-
Niaritra Tsilo Tamin’ny Nofony Izy IreoNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 15 Febroary
-
-
11. Inona no nolazain’i Ziba momba an’i Mefiboseta, nefa ahoana no ahafantarantsika fa nandainga izy? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
11 Tsy maintsy niaritra tsilo hafa tamin’ny nofony koa i Mefiboseta tatỳ aoriana. Nanendrikendrika azy tany amin’i Davida Mpanjaka i Ziba mpanompony, rehefa iny nandositra an’i Jerosalema iny indrindra i Davida, noho ny fikomian’i Absaloma zanany. Nilaza i Ziba fa nivadika i Mefiboseta, ka nitaredretra tany Jerosalema satria nanantena ny ho lasa mpanjaka.a Nino ny fanendrikendrehan’i Ziba i Davida, ka nomeny an’io mpandainga io ny fananan’i Mefiboseta rehetra!—2 Samoela 16:1-4.
-
-
Niaritra Tsilo Tamin’ny Nofony Izy IreoNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 15 Febroary
-
-
a Tsy ho namorona tetika toy izany i Mefiboseta, satria tsy mba olona tia laza izy fa nahay nankasitraka sy nanetry tena kosa. Azo antoka fa fantany tsara ny fahatokian’i Jonatana rainy. Zanak’i Saoly Mpanjaka i Jonatana, nefa nanetry tena ary nanaiky fa i Davida no nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’ny Isiraely. (1 Samoela 20:12-17) Tsy ho nampirisika an’i Mefiboseta zanany haniry ho mpanjaka i Jonatana, satria natahotra an’Andriamanitra sady tsy nivadika tamin’i Davida namany.
-