-
Davida, Tanànan’iFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Eo amin’ny Lohasahan’i Kidrona, eo am-pototr’ilay havoana, eo amin’ny ilany atsinanana, no misy ny loharanon’i Gihona. (1Mp 1:33) Hitan’ny mpikaroka fa nisy tionelina iray nifandray tamin’ny lavadrano, izay nahafahana nahazo ny ranon’i Gihona, nefa tsy voatery nankany ivelan’ny manda. Voalaza fa niakatra tao anatin’io lavadrano io ry Joaba sy ny miaramilany mba hidirana tao an-tanàna, ka azon’izy ireo ilay tanàna.—2Sa 5:8; 1Ta 11:5, 6.
-
-
GihonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Voalaza fa io loharanon’i Gihona io no nahafahan’ny Jeneraly Joaba niditra tao amin’ny tanàna voaro mafin’ny Jebosita tao Jerosalema. Babon’i Davida àry ilay tanàna izay toa tsy ho azon’ny fahavalo mihitsy. (1Ta 11:6) Na dia sarotra adika aza ny teny hebreo ao amin’ny 2 Samoela 5:8, dia asehon’ny fandikan-teny maro fa nisy “tionelin-drano” tao amin’ilay tanàna, tamin’i Davida nampirisika ny hanafihana azy io. Hitan’i Charles Warren tamin’ny 1867 ny tionelin-drano iray niainga avy teo amin’ny lava-bato nisy ny loharanon’i Gihona, ary tonga tany amin’ny dobo iray tokony ho 20 m niala teo. Hita eo ambonin’io dobo io ny lavaka lalina iray, 11 m miakatra ao anaty vatolampy. Misy toerana azo ijoroana eo tampon’io lavaka io, ka eo ny mpantsaka no mandatsaka ny tady misy siny mba hakana rano ao amin’ilay dobo erỳ ambany. Misy lalana misolampy anaty tionelina miainga avy eo an-tampon’ilay lavadrano mankao afovoan-tanàna. Efa ho 39 m ny halavan’io tionelina io. Heverina fa nataon’ny Jebosita izany mba hahazoana rano foana rehefa tsy afaka nivoaka ny tanàna izy ireo noho ny fanafihan’ny fahavalo. Voalaza fa avy tao amin’io tionelin-drano io i Joaba sy ny miaramilany no niditra tao an-tanàna, na dia tsy voatonona mivantana ao amin’ilay fitantarana aza ny loharanon’i Gihona.
-