-
AramaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Arama-maka: Miara-voatonona amin’i Zoba sy Rehoba ary Istoba. Ireo no fanjakana aramianina nanakaraman’ny Amonita kalesin’ady sy mpitaingin-tsoavaly mba hiadiana tamin’i Davida. Niaraka tamin’ireo tafika mpikarama an’ady ireo ny mpanjakan’i Arama-maka. Nandositra teo anoloan’ny tafik’i Davida anefa izy ireo. (1Ta 19:6-15; 2Sa 10:6-14) Tany atsinanan’i Jordana angamba ny fanjakan’i Maka, ary ny Tendrombohitra Hermona no teo avarany.—Js 12:5; 13:11.
-