-
‘Tena Mahery i Jehovah’Manatòna An’i Jehovah
-
-
15. Nahoana i Jehovah no mampiasa ny heriny ho an’ny mpanompony? Ahoana no nisehoan’izany tamin’i Elia?
15 Ampiasain’i Jehovah mba hahasoa antsika tsirairay koa ny heriny. Mariho izao lazain’ny 2 Tantara 16:9 izao: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, satria izy te hampiasa ny heriny mba hanampiana an’izay manompo azy amin’ny fo manontolo.” Ohatra amin’izany ny zavatra niainan’i Elia, voaresaka terỳ am-piandohana. Nahoana i Jehovah no nampiharihary ny heriny taminy? Izao no zava-nitranga: Efa nianiana hamono an’i Elia i Jezebela mpanjakavavy ratsy fanahy. Nandositra ilay mpaminany. Nahatsiaro ho nanirery izy, natahotra, kivy, satria toy ny hoe herim-po very maina ny nataony. Nampahatsiahivin’i Jehovah azy ny heriny, mba hampaherezana azy. Nasehon’ilay rivotra sy ilay horohoron-tany ary ilay afo fa niaraka tamin’i Elia teo ilay Mahery Indrindra. Inona no tokony hatahorany an’i Jezebela, raha manampy azy ilay Andriamanitra mahery indrindra?—1 Mpanjaka 19:1-12.b
-
-
‘Tena Mahery i Jehovah’Manatòna An’i Jehovah
-
-
b Milaza ny Baiboly fa ‘tsy tao amin’ilay rivotra, horohoron-tany, ary afo’ i Jehovah. Tsy mitovy amin’ireo mivavaka amin’ny zavaboary ny mpanompon’i Jehovah, ka tsy mitady an’i Jehovah ao amin’ny herin’ny natiora. Tena lehibe i Jehovah, ka tsy hisy zavatra noforoniny ho afaka hitoerany.—1 Mpanjaka 8:27.
-