-
IraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1. Jairita voalaza fa anisan’ny “mpisoron’i Davida”, izany hoe manamboninahitra nitana andraikitra ambony. (2Sa 20:26) Mety ho taranak’ilay Jaira resahin’ny Nomery 32:41 io Ira io. Raha izany no izy, dia mety hidika hoe “manamboninahitra ambony” na “andriana” ilay teny hoe ‘mpisorona.’ Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe Levita ny Jairita. Raha marina anefa izay lazain’ny Peshitta syriàka, dia mety ho mpisorona avy any Jatira (Jathira) tanànan’ny Levita i Ira.—Ampit. 2Sa 8:18; 1Ta 6:57; 18:17.
-