-
BolaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Lasa ny volana fahavalo tamin’ny kalandrie ara-pivavahana ny Bola, rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israelita. Tamin’ny volana Bola no voaorin’i Solomona ny tempolin’i Jerosalema. (1Mp 6:38) Namorona fety tamin’io volana io kosa i Jeroboama, izay nanorina ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, satria tsy tiany hanembona an’i Jerosalema sy ny fety natao tany ny vahoaka.—1Mp 12:26, 31-33.
-
-
Fetin’ny Trano RantsankazoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mahaliana fa nanao fety (tamin’ny volana fahavalo, fa tsy fahafito) nitovitovy tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo i Jeroboama, mpanjakan’ireo foko folo tany avaratra, rehefa nisaraka tamin’i Rehoboama zanak’i Solomona, mba tsy hankanesan’ireo foko ireo any Jerosalema angamba. Natolotra ho an’ireo zanak’omby volamena nataony (zavatra efa noraran’i Jehovah) anefa ny fanatitra natao tamin’izany.—1Mp 12:31-33.
-