-
MpanjakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Vady sy fananana. Fanaon’ny mpanjakan’ny Joda ny nanana vady sy vadikely maro, na dia voalazan’ny Lalàna aza fa tsy tokony hampitombo ny isan’ny vadiny ny mpanjaka. (De 17:17) Fananan’ny mpanjaka ny vadikeliny ka nolovan’izay nandimby azy, toa an’ireo zo sy zavatra hafa nananany ihany. Toy ny hoe nanambara ny tenany ho mpanjaka izay olona nanambady na naka ny vadikelin’ny mpanjaka iray efa maty. Te haka ny toeran’i Davida Mpanjaka àry i Absaloma matoa nanao firaisana tamin’ireo vadikelin-drainy. Te ho mpanjaka koa i Adonia matoa nasainy nomena ho vadiny i Abisaga, mpikarakara an’i Davida tamin’izy efa antitra. (2Sa 16:21, 22; 1Mp 2:15-17, 22) Mpamadika àry izy ireo.
-
-
SolomonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ilay fangatahan’i Adonia. Tsy ela akory dia voatery nanao zavatra i Solomona, mba hanatanterahana ny hafatr’i Davida momba an’i Joaba. Ny zavatra nangatahan’i Adonia no nitarika ho amin’izany, satria mbola te hahazo ny fanjakana izy, na dia efa namindra fo taminy aza i Solomona. Nankany amin’ny renin’i Solomona mantsy izy, ka niteny hoe: “Fantatrao tsara fa tokony ho ahy ny fanjakana, ary izaho no nandrandrain’ny Israely rehetra ho lasa mpanjaka, kanjo nifindra ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, fa avy tamin’i Jehovah no nahazoany izany.” Niaiky i Adonia teo fa i Jehovah no nahatonga an’i Solomona ho mpanjaka. Hita anefa hoe mbola te handrombaka ny fanjakana izy, rehefa jerena izay nangatahiny taorian’izay. Hoy izy tamin’i Batseba: ‘Mba mitenena re, azafady, amin’i Solomona Mpanjaka e! Mba asaivo homeny ho vadiko i Abisaga Sonemita.’ Nieritreritra angamba i Adonia fa betsaka ny mpomba azy, ary teo koa i Joaba sy Abiatara, ka afaka nikomy mba hanonganana an’i Solomona izy raha naka vady an’i Abisaga. Mpikarakara an’i Davida mantsy i Abisaga ary noheverina ho vadikeliny, na dia tsy nanao firaisana taminy aza i Davida. Izay olona nandimby ara-dalàna ny mpanjaka ihany no afaka naka ny vady sy vadikeliny. Nilaza ny tenany ho mpanjaka koa àry izay naka an’ireo vehivavy ireo. (Ampit. 2Sa 16:21, 22.) Tsy takatr’i Batseba ny hafetsen’i Adonia, ka nampitainy tany amin’i Solomona ilay fangatahana. Fitakiana ny fanjakana anefa izany, tamin’i Solomona. Tonga dia nasainy novonoin’i Benaia ho faty i Adonia.—1Mp 2:13-25.
-