-
Fiadiana, Fitaovam-piadianaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Matetika no nahantona teo amin’ny ilany havia amin’ny fehikibo ny sabatra (1Sa 25:13), ary natao tao anaty tranony, izay tsy inona fa fonony hoditra. Hita avy amin’ny 2 Samoela 20:8 fa angamba mody nanitsy ny fipetraky ny sabany i Joaba, nefa tiany hilatsaka avy tao amin’ny tranony ilay izy, ary tsy naveriny tao intsony fa notazoniny teny an-tanany. Nieritreritra angamba i Amasa hoe sendra nilatsaka ilay izy, ka tsy niahiahy mihitsy izy. Ny ainy anefa no nanefa.
-