-
AhabaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy nofoanany ny fivavahan-diso. I Ahaba no anisan’ny nalaza ratsy indrindra tamin’ireo olona niala tamin’ny fivavahana marina. Efa voazimbazimba ny fivavahana tamin’i Jehovah tamin’izay, noho ilay fivavahana tamin’ny zanak’omby volamena natombok’i Jeroboama. Tsy nofoanan’i Ahaba izany. Navelany hiroborobo be teo amin’ny Israely koa ny fivavahana tamin’i Bala, noho izy naka vady an’i Jezebela, zanakavavin’i Etibala mpanjakan’i Sidona. Nanonona ny tenin’i Ménandre, mpahay tantara, i Josèphe ao amin’ny bokiny (Diso Hevitra i Apion, I, 123 [18]), ary nantsoiny hoe Itobala i Etibala. Resahiny ao fa mpisoron’i Astarta i Itobala, ary novonoin’i Itobala ny mpanjaka mba hakany ny toerany.
Nanambady an’i Jezebela mpanompo sampy i Ahaba ka nanaiky hotaominy hanompo an’i Bala sy hanorina tempoly ho azy, ary hanao tsato-kazo masina hanomezam-boninahitra an’i Aseraha. (1Mp 16:30-33) Vetivety dia lasa 450 ny mpaminanin’i Bala ary 400 ny mpaminanin’ny tsato-kazo masina. Samy nihinana teo an-databatr’i Jezebela tao an-dapan’ny mpanjaka izy ireo. (1Mp 18:19) Novonoina tamin’ny sabatra ny mpaminanin’i Jehovah, ka saika ringana izy ireo raha tsy teo ilay lehilahy nanam-pinoana atao hoe Obadia, mpiandraikitra ny tao an-tranon’i Ahaba. Nafeniny tao anaty lava-bato ny mpaminanin’i Jehovah 100 lahy, ary nitondrany mofo sy rano mba tsy ho faty.—1Mp 18:3, 4, 13; 19:10.
-
-
BalaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nentin’i Balaka Mpanjaka niakatra teny Bamota-bala (“Toerana Avon’i Bala”) i Balama, mba hitazana an’ireo Israelita maro be nitoby teo amin’ny Lemak’i Moaba. (No 22:41) Tsy nahavita nanozona ny Israelita anefa i Balama. Nanoro hevitra an’i Balaka àry izy mba hitaona an’ireo Israelita hanompo sampy sy hijangajanga amin’ireo vehivavy mpivavaka tamin’i Balan’i Peora. Israelita an’arivony no voataona ka maty.—No 22:1–25:18; Ap 2:14.
-
-
EtibalaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
ETIBALA
(Etibàla) [Miaraka Amin’ny Bala].
Mpanjakan’ny Sidonianina sady rain’i Jezebela vadin’i Ahaba Mpanjaka. (1Mp 16:31) Nanao fifanarahana ara-politika tamin’i Ahaba i Etibala, tamin’izy nanome ny zanany vavy ho vadiny. Azo inoana fa i Etibala ilay Itobala mpisoron’i Astarta andriamanibavy noresahin’i Ménandre mpahay tantara, hoy i Josèphe. Lasa mpanjaka, hono, io mpisorona io rehefa avy namono an’i Felesy, taranak’i Hirama mpanjakan’i Tyro (ilay nanampy an’i Solomona tamin’ny fanorenana ny tempoly). Velona 48 taona, hono, i Etibala, ary nanjaka 32 taona. (Diso Hevitra i Apion, I, 123 [18]) Niroborobo be ny varotra tamin’ny andron’i Etibala, matoa nilaza i Ménandre fa nanorina an’i Auza tany Libya i Etibala. Nilaza koa izy fa nisy hain-tany naharitra herintaona tamin’ny andron’io mpanjaka io.—Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 324 (xiii, 2).
-