ANDRIANA MPIRAY DINA
Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe seranim, izay toa avy amin’ny teny filistinina. (Js 13:3) Io no anaram-boninahitr’ireo andriana dimy mpiray dina nifehy an’i Gaza, Askelona, Asdoda, Ekrona, ary Gata, tanàna tany Filistia. Misy mihevitra fa teny avy any Égée ny hoe seranim satria avy tany Kreta, akaikin’ny Ranomasina Égée, ny Filistinina no nifindra nankany amin’ny morontsirak’i Kanana.—Am 9:7.
Nifehy tanàna fanjakana iray avy ireo andriana mpiray dina tany Filistia, ary anisan’ny filan-kevitra nanapaka momba ny tombontsoa niombonan’izy ireo. Nantsoina hoe mpanjakan’i Gata i Akisy (1Sa 21:10; 27:2), na dia toa tsy tena mpanjaka aza izy fa andriana. Nantsoina fotsiny koa hoe ‘andriana’ (heb.: sar) àry izy ireo.—1Sa 18:30; 29:2-4.
Niara-niasa ireo andriana ireo matetika. Nivory, ohatra, izy ireo ary nanontaniany ny mpisorony sy ny mpisikidiny hoe hatao ahoana ilay Vata misy ny fifanekena nalain’ny Filistinina, satria voan’ny hemoroida daholo ny mponina sy ny andrianan’izay tanàna nitondrana an’ilay Vata. (1Sa 5:9–6:4) Nitambatra mba hiady tamin’ny Israely ny tafik’izy ireo. (1Sa 7:7) Niray tetika hisambotra an’i Samsona koa izy ireo. (Mpts 16:5) Rehefa azo i Samsona, dia nanao fety tao an-tranon’i Dagona andriamanitra, tao Gaza, ireo andriana dimy mpiray dinan’ny Filistinina ka maty tao.—Mpts 16:21-30.
Tsy nivondrona ho fanjakana iray nofehezin’olon-tokana mihitsy anefa ireo tanàna fanjakana nahaleo tena nofehezin’ny andriana. Niray dina kosa ireo andrianan’ny tanàn-dehibe dimy sy ny tanàna niankina taminy. Izay fanapahan-kevitra tapaky ny besinimaro àry no narahin’izy ireo rehefa nahakasika azy rehetra ilay izy, toy ny rehefa tapaka ny hoe tsy nahazo niaraka tamin’ny tafik’izy ireo i Davida sy ny olony tamin’izy ireo hiady tamin’i Saoly Mpanjaka. Nanaiky i Akisy andrianan’i Gata na dia te hitondra an-dry Davida (nialokaloka tany aminy) aza.—1Sa 29:2, 6, 7, 9.
Nitsangan-ko fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah foana ireo andriana, mandra-paharesin’i Davida azy ireo. Nanao fifanekena imbetsaka tamin’ireo firenena niady tamin’ny Israely koa izy ireo, ary nifehy sy nampahory matetika an’ireo Israelita. Resin’i Davida anefa izy ireo ka tsy natahorana intsony. Tsy nampiasaina intsony ilay hoe “andriana mpiray dina” taorian’ny andron’i Davida, fa “mpanjaka” indray no niantsoana an’ireo mpitondra ireo.—Je 25:20; Za 9:5; jereo FILISTIA, FILISTININA.