MEFIBOSETA
(Mefìbosèta).
1. Ny iray tamin’izy mirahalahy zanak’i Saoly Mpanjaka tamin’i Rizpa zanakavavin’i Aia. (2Sa 21:8) Anisan’ireo olona fito taranak’i Saoly natolotr’i Davida ho an’ny Gibeonita i Mefiboseta, mba handrakofana ny fahotan’i Saoly noho izy nikasa handripaka tanteraka azy ireo. (Jereo GIBEONA, GIBEONITA.) Nahanton’ny Gibeonita “teo an-tendrombohitra, teo anatrehan’i Jehovah” ny fatin’i Mefiboseta sy ireo enina hafa taranak’i Saoly, “teo am-piandohan’ny fijinjana, izany hoe rehefa nanomboka ny fijinjana vary orza.” (Ampit. No 25:4.) Tsy navelan’i Rizpa hisy vorona na bibidia hankeo amin’ireo faty. Nasain’i Davida nangonina àry ny taolambalon’izy ireo, ary nalevina tao amin’ny fasan’i Kisy izay nandevenana an’i Saoly sy Jonatana.—2Sa 21:1-14.
2. Zanakalahin’i Jonatana ary zafikelin’i Saoly Mpanjaka. Nikoropaka nitondra an’i Mefiboseta nandositra ny mpitaiza azy, rehefa re hoe maty tany Jezirela i Saoly sy Jonatana. Dimy taona i Mefiboseta tamin’izay. “Nianjera ilay zaza ka lasa nalemy” ny tongony roa. (2Sa 4:4) Nipetraka taona maro tao an-tranon’i Makira zanak’i Amiela tany Lo-debara izy, taorian’izay, ary nilaza izany tamin’i Davida i Ziba, izay nanompo taloha tao amin’ny ankohonan’i Saoly. Azo antoka fa nahatsiaro ny fifanekena nifanaovan’izy sy Jonatana i Davida (1Sa 20:12-17, 42), ka te haneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’izay sisa tavela tamin’ny taranak’i Saoly. Nentina tany amin’i Davida Mpanjaka àry i Mefiboseta. Nolazain’ilay mpanjaka taminy fa te haneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminy izy, ka hamerina aminy “ny tanin’i Saoly” rehetra sady hamela azy ‘hisakafo eo an-databany foana.’ Nanetry tena i Mefiboseta ka namaly hoe: “Zinona moa ny mpanomponao izay toy ny amboa maty no mba jerenao?” Nisisika ihany anefa i Davida ka nomeny an’i Mefiboseta ny fananan’i Saoly, ary lasa mpanompon’i Mefiboseta i Ziba sy izay rehetra nipetraka tao an-tranony (zanakalahy 15 sy mpanompo 20). Nipetraka tany Jerosalema izy taorian’izay, ary nisakafo teo an-databatry ny mpanjaka foana.—2Sa 9.
Nandositra niala tao Jerosalema i Davida, rehefa nikomy i Absaloma. Nitsena azy teny an-dalana i Ziba ka nanome azy sakafo be dia be. Rehefa nanontaniany i Ziba hoe aiza i Mefiboseta, dia hoy izy: “Any Jerosalema izy, fa hoy izy: ‘Haverin’ny taranak’Israely amiko izao ny fanjakan’ny raiko.’” Hoy àry ny mpanjaka tamin’i Ziba: “Anao ny zava-drehetra izay an’i Mefiboseta.” (2Sa 16:1-4) Rehefa tafaverina tao Jerosalema ny mpanjaka, dia tonga mba hitsena azy i Mefiboseta. “Tsy nanasa tongotra izy, na nikarakara volombava, na nanasa akanjo, hatramin’ilay andro nandehanan’ny mpanjaka ka hatramin’ilay andro nahatongavany soa aman-tsara.” Hoy i Davida: “Naninona ianao no tsy nandeha niaraka tamiko, ry Mefiboseta?” Nanazava izy fa ny mpanompony no namitaka azy. Hoy koa izy: “Dia nendrikendrehiny tamin’ny mpanjaka tompoko ny mpanomponao. Toy ny anjelin’Andriamanitra anefa ny mpanjaka tompoko” (izany hoe mitsara araka ny marina). Tsapan’i Davida fa tsy nanan-tsiny i Mefiboseta, ka novany ilay didy efa navoakany. Hoy izy: “Hifampizaranao sy Ziba ny tany.” Dia namaly i Mefiboseta hoe: “Aleo alainy izy manontolo, fa ny mpanjaka tompoko aza efa tonga soa aman-tsara atỳ an-tranony.”—2Sa 19:24-30; ampit. Oh 18:17; 25:8-10.
Rehefa nangataka ny hamonoana ny taranak’i Saoly ny Gibeonita mba handrakofana ny fahotana nataon’io mpanjaka io tamin’izy ireo, dia nangoraka an’i Mefiboseta i Davida noho ny fianianana nataon’izy sy Jonatana, tamin’ny anaran’i Jehovah. Narovany àry i Mefiboseta. (2Sa 21:7, 8) Tsy miresaka momba azy intsony ny Baiboly taorian’izay, na dia mbola nisy aza ny ankohonan’i Saoly, avy tamin’i Mika zanak’i Mefiboseta. (2Sa 9:12; 1Ta 9:39-44) Azo inoana fa anaran’i Mefiboseta koa ny hoe Meri-bala, raha jerena ny 1 Tantara 8:34 sy ny 9:40.