-
AhabaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Asa fanorenana tao an-drenivohitra sy fandresena an’i Syria. Nanorina zavatra maro i Ahaba Mpanjaka. Azo inoana fa izy no namita ireo manda lehibe nanodidina an’i Samaria. Hitan’ny mpikaroka fa manda telo lehibe mafy tena tsara voatra izany. Hita tamin’ny fikarohana tany ambanin’ny tany koa ny toerana avoavo marin-tampona nisy ny lapa. Mahitsizoro ilay izy ary nirefy 90 m x 180 m teo ho eo. Voakaly tsara ireo vato narafitra nananganana ny fefin’ilay izy. Nahitana takelaka maro vita tamin’ny ivoara teo amin’ilay toerana. Nandravahana fanaka sy rindrina izy ireny, angamba tao amin’ilay “trano ivoara” natsangan’i Ahaba, resahin’ny 1 Mpanjaka 22:39.—SARY, Boky 1, p. 948; ampit. Am 3:15; 6:4.
-
-
ArkeolojiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Naorina teo amin’ny havoana iray mirefy 90 m eo ho eo i Samaria, renivohitry ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Afaka niaritra fahirano naharitra ela be ny mponina tao amin’io tanàna voaro mafy io, rehefa notafihin’ny Syrianina (2Mp 6:24-30) sy ny Asyrianina. (2Mp 17:5) Nanana manda lehibe roa sosona mantsy izy io, ary nisy 10 m mihitsy aza ny hatevin’ny ampahany sasany. Nahitana rafi-bato tena vita tsara koa tao, ary mety ho natao tamin’ny andron’i Omry, Ahaba, ary Jeho Mpanjaka izy ireny. Mirefy 90 m x 180 m eo ho eo ilay toerana avoavo marin-tampona toa nisy ny lapa. Nahitana zavatra sy takelaka maro be vita amin’ny ivoara teo amin’ilay toerana. Angamba nanamboarana an’ilay trano ivoaran’i Ahaba izy ireo. (1Mp 22:39; ampit. Am 6:4.) Nisy dobo lehibe vita tamin’ny simenitra teo amin’ny zorony avaratrandrefan’ilay tampon-kavoana, ary mirefy 10 m eo ho eo ny lavany ary 5 m eo ho eo ny sakany. Io angamba ilay “dobon’i Samaria”, ary teo no nosasana ny kalesin’i Ahaba feno ny rany.—1Mp 22:38.
-
-
TranoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Haingon-trano sy fanaka. Nopetahana takelaka hazo sedera na hazo sarobidy hafa nolokoana mena volon-daoranjy ny rindrin’ny tranon’ny mpanankarena. (Je 22:14; Hg 1:4) Nopetahana takela-kazo voaravaka ivoara kosa ny an’ireo “trano ivoara” nipetrahan’ny mpanankarena sasany. (1Mp 22:39; Am 3:15) Fandriana, seza, latabatra, ary fitoeran-jiro angamba no fanaka tao an-trano, ankoatra ny kojakojan-dakozia sy harona ary sobika. (Ampit. 2Sa 4:11; 2Mp 4:10; Sl 41:3; Mt 5:15.) Nisy noravahana ivoara sy volamena ary volafotsy ny fanaky ny mpanankarena.—Ampit. Es 1:6; Am 3:12; 6:4.
-