-
BetelaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
2. Iray amin’ireo tanàna nandefasan’i Davida fanomezana, tamin’izy nandresy ny Amalekita. (1Sa 30:18, 26, 27) Voalaza fa anisan’ny ‘toerana efa nalehan’i Davida sy ny olony’ izy io. Toa toeran-kafa àry izy io, ary nantsoina hoe Betola na Betoela, tanànan’ny Simeonita tao amin’ny faritanin’i Joda.—1Sa 30:31; Js 19:1, 4; 1Ta 4:30, jereo BETOELA No. 2.
-
-
BetoelaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
2. Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’i Joda fa nomena ny fokon’i Simeona. Nantsoina koa hoe Betola sy hoe Kesila izy io, rehefa ampitahaina ny anaran’ireo tanàna ao amin’ny Josoa 15:30; 19:4 ary 1 Tantara 4:30. Toa izy io ihany ilay “Betela” resahin’ny 1 Samoela 30:27 hoe nandefasan’i Davida fanomezana avy tamin’ireo zavatra azo babo. Misy mihevitra azy io ho i Kirbet el-Karyatein (Tel Keriyyot), tokony ho 19 km any atsimon’i Hebrona. Ny hafa kosa milaza azy io ho i Kirbet er-Ras (Horvat Rosy), tokotokony ho 24 km any andrefan’i Kirbet el-Karyatein.—Jereo KESILA.
-
-
JatiraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
JATIRA
(Jatìra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manana amby ampy; mihoatra”].
Tanànan’ny mpisorona, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:20, 48; 21:9, 10, 14; 1Ta 6:54, 57) Rehefa resin’i Davida ireo Amalekita mpandroba dia nandefasany tamin’ny zavatra azo babo ny tao Jatira. Nataony angamba izany ho fankasitrahana ny fandraisan’izy ireo tsara azy, tamin’izy nandositra an’i Saoly Mpanjaka.—1Sa 30:17-20, 26, 27, 31.
Maro no mihevitra an’i Jatira ho i Kirbet ʽAttira (Horvat Yattir), tokony ho 21 km any atsimo atsimoandrefan’i Hebrona.
-