Tena Misy ve Andriamanitra Aminao?
REHEFA tojo zava-manahirana mampahory ianao, moa ve ianao tsy misalasala manatona an’Andriamanitra ao amin’ny vavaka? Raha izany no izy, moa ve tsapanao fa miresaka amin’ny olona iray tena misy ianao?
Rehefa niresaka momba ny Rainy any an-danitra i Jesosy Kristy, dia nilaza toy izao: “Tena misy ilay naniraka ahy”. (Jaona 7:28, NW ). Eny, tena misy i Jehovah Andriamanitra, ary ny fivavahana aminy dia toy ny fitodihana any amin’ny tena namana akaiky iray mba hahazoana fanampiana na torohevitra. Mazava ho azy fa tsy maintsy mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina ny vavaka ataontsika vao hohenoin’Andriamanitra. Ohatra, tsy maintsy manatona amim-panetren-tena an’ilay “Mpihaino vavaka”, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, isika. — Salamo 65:2; 138:6; Jaona 14:6.
Mety hihevitra ny sasany fa noho Andriamanitra tsy hita maso, dia tsy tena misy izy. Aminy, Andriamanitra dia mety ho toa tsy manana ny mahaizy azy. Na ireo Kristianina sasany izay nianatra momba ireo toetra mahatalanjon’Andriamanitra aza, dia mety hahita fa sarotra indraindray ny mahatsapa hoe tena misy izy. Efa nihatra taminao ve izany? Raha eny, inona no afaka manampy mba hahatonga an’i Jehovah Andriamanitra ho tena misy aminao?
Mianara ny Soratra Masina
Mianatra tsy tapaka ny Soratra Masina ve ianao? Raha atao tsy tapaka sy amin’ny fomba lalina ny fianaranao ny Baiboly, dia ho tena misy i Jehovah Andriamanitra aminao. Amin’izay dia hohatanjahina ny finoanao, ka hahatonga anao ho ‘toy ny mahita maso an’ilay Andriamanitra tsy hita’, raha ny marina. (Hebreo 11:6, 27, DIEM ). Etsy an-danin’izany kosa, raha mahalana na tsindraindray no anaovana ny fianarana ny Baiboly, dia azo inoana fa tsy hisy akony lehibe eo amin’ny finoanao izany.
Indro misy ohatra: Aoka hatao hoe asain’ny dokotera manosotra fanafody indroa isan’andro ianao, mba hanalana hidihidy maharitra. Hijanona ve ny hidihidinao raha tsy mampiasa ilay fanafody fanosotra afa-tsy indray mandeha na indroa isam-bolana monja ianao? Tsy azo inoana izany. Toy izany koa, ny mpanao salamo dia manome antsika “toromarika” mba hahazoana fahasalamana ara-panahy. Vakio “[amin’ny feo iva, NW ] andro aman-alina” ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 1:1, 2). Mba handraisan-tsoa bebe kokoa hatrany, dia ilaintsika ny manaraka ilay “toromarika” hoe: Mandinika isan’andro ny Tenin’Andriamanitra miaraka amin’ny fanampian’ny zavatra vita an-tsoratra kristianina. — Josoa 1:8.
Irinao ve ny hahatonga ny fotoam-pianaranao hanatanjaka bebe kokoa ny finoanao? Indro misy fanoloran-kevitra iray: Rehefa avy mamaky toko iray ao amin’ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao na Baiboly hafa misy fanondroana andininy hafa ianao, dia mifidiana andinin-teny mahaliana iray, ary jereo ireo andinin-teny voatonona. Hanatsara ny fianaranao izany, ary tsy isalasalana fa hampiaiky volana anao ny firindrana anaty ananan’ny Baiboly. Ary izany kosa dia hahatonga an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’izy io, ho tena misy kokoa aminao.
Ho fantatrao koa ireo faminanian’ny Baiboly sy ny fahatanterahan’izy ireny, rehefa mampiasa fanondroana andininy hafa ianao. Angamba fantatrao ireo faminaniana lehibe ao amin’ny Baiboly, toy ireo mifandray amin’ny nandringanan’ny Babylonianina an’i Jerosalema. Kanefa mirakitra fitambarana faminaniana mifandray sy ny fahatanterahany, ny Baiboly. Tsy be mpahalala ny sasany amin’izy ireny.
Vakio, ohatra, ilay faminaniana momba ny sazy noho ny fanorenana indray an’i Jeriko, ary diniho ny fahatanterahany avy eo. Milaza toy izao ny Josoa 6:26: “Nilaza fanozonana Josoa tamin’izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan’i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray: ny ain’ny lahimatoany no ho sazin’ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ny faralahiny no ho sazin’ny hananganany ny vavahadiny.” Tanteraka izany, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana, satria izao no vakintsika ao amin’ny 1 Mpanjaka 16:34: “Tamin’ny andron’i Ahaba [Mpanjaka] no nanorenan’i Hiela Betelita an’i Jeriko; ny ain’i Abirama lahimatoany no sazin’ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’i Segoba faralahiny no sazin’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Josoa, zanak’i Nona.”a Ny Andriamanitra iray tena misy ihany no afaka manome tsindrimandry faminaniana toy izany ary manao izay hahatanteraka izany.
Rehefa mamaky ny Baiboly ianao, dia mety hanjary ho liana ny amin’ny lafin-javatra manokana iray. Mety hanontany tena ianao, ohatra, hoe firy taona no lasa teo anelanelan’ny faminaniana iray sy ny fahatanterahany. Nahoana raha ny tenanao mihitsy no manao ezaka mba hahitana ny valiny, toy izay hanontany olona fotsiny? Amin’ny fampiasana ireo tabilao sy boky fianarana Baiboly, dia tadiavo hatrany amim-pahazotoana ireo valiny, sahala amin’ny hiezahanao hamaky sarintany iray manondro toerana misy harena. (Ohabolana 2:4, 5). Hisy fiantraikany lalina eo amin’ny finoanao sy hahatonga an’i Jehovah Andriamanitra ho tena misy kokoa aminao, ny fahitana ireo valiny.
Mivavaha tsy tapaka sy amin-kafanam-po
Aza atao tsinontsinona ny mahazava-dehibe ny vavaka sy ny finoana. Nanao izao fangatahana mivantana izao ny mpianatr’i Jesosy: “Ampitomboy ny finoanay.” (Lioka 17:5). Raha toa ka tsy tena misy i Jehovah aminao, nahoana raha mivavaka aminy momba ny ilanao hampitombo finoana? Mangataha amim-patokiana amin’ny Rainao any an-danitra mba hanampiany anao hanao azy ho tena misy aminao.
Raha misy zava-manahirana mitambesatra ao an-tsainao, dia makà ny fotoana ilaina mba hiresahana amim-pahatsorana amin’ilay Namanao any an-danitra. Nivavaka mafy i Jesosy fony izy nadiva ho faty. Na dia nanameloka ilay fanao ara-pivavahana izay anaovana vavaka lavareny natao ho hitan’ny besinimaro aza i Jesosy, dia nandany ny alina tontolo izy nivavahana nitokana talohan’ny nifidianany ireo apostoliny 12. (Marka 12:38-40; Lioka 6:12-16). Afaka maka lesona avy amin’i Hana, izay tonga renin’i Samoela mpaminany koa isika. Noho izy naniry mafy zanakalahy iray, dia “naharitra nivavaka teo anatrehan’i Jehovah izy”. — 1 Samoela 1:12.
Inona no lesona fototra ao amin’izany rehetra izany? Raha irinao ny hahazo valim-bavaka, dia tsy maintsy mivavaka amim-pahatsorana, amin-kafanam-po, tsy misy fitsaharana ianao — ary, mazava ho azy, fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Lioka 22:44; Romana 12:12; 1 Tesaloniana 5:17; 1 Jaona 5:13-15). Hahatonga an’Andriamanitra ho tena misy aminao, ny fanaovana izany.
Diniho ny zavatra noforonina
Afaka mampiharihary ny mahaizy ny mpanakanto iray ny sary hoso-doko nataony. Toy izany koa fa hita mazava tsara amin’ny zavatra noforoniny ny ‘toetra tsy hita mason’i Jehovah’, ilay Mpamolavola sy Mpamorona izao rehetra izao. (Romana 1:20, NW ). Rehefa mandinika amim-pitandremana ny asa tanan’i Jehovah isika, dia mahazo fahatakarana tsara kokoa ny mahaizy azy, ary amin’izay dia manjary tena misy kokoa izy amintsika.
Raha lasa lavitra kokoa noho ny fandinihana ivelany fotsiny ireo zavatra noforonin’Andriamanitra ianao, dia mety hiaiky volana ny amin’ny toetrany. Ny fanazavana momba ny fahaizan’ny vorona manao dia lavitra an-dranomasina, ohatra, dia mety hampitombo ny fankasitrahanao ny fahendren’i Jehovah. Rehefa mianatra momba izao rehetra izao ianao, dia mety hahafantatra fa ny Voie lactée, izay tokony ho 100 000 années-lumière ny savaivony, dia iray monja amin’ireo vahindanitra an’arivo tapitrisany maro manerana ny habakabaka. Moa ve izany tsy mandentika ao an-tsainao fa tena misy ny fahendren’ny Mpamorona?
Azo antoka fa tena misy ny fahendren’i Jehovah! Inona anefa no dikan’izany aminao? Azo inoana fa tsy sarotra aminy ny mahatakatra ireo zava-manahirana entintsika any aminy ao amin’ny vavaka. Eny, na dia fahalalana kely dia kely ny amin’ny zavatra noforonina aza dia afaka mahatonga an’i Jehovah ho tena misy kokoa aminao.
Miaraha mandeha amin’i Jehovah
Afaka mahatsapa ny mahatena misy an’i Jehovah ve ny tenanao manokana? Eny, raha sahala amin’i Noa, ilay patriarika nahatoky, ianao. Nankato mandrakariva an’i Jehovah izy, hany ka azo natao ny nilaza hoe: “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa.” (Genesisy 6:9). Teo amin’ny fiainan’i Noa, dia toy ny hoe teo anilany mihitsy i Jehovah. Afaka ny ho tena misy toy izany koa Andriamanitra aminao.
Raha miara-mandeha amin’Andriamanitra ianao, dia matoky ny fampanantenana araka ny Soratra Masina ary manao zavatra mifanaraka amin’izany. Inoanao, ohatra, ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany [ny an’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany rehetra izany [ireo zavatra ilaina ara-nofo].” (Matio 6:25-33). Marina, fa mety tsy hanome foana izay ilainao araka ny antenainao i Jehovah. Kanefa, rehefa mivavaka ianao ary mahita ny fanampian’Andriamanitra avy eo, dia ho tena misy izy aminao, eny, toy ny olona iray eo anilanao.
Mitombo tsikelikely ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah toy izany, arakaraka ny hanohizan’ny olona iray miara-mandeha amin’Andriamanitra. Hevero i Manuela, Vavolombelona iray miteny espaniola, izay niaritra fisedrana maro. Hoy izy: “Isaky ny sahiran-tsaina na mila vonjy aho dia mampihatra ilay foto-pitsipika hita ao amin’ny Ohabolana 18:10. Mitodika any amin’i Jehovah aho mba hahazo fanampiana. ‘Tilikambo mafy’ ho ahy foana izy.” Afaka nilaza izany i Manuela, rehefa 36 taona no nianteherany tamin’i Jehovah sy nahitany ny fanohanany.
Moa ve ianao vao manomboka manao an’i Jehovah ho tokinao? Aza kivy raha mbola tsy araka ny anirianao azy ny fifandraisanao aminy. Aoka ianao hiaina isan’andro toy ny olona miara-mandeha amin’Andriamanitra. Rehefa manorina fomba fiaina mampiseho fahatokiana ianao, dia hanjary hanana fifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah. — Salamo 25:14; Ohabolana 3:26, 32.
Fomba iray hafa hiaraha-mandeha amin’Andriamanitra ny fikelezana aina fatratra eo amin’ny fanompoana azy. Rehefa manao ny asa fitoriana ilay Fanjakana ianao, dia tonga mpiara-miasa amin’i Jehovah. (1 Korintiana 3:9). Ny fahafantarana izany dia manampy mba hahatonga an’Andriamanitra ho tena misy aminao.
Mampirisika toy izao ny mpanao salamo: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” (Salamo 37:5). Aza mitsahatra na oviana na oviana miankina amin’Andriamanitra na inona na inona enta-mavesatra na fanahiana anananao. Mitodiha any aminy foana mba hahazoana fanampiana sy tari-dalana. Raha miantehitra amin’i Jehovah Andriamanitra amim-bavaka sy mitoky tanteraka aminy foana ianao, dia hahatsapa tsy fananana ahiahy, satria fantatrao fa tsy hitsahatra hanao zavatra ho anao izy. Manana fitokisana ve ianao rehefa manatona an’i Jehovah mba hilaza ireo fanahianao manokana? Hanana izany ianao — raha tena misy Andriamanitra aminao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Vakio ny ohatra hafa iray momba ny fandotoana ny alitaran’i Jeroboama, nambara mialoha ao amin’ny 1 Mpanjaka 13:1-3. Mariho avy eo ilay fahatanterahany voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 2 Mpanjaka 23:16-18.
[Sary, pejy 21]
Ataovy manatanjaka ny finoana ny fotoam-pianaranao
[Sary, pejy 22]
Makà fotoana hanaovana vavaka tsy tapaka sy amin-kafanam-po
[Sary, pejy 23]
Diniho ny fomba ihariharian’ny toetran’Andriamanitra eo amin’ny zavatra noforonina
[Sary nahazoan-dalana]
Soy: U.S. Fish and Wildlife Service, Washington, D.C./Dean Biggins; kintana: Photo: Copyright IAC/RGO 1991, Dr. D. Malin et al, Isaac Newton Telescope, Roque de los Muchachos Observatory, La Palma, Canary Islands