-pahadodonana ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra, ka ao dia ho hitanao ho velona indray ireo olo-malalanao, hiresaka aminy sy hiaina mandrakizay ao anatin’ny fiadanana ianao. — Isaia 25:8.
[Sary, pejy 4]
Iza no niteny, rehefa nanontany hafatra avy tamin’i Samoela mpaminany efa maty i Saoly mpanjaka?