ABSALOMA
(Absàlôma) [Ny Ray [izany hoe Andriamanitra] dia Fiadanana].
Ny fahatelo tamin’izy enina mirahalahy naterak’i Davida tany Hebrona. I Maka no renin’i Absaloma. Zanakavavin’i Talmay, mpanjakan’i Gesora, i Maka. (2Sa 3:3-5) Niteraka telo lahy sy vavitokana i Absaloma. (2Sa 14:27) Azo inoana fa izy koa ilay nantsoina hoe Abisaloma.—1Mp 15:2, 10; jereo 2Ta 11:20, 21.
Tsara tarehy be daholo ry Absaloma sy ny fianakaviany. Nodokafan’ny fireneny manontolo izy noho izany. Natevim-bolo sy lava volo izy. Navesatra koa ny volony, ary azo inoana fa noho ny fampiasana menaka isan-karazany. Nilanja sekely 200 teo ho eo (2,3 kg) ny volony, rehefa notapahina isan-taona. Tena tsara tarehy koa i Tamara anabaviny. Nanan-janakavavy atao hoe Tamara i Absaloma. Nitovy anarana tamin’i Tamara anabaviny izy io, ary “tsara tarehy be” koa. (2Sa 14:25-27; 13:1) Tsy nahasoa an’i Absaloma anefa ny hatsaran-tarehiny, fa vao mainka aza nahatonga olana maro nampahory an’i Davida rainy sy ny olon-kafa, sady tena nanakorontana an’ilay firenena.
Novonoina i Amnona. Zokin’i Absaloma hafa reny i Amnona. Raiki-pitia tamin’i Tamara anabavin’i Absaloma izy, satria tsara tarehy i Tamara. Mody narary i Amnona ary nanao tetika mba hankanesan’i Tamara tany amin’ny efitranony ka hanao mofo ho azy. Naolan’i Amnona i Tamara avy eo. Te hanao firaisana fotsiny anefa izy fa tsy hoe tena tia azy. Nanjary tena halany àry i Tamara avy eo, ary noroahiny. Lasa i Tamara sady nandrovitra an’ilay akanjo lava nitsipitsipika nanaovany sy nahafantarana azy ho virjiny zanakavavin’ny mpanjaka. Nasiany lavenona koa ny lohany. Nifanena taminy i Absaloma, ary tonga dia fantatr’i Absaloma izay nitranga ka niahiahy an’i Amnona izy. Hita amin’izany fa efa fantapantany ny faniriana mafy nananan’i Amnona rahalahiny. Nilaza tamin’i Tamara anabaviny anefa izy mba tsy hiampanga an’i Amnona. Nasainy nipetraka tao aminy i Tamara.—2Sa 13:1-20.
I Absaloma no niahy an’i Tamara fa tsy ny rainy. Nanazava i John Kitto, ao amin’ny boky nosoratany, fa izany mihitsy no fanaon’ny Tatsinanana, rehefa nisy lehilahy nanana vady maro. Ireo zanaka iray reny no nifankatia kokoa. “Ny anadahiny no tena niahy sy niaro [ny zanakavavy]. Ny anadahy, fa tsy ny ray, no nantenaina kokoa hiditra an-tsehatra raha nisy zavatra nety hampidi-doza na hanala baraka ny anabaviny.” Izany no nahatonga an’i Levy sy Simeona, ela be talohan’izay, ho tapa-kevitra ny hamaly faty rehefa nalam-baraka i Dina anabaviny iray tam-po taminy.—Ge 34:25.
Tezitra be i Davida rehefa nandre hoe nalam-baraka ny zanany vavy. Tsy nitsara an’ilay nahavanon-doza anefa izy, angamba satria tsy nisy fiampangana nambara taminy nivantana sady tsy nisy porofo na vavolombelona tonga tany aminy. (De 19:15) Mety ho naleon’i Absaloma koa tsy niresaka momba ny nandikan’i Amnona ny lalàna ao amin’ny Levitikosy (Le 18:9; 20:17), satria tsy tiany ho afa-baraka ny fianakaviany sy ny anarany. Nankahala an’i Amnona foana izy, na izany aza, sady nikasa ny hamono azy. Tsy nasehony anefa izany fa nifehy tena izy ka nitady fotoana foana hamaliana faty, araka izay fomba tiany hanaovana izany. (Ampit. Oh 26:24-26; Le 19:17.) Nanomboka teo dia namadika olona foana i Absaloma teo amin’ny fiainany, ary mameno ny ankamaroan’ireo toko enina amin’ny Samoela Faharoa izany tantara izany.—2Sa 13:21, 22.
Tonga ny fotoana fanetezana ondry, roa taona taorian’izay. Fety be izany! Nanao fety àry i Absaloma tany Bala-hazora, 22 km teo ho eo, tany avaratra avaratratsinanan’i Jerosalema. Nasainy ny zanaky ny mpanjaka ary Davida mpanjaka koa. Tsy nety nandeha anefa i Davida rainy, ka niangavy azy mafy i Absaloma mba handefa an’i Amnona lahimatoany ho solony. (Oh 10:18) Hoy i Absaloma tamin’ny mpanompony, tany amin’ilay fety: ‘Raha vao falifaly noho ny divay ny fon’i Amnona, dia vonoy ho faty izy.’ Rehefa maty i Amnona, dia niverina tany Jerosalema ireo zanakalahin’ny mpanjaka, fa i Absaloma kosa nitsoaka tany amin’ny dadabeny syrianina, tany Gesora tany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. (2Sa 13:23-38) Namely ‘ny ankohonan’i Davida’ “ny sabatra” nanomboka teo, araka ny efa nambaran’i Natana mpaminany, ary tsy nitsahatra izany mandra-pahafatin’i Davida.—2Sa 12:10.
Nankasitrahan’i Davida indray. Nionona tamin’ny namoizany ny lahimatoany i Davida, telo taona tatỳ aoriana, ary nanembona an’i Absaloma zanany ny fony. Tsikaritr’i Joaba izay tao an-tsain’ny dadatoany, ka nanao tetika izy mba hamerenan’i Davida an’i Absaloma sy hamelany ny helony, ka hampodiny azy indray. Tsy nahazo niseho tany an-dapan’ny rainy anefa izy. (2Sa 13:39; 14:1-24) Niaritra teny i Absaloma nandritra ny roa taona, ary avy eo nanao zavatra mba hahazoany famelan-keloka tanteraka. Nampiantso an’i Joaba, manamboninahitra tao an-dapan’ny mpanjaka, izy nefa tsy nety tonga mihitsy i Joaba. Nasain’i Absaloma nodorana àry ny tanin’i Joaba nisy vary orza naniry. Tezitra be i Joaba ary tonga tany amin’i Absaloma. Nohazavain’i Absaloma fa te hahalala izay tena fanapahan-kevitry ny mpanjaka izy, ka hoy izy: “Raha misy fahadisoako, dia aoka izy hamono ahy ho faty.” Nolazain’i Joaba tamin’ny mpanjaka izany, ka noraisin’i Davida i Absaloma zanany. Niankohoka i Absaloma ho marika fa nanaiky tanteraka an-drainy izy. Nanoroka azy i Davida ho porofo fa namela tanteraka an’i Absaloma izy.—2Sa 14:28-33.
Nivadika i Absaloma. Toa tsy niraiki-po tamin-drainy intsony anefa i Absaloma, vokatr’ireo dimy taona nisarahany taminy. Olona anisan’ny fanjakana mpanompo sampy mantsy no nifaneraserany nandritra ny telo taona, ka mety ho nanimba ny toetrany sy nahatonga azy ho tia fahefana. Mety ho nieritreritra izy fa izy no tokony ho mpanjaka satria tarana-mpanjaka izy na avy amin’ny rainy na avy amin’ny reniny. Mety ho izy no zokiny indrindra tamin’ireo zanakalahin’i Davida mbola velona. Mety ho efa maty mantsy i Kileaba (Daniela), zanak’i Davida faharoa, satria ny nahaterahany ihany no voatantara ao amin’ny Baiboly. (2Sa 3:3; 1Ta 3:1) Izao anefa: Taorian’ny nahaterahan’i Absaloma vao nampanantena an’i Davida Andriamanitra hoe ny ‘taranany’ mbola ho avy no handova ny seza fiandrianana. Tokony ho fantatr’i Absaloma àry fa tsy nifidy azy ho mpanjaka i Jehovah. (2Sa 7:12) Rehefa tafaverina teo anivon’ny ankohonan’ny mpanjaka indray anefa izy, dia nanomboka nitaona ny olona an-tsokosoko hanohana azy. Hainy erỳ ny mody niahy an’izay hahasoa ny vahoaka. Nandresy lahatra azy ireo izy hoe izy no hitsinjo ny vahoaka madinika. Nataony izay inoana fa tsy niraharaha ny olana nanjo ny vahoaka ny mpanjaka sy ny tao an-dapa, ka tena nila olona be fitiavana toa an’i Absaloma izy ireo.—2Sa 15:1-6.
Hita ao amin’ny 2 Samoela 15:7 ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta sy ny sora-tanana sasany misy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny hoe “rehefa tapitra ny efapolo taona.” Tsy efapolo taona taorian’ny nanombohan’i Davida nanjaka anefa ireo, ary tsy ny taonan’i Absaloma. Raha azo ekena io voalaza eo io, dia mety ho nanomboka tamin’ny nanosoran’i Samoela an’i Davida ho mpanjaka ireo 40 taona ireo, ela be talohan’ny nanombohany nanjaka (naharitra 40 taona ny nanjakany). Mety tsara amin’izay ilay filazana hoe mbola “zatovo” (2Sa 18:5) i Absaloma, satria izy teraka teo anelanelan’ny 1077 sy 1070 T.K. tany ho any. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo nohavaozin’i Lucien, ny Peshitta syriàka, ary ny Vulgate latinina kosa manao hoe “efa-taona” ao amin’ny 2 Samoela 15:7. Mifanaraka amin’ny fanazavan’i Josèphe izany. Hoy mantsy izy: “Efa-taona izay no lasa taorian’ny nihavanan’ny rainy taminy indray.” (Rakitry ny Ela Jiosy, VII, 196 [ix, 1]) Samy misy olana na ilay hoe “efapolo taona” na ilay hoe “efa-taona”, fa aleon’ny ankamaroan’ny Baiboly maoderina ilay hoe “efa-taona.”
Faly i Absaloma fa efa be ny mpanara-dia azy nanerana an’ilay fanjakana. Niera tamin-drainy izy mba hankany Hebrona, renivohitr’i Joda tamin’ny voalohany, ary antony hafa no mody nolazainy. Nanaiky ny rainy. Nanao tetika maty paika anefa izy mba hakana ny seza fiandrianana, rehefa tonga tany. Nandefa mpitsikilo eran’ilay firenena koa izy hanambara azy ho mpanjaka. Nanao sorona izy mba hotahin’Andriamanitra ny fitondrany. Nanohana azy koa i Ahitofela, ilay mpanolo-tsaina tena natokisan-drainy. Maro be no nanjary nanohana an’i Absaloma.—2Sa 15:7-12.
Naleon’i Davida niala tao an-dapa ary nitondra ny ankohonany manontolo, satria mafy ny nanjo azy ary fantany fa ho be ny mpanafika azy. Mbola nisy lehilahy maro anefa tsy nivadika taminy, anisan’ireny i Abiatara sy Zadoka mpisorona izay nitana andraikitra lehibe. Nirahin’i Davida ho any Jerosalema izy roa lahy ireo mba hampita vaovao taminy. Nitomany sy nisaron-doha ary tsy nanao kapa i Davida rehefa niakatra ny Tendrombohitra Oliva. Nifanena taminy i Hosay, ilay ‘naman’ny’ mpanjaka. Nirahin’i Davida tany Jerosalema koa izy mba hampandamòka ny tetik’i Ahitofela. (2Sa 15:13-37) Nisy koa nanararaotra ny zavatra nahazo an’i Davida, ka ny iray mody nila sitraka taminy, ary ny iray niandany tamin’ny fahavalony sady namoaka ny fankahalana efa nokobonina hatry ny ela. Nandefitra ary tsy namaly faty mihitsy anefa i Davida, ary hita hoe tsy nitovy tamin’i Absaloma. Nitora-bato an’i Davida sady nanozona azy i Simey. Nanolo-tena hankeny amin’i Simey sy “hanapaka ny lohany” àry i Abisay, zanak’anabavin’i Davida. Tsy nety anefa i Davida, fa hoy izy: “Ny zanako naterako aza mifofo ny aiko, koa mainka fa izay Benjaminita! Avelao izy! Aleo izy hanozona, satria i Jehovah no niteny izany taminy. Angamba hijery ny mason’i Jehovah, dia hanao soa amiko indray i Jehovah, ka tsy hampanan-kery izao ozon’i Simey androany izao.”—2Sa 16:1-14.
Nipetraka tao amin’ny lapa tany Jerosalema i Absaloma. Mody niandany taminy i Hosay. Naneso an’i Hosay ho ilay ‘namana’ tsy nivadika tamin’i Davida aloha i Absaloma, ary avy eo nandray an’i Hosay ho mpanohana azy. Nanaraka ny torohevitr’i Ahitofela i Absaloma taorian’izay, ka nanao firaisana ampahibemaso tamin’ireo vadikelin-drainy, ho porofo fa tena lasa mpifahavalo izy sy Davida, ary mbola tapa-kevitra hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy. (2Sa 16:15-23) Tanteraka àry ny tapany farany tamin’ilay faminanian’i Natana.—2Sa 12:11.
Nangataka tamin’i Absaloma i Ahitofela mba homena fahefana hanafika an’i Davida tamin’iny alina iny ihany, ka hamono azy dieny mbola tsy voalamina ny tafik’i Davida. Faly i Absaloma, nefa naleony aloha nanontany an’i Hosay. Takatr’i Hosay fa nila fotoana lavalava i Davida. Nampiasa ohatra àry izy ka nohariny tamin’ny orsavavy tezitra i Davida. Angamba izy te hanararaotra ny hakanosan’i Absaloma (mbola tsy nampiseho herim-pon-dehilahy mantsy i Absaloma hatreo fa nieboebo sy fetsifetsy fotsiny) ary fantany koa fa matin-kambo i Absaloma. Nanoro hevitra àry izy hoe aleo aloha maka fotoana hananganana tafika lehibe hotarihin’i Absaloma. Neken’i Absaloma ilay torohevitra, ary i Jehovah no nahatonga izany. Azo inoana fa takatr’i Ahitofela hoe tsy hahomby ny fikomian’i Absaloma, ka namono tena izy.—2Sa 17:1-14, 23.
Malina i Hosay, ka naniraka olona mangingina hampahafantatra tamin’i Davida an’ilay torohevitr’i Ahitofela. Ren’i Absaloma izany, ary naniraka mpanompony izy mba hanenjika an’ireo irak’i Hosay. Voarain’i Davida ihany anefa ilay fampitandremana ka niampita an’i Jordana izy ary niakatra an’ireo havoanan’i Gileada mba hankany Mahanaima (tanàna nataon’i Isboseta renivohiny). Tsara fanahy sy nalala-tanana taminy ny olona tany. Niomana hiady i Davida ka nozarainy telo ny tafiny izay nihanitombo: Samy nitarika fizarana iray avy i Joaba sy Abisay ary Itahy Gatita. Nasaina nijanona tao an-tanàna anefa i Davida, satria tao no nilana azy bebe kokoa. Nanaiky izy, ary nilaza ampahibemaso tamin’izy telo lahy hoe: “Moramora ihany ianareo amin’i Absaloma zatovo, noho ny amiko.” Hita amin’izany koa fa tena tsy nitana lolompo tamin’i Absaloma izy.—2Sa 17:15–18:5.
Ady nahafaty an’i Absaloma. Resy tanteraka ny tafik’i Absaloma satria tafika vao niforona no niady tamin’ireo miaramilan’i Davida efa zatra ady. Tonga hatrany amin’ny alan’i Efraima ny ady. Nitaingina ramolen’ny mpanjaka i Absaloma ary nandalo teo ambanin’ireo sampantsampan’ny hazo makadiry iray. Toa nisaringotra tamin’ny sampan-kazo ny lohany ka tavela teo izy ary nikiraviravy teo. Nisy lehilahy nahita azy, ary nilaza tamin’i Joaba ilay lehilahy hoe tsy handika ny tenin’i Davida mihitsy ka tsy hamono an’i Absaloma, na omena “farantsa volafotsy arivo” aza (2200 dolara teo ho eo, raha sekely volafotsy 1000). I Joaba kosa tsy nisalasala naka lefona kely telo ary nanatsatoka izany tamin’ny fon’i Absaloma. Nisy folo lahy tamin’ireo miaramilan’i Joaba koa namely an’i Absaloma ka tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesany, toa an’i Joaba ihany. Natsipy tao anaty lavaka ny fatin’i Absaloma, avy eo, ary nasiana antontam-bato lehibe teo amboniny satria tsy mendrika ny halevina izy.—2Sa 18:6-17; ampit. Js 7:26; 8:29.
I Absaloma zanany no nahin’i Davida voalohany indrindra, rehefa nisy iraka tonga tany aminy tany Mahanaima. Nolazaina taminy fa maty i Absaloma. Nandehandeha tao amin’ilay efitra tany an-tampon-trano izy sady nitomany hoe: “Ry Absaloma zanako, ry zanako, ry Absaloma zanako ô! Inay anie aho maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, ry zanako ô!” (2Sa 18:24-33) Ory mafy i Davida satria nampalahelo ny nahafatesan’ilay tovolahy tsara tarehy sy nahira-tsaina. Tsy nionona i Davida raha tsy hentitra sy niteny mafy azy i Joaba. Tia fahefana loatra i Absaloma ka nanjary niady tamin’ilay voahosotr’Andriamanitra, ary izy ihany no voa mafy vokatr’izany.—2Sa 19:1-8; ampit. Oh 24:21, 22.
Hazavain’ny teny mampiditra ny Salamo faha-3, fa i Davida no nanoratra azy io, tamin’ny fotoana nikomian’i Absaloma.
Tsangambaton’i Absaloma. Nisy tsangambato natsangan’i Absaloma tao “amin’ny Lemaka Ivan’ny Mpanjaka”, antsoina koa hoe “Lemaka Ivan’i Save”, tany akaikin’i Jerosalema. (2Sa 18:18; Ge 14:17) Tsy nanan-janakalahy hamelo-maso ny anarany mantsy izy ka ilay tsangambato no nahatsiarovana azy rehefa maty izy. Toa maty mbola kely ireo zanany telo lahy resahin’ny 2 Samoela 14:27. Tsy nalevina teo amin’ilay toerana nisy an’io tsangambato io anefa i Absaloma, fa najanona tao amin’ilay lavaka lehibe tao amin’ny alan’i Efraima.—2Sa 18:6, 17.
Misy tsangambato natao sokitra tao amin’ny Lohasahan’i Kidrona. Nantsoina hoe ny Fasan’i Absaloma izy io. Hita amin’ny fomba nanaovana azy io anefa fa tamin’ny andron’ny Grika sy Romanina izy io, angamba tamin’ny andron’i Heroda. Tsy misy ifandraisany amin’i Absaloma àry izy io.