AMASA
(Amàsa) [fanafohezana ny hoe Amasia].
1. Zanakalahin’i Abigaila sy Jatera (Jitra). Anabavin’i Davida, na anabaviny hafa ray io Abigaila io. Zanak’olo-mpiray tam-po àry i Amasa sy Absaloma ary Joaba. (2Sa 17:25; 1Ta 2:16, 17) Lazain’ny bokin’i Samoela hoe Israelita i Jatera, fa lazain’ny bokin’ny Tantara kosa hoe Ismaelita, angamba noho izy nonina tany amin’ny faritanin’ny Ismaelita. Misy milaza an’i Amasa ho ilay Amasay niandany tamin’ny tafik’i Davida, ka nankany Ziklaga. Tsy tena azo antoka anefa izany.—1Ta 12:18.
Tatỳ aoriana, dia nanohana ny fikomian’i Absaloma tamin’i Davida i Amasa, ka nataon’i Absaloma lehiben’ny tafika izy ho solon’i Joaba. (2Sa 17:25) Niato ilay fikomiana rehefa novonoin’i Joaba i Absaloma zanakalahin’i Davida, ka i Amasa indray no nataon’i Davida lehiben’ny tafiny ho solon’i Joaba. Nilaza mantsy i Davida hoe “taolako sy nofoko” izy.—2Sa 18:9-15; 19:13.
Nisy fikomiana indray rehefa nilaza i Sheba fa tsy te hanana anjara tamin’i Davida. (2Sa 20:1, 2) Nomena telo andro i Amasa tamin’izay mba hanangona miaramila. Tsy tonga tamin’ny fotoana nifanaovana anefa i Amasa. Nasaina nanenjika an’ireo mpikomy àry i Abisay sy ireo mpanompon’i Davida. Nanenjika an’i Sheba niaraka tamin’izy ireo koa i Joaba rahalahin’i Abisay sy ny miaramilany. Efa tara vao tonga i Amasa, rehefa nihaona tamin’izy ireo. Mody nanoroka azy i Joaba, kanjo noraisiny tamin’ny tanany ilany ny volombavan’i Amasa, fa ny tanany ilany kosa nanindron-tsabatra ny kibon’i Amasa. (2Sa 20:4-12) Marina fa nahazo ny sahaza azy izy satria niandany tamin’i Absaloma, saingy tsy i Joaba mihitsy no tokony hamaly faty azy. Nilaza tamin’i Solomona àry i Davida mba hamono an’i Joaba noho izy namono an’i Amasa.—1Mp 2:5, 32.
2. Zanakalahin’i Hadlay. Resin’ny Israelita ny mponin’i Joda ka nentin’izy ireo tany aminy mba hataony mpanompo. Niangavy an’ireo Israelita anefa i Odeda mpaminany mba hampody an’ireo babo. Nankatò an’i Odeda ny lehilahy efatra, izay lohandohany teo amin’ny Efraima, ka anisany i Amasa. Nomen’i Amasa sakafo sy fitaovam-pitaterana mba hodiany koa ny mponin’i Joda.—2Ta 28:8-15.