-
Asa, IFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Milaza ny 2 Tantara 16:1 fa nanafika an’i Joda i Basa “tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa.” Misalasala momba izany anefa ny olona sasany, satria tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa i Basa vao nanomboka nanjaka ary 24 taona monja ny fotoana nanjakany, izany hoe nifarana 10 taona teo ho eo talohan’ilay taona faha-36 nanjakan’i Asa. (1Mp 15:33) Misy milaza fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay izy, ka tokony hoe ny taona faha-16 na 26 nanjakan’i Asa. Azo ampifanarahina tsara anefa ireo andininy ireo, fa tsy voatery hoe nisy fahadisoana. Eken’ireo Jiosy mpivaofy teny ny voalazan’ny boky Seder Olam hoe nisaina nanomboka tamin’ny fotoana nizaran’ilay firenena, ka nampisy ny fanjakan’ny Joda (997 T.K.), ilay taona faha-36. Nifanitsy tsara tamin’ny taona faha-16 nanjakan’i Asa àry ilay taona faha-36 (I Rehoboama nanjaka 17 taona, i Abia nanjaka 3 taona, ary i Asa teo amin’ny faha-16 taona nanjakany). (Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, Londres, 1952, f.a.p. eo amin’ny 2Ta 16:1) Nitovy hevitra tamin’izany koa ny Arseveka Ussher. Toa mifanohitra koa ny 2 Tantara 15:19, izay milaza fa “tsy nisy ady intsony hatramin’ny taona fahadimy amby telopolo [raha ny marina, dia ny taona faha-15] nanjakan’i Asa”, sy ny 1 Mpanjaka 15:16 izay milaza fa “nisy ady teo amin’i Asa sy Basa mpanjakan’ny Israely, nandritra ny androm-piainan’izy ireo.” Mety hidika anefa izany fa rehefa nanomboka niady ireo mpanjaka roa ireo, dia tsy nitsahatra intsony, araka ny efa nolazain’i Hanany.—2Ta 16:9.
-