-
ArkeolojiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Misy tempoly ejipsianina lehibe hita tao Karnak (Thèbes fahiny) eo amoron’ny Reniranon’i Neily (Nil). Misy soratra eo amin’ny rindrina atsimo manaporofo fa tena nanafika an’i Palestina i Sisaka (Sesônka I) mpanjaka ejipsianina. (1Mp 14:25, 26; 2Ta 12:1-9) Ahitana babo palestinianina 156 voafatotra amin’ny tanany ilay sary mivohitra goavana mitantara ny fandreseny, ka ny babo iray mifanitsy amin’ny tanàna lehibe na kely iray, miaraka amin’ny anaran’ilay tanàna amin’ny soratra miendrika kisarisary. Anarana fantatra amin’ireo i Rabita (Js 19:20), Tanaka, Beti-sana sy Megido (nahitana ampahany amin’ny tsangambato misy soratra nataon’i Sisaka) (Js 17:11), Sonema (Js 19:18), Rehoba (Js 19:28), Hafraima (Js 19:19), Gibeona (Js 18:25), Beti-horona (Js 21:22), Aialona (Js 21:24), Soko (Js 15:35) ary Arada (Js 12:14). Azon’i Sisaka koa, hono, ny “Sahan’i Abrama.” Io no soratra ejipsianina tranainy indrindra miresaka momba an’i Abrahama. Hita tao Karnak koa ny tsangambaton’i Merneptah zanak’i Ramsès II mirakitra hira, ary io irery no soratra ejipsianina tranainy ahitana an’ilay anarana hoe Israely.
-
-
Ejipta, EjipsianinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nanomboka teo amin’i Sisaka (na hoe Sesônka I, ao amin’ny soratra ejipsianina) ny tarana-mpanjaka libyanina (ny “Tarana-mpanjaka Faha-22”), ary tao Bobastis ny renivohiny, teo amin’ny faritra atsinanan’ny Vinany. Nanafika an’i Joda i Sisaka tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama zanak’i Solomona (993 T.K.), ka nitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly maro be, ary koa miaramila nandeha an-tongotra nisy Libyanina sy Etiopianina. Namabo tanàna maro izy, ary efa saika azony tanteraka i Jerosalema. Tsy rava i Jerosalema noho ny famindram-pon’i Jehovah, nefa natolotra an’i Sisaka ny harem-be tao. (1Mp 14:25, 26; 2Ta 12:2-9) Asehon’ny sary mivohitra iray eo amin’ny rindrin’ny tempoly ao Karnak ny fanafihan’i Sisaka sy ny anaran’ny tanàna maro nobaboiny tany Israely sy Joda.
-