‘Marina Amiko va ny Fonao?’
“Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an’i Jehovah.” — 2 MPANJAKA 10:16.
1, 2. a) Ahoana no niharatsian’ny toe-javatra ara-pivavahana teo amin’ny Isiraely? b) Fiovana nanaitra inona avy no nadiva hitranga teo amin’ny Isiraely tamin’ny 905 al.f.i.?
FOTOAM-PIOVANA be teo amin’ny Isiraely ny taona 905 al.f.i. Efa ho 100 taona talohan’izay ilay fanjakan’ny Isiraely nitambatra dia nampisarahin’i Jehovah, noho ny fivadiham-pinoan’i Solomona. (1 Mpanjaka 11:9-13). Tamin’izay ny Joda, ilay fanjakana atsimo, dia notantanan’i Rehoboama zanak’i Solomona, ary Isiraely, ilay fanjakana avaratra kosa, dia nanjary teo ambany fanapahan’i Jeroboama Mpanjaka, izay Efraimita. Nampalahelo fa nanam-piandohana nahatsiravina ilay fanjakana avaratra. Tsy nirin’i Jeroboama ny hidinan’ny olom-peheziny hankany amin’ilay fanjakana atsimo mba hanolotra fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly, sao ho tonga ao an-tsain’izy ireo ny hiverina amin’ny ankohonan’i Davida. Koa nanangana ny fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahy kely izy, ka nanorina modelim-panompoan-tsampy naharitra elaela ihany, nandritra ny tantaran’ny fanjakana avaratra manontolo. — 1 Mpanjaka 12:26-33.
2 Niharatsy ny toe-javatra rehefa tonga mpanjaka i Ahaba, zanak’i Omry. Nampandroso ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala sy namono ny mpaminanin’i Jehovah, i Jezebela vadiny izay hafa firenena. Na dia teo aza ny fampitandremana tsy niolakolaka nataon’i Elia mpaminany, dia tsy nanao na inona na inona mba hampijanonana ny vadiny, i Ahaba. Tamin’ny 905 al.f.i. anefa, dia maty i Ahaba, ary i Jehorama zanany no nanapaka. Tonga tamin’izay ny fotoana hanadiovana ilay tany. I Elisa, mpandimby an’i Elia, dia nampilaza tamin’i Jeho, komandy miaramila, fa nanosotra azy ho mpanjaka manaraka, teo amin’ny Isiraely, i Jehovah. Nirahina hanao inona izy? Mba hamongotra ny ankohonan’i Ahaba ratsy fanahy sy mba hamaly ny ran’ireo mpaminany izay nalatsak’i Jezebela! — 2 Mpanjaka 9:1-10.
3, 4. Ahoana no nanehoan’i Jonadaba fa ‘marina tamin’ny fon’i Jeho’ ny fony?
3 Nankatò ny baikon’Andriamanitra i Jeho ka nampamono an’i Jezebela ratsy toetra, ary avy eo dia nanomboka nanadio ny Isiraely, tamin’ny famongorana ny ankohonan’i Ahaba. (2 Mpanjaka 9:15–10:14, 17). Nihaona tamin’ny mpanohana iray izy avy eo. “Nahita an’i Jonadaba, zanakalahin’i Rekaba, avy manatona azy [i Jeho]; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tànana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin’i Jeho ho eo aminy teo anatin’ny kalesy izy. Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an’i Jehovah. Dia nentina teo amin’ny kalesy izy.” — 2 Mpanjaka 10:15, 16.
4 Tsy Isiraelita i Jonadaba. Na dia izany aza, dia mpanompon’i Jehovah izy, mifanaraka amin’ny anarany (izay midika hoe “Vonona i Jehovah”, “Mendri-kaja i Jehovah” na hoe “Malala-tanana i Jehovah”). (Jeremia 35:6). Azo antoka fa niavaka ny fahalianany hahita ny ‘zotom-pon’i Jeho ho an’i Jehovah’. Ahoana no ahafantarantsika izany? Tsy kisendrasendra ny fihaonany tamin’ilay voahosotra ho mpanjakan’ny Isiraely. “Avy nanatona azy” i Jonadaba, ary izany dia tamin’ny fotoana efa nandringanan’i Jeho an’i Jezebela sy olon-kafa tao amin’ny ankohonan’i Ahaba. Fantatr’i Jonadaba izay nitranga fony izy nanaiky ilay fanasan’i Jeho hiakatra tao anatin’ny kalesiny. Nazava tsara fa niandany tamin’i Jeho — sy tamin’i Jehovah — izy tao amin’io ady nifanoheran’ny fanompoam-pivavahana diso sy marina io.
Jeho amin’ny andro maoderina sy Jonadaba amin’ny andro maoderina
5. a) Fiovana inona avy no hitranga tsy ho ela amin’ny taranak’olombelona manontolo? b) Iza ilay Jeho Lehibe, ary iza no misolo tena azy eto an-tany?
5 Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny Isiraely tamin’ny 905 al.f.i., dia hiova tanteraka tsy ho ela ny toe-javatra ho an’ny taranak’olombelona manontolo. Akaiky izao ny fotoana hanadiovan’i Jehovah ny tany tsy hisy ireo voka-dratsy rehetra nentin’ny hery fitaoman’i Satana, tafiditra amin’izany ny fivavahan-diso. Iza no Jeho amin’ny andro maoderina? Tsy iza fa i Jesosy Kristy, izay iantefan’ireto teny ara-paminaniana ireto: “Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. Ary mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao, noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana”. (Salamo 45:3, 4). Misolo tena an’i Jesosy eto an-tany ny “Isiraelin’Andriamanitra”, dia ireo Kristiana voahosotra “izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy [manao ny asa fanambarana, NW ] an’i Jesosy”. (Galatiana 6:16; Apokalypsy 12:17). Nanomboka tamin’ny 1922, ireo voahosotra, rahalahin’i Jesosy, dia tsy natahotra nampitandrina ny amin’ny fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany ho avy. — Isaia 61:1, 2; Apokalypsy 8:7–9:21; 16:2-21.
6. Iza no nivoaka avy amin’ny firenen-tsamihafa mba hanohana ireo Kristiana voahosotra, ary ahoana no niakaran’izy ireo, ara-panoharana, tao amin’ny kalesin’ilay Jeho Lehibe?
6 Tsy irery ireo Kristiana voahosotra. Toy ny nivoahan’i Jonadaba mba hihaona tamin’i Jeho, no nivoahan’olona maro avy amin’ny firenen-tsamihafa mba hanohana an’i Jesosy, ilay Jeho Lehibe, sy ireo solontenany eto an-tany, eo amin’ny fiandaniany amin’ny fanompoam-pivavahana marina. (Zakaria 8:23). Nantsoin’i Jesosy hoe ‘ondriny hafa’ izy ireo, ary tamin’ny 1932, dia fantatra fa izy ireo no olona amin’ny andro maoderina izay mifanitsy amin’i Jonadaba fahiny ka nasaina ‘hiakatra ao anatin’ny kalesin’ilay’ Jeho amin’ny andro maoderina izy ireo. (Jaona 10:16). Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny ‘fitandremany ny didin’Andriamanitra’ sy amin’ny fandraisany anjara miaraka amin’ny voahosotra eo amin’ny “asa fanambarana an’i Jesosy”. Amin’ny andro maoderina, dia voafaoka ao anatin’izany ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina, izay tapahin’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka azy. (Marka 13:10). Tamin’ny 1935 dia fantatra fa ireny “Jonadaba” ireny no “olona betsaka” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17.
7. Ahoana no nanehoan’ireo Kristiana amin’izao andro izao fa ‘mbola marina’ amin’ny fon’i Jesosy ihany ny ‘fon’izy ireo’?
7 Nanomboka tamin’ireo taona 1930, ny olona betsaka sy ireo rahalahiny voahosotra dia nanaporofo tamin-kerim-po ny fanohanany ny fanompoam-pivavahana marina. Maro tamin’izy ireny no maty noho ny finoany, tany amin’ny tany sasany any Eoropa Atsinanana sy Andrefana, any Extrême-Orient sy Afrika. (Lioka 9:23, 24). Tany an-tany hafa izy ireo dia natao am-ponja, norotahana, na raha tsy izany, dia nenjehina. (2 Timoty 3:12). Endrey izany finoana nampiavaka ny tantaram-piainan’izy ireo! Ary asehon’ny Tatitra Momba ny Taom-panompoana 1997 fa mbola tapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra izy ireo, na inon-kidona na inon-kihatra. ‘Mbola marina’ amin’ny fon’i Jesosy ihany ny ‘fon’izy ireo’. Niseho izany tamin’ny 1997, rehefa nisy mpitory ilay Fanjakana 5 599 931, saiky “Jonadaba” avokoa izy rehetra, nandany ora nitontaly 1 179 735 841 teo amin’ny asa fanambarana an’i Jesosy.
Mbola mitory amin-jotom-po
8. Ahoana no anehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zotom-pony ho an’ny fanompoam-pivavahana marina?
8 Nalaza ho nampiriotra ny kalesiny i Jeho ary izany dia porofon’ny zotom-pony hanatontosa ilay asa nampanaovina azy. (2 Mpanjaka 9:20). I Jesosy, ilay Jeho Lehibe, dia lazalazaina ho ‘ritra aina’ noho ny zotom-pony. (Salamo 69:9). Tsy mahagaga àry raha voamarika noho ny zotom-pony ny Kristiana marina amin’izao andro izao. Izy ireo dia ‘mitory ny teny amim-pahazotoana na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana’ na ao anatin’ny kongregasiona na amin’ny besinimaro. (2 Timoty 4:2). Niharihary indrindra ny zotom-pon’izy ireo nandritra ny tapany voalohany tamin’ny taona 1997, rehefa avy nampirisika olona maro araka izay azo atao mba handray anjara amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy ny lahatsoratra iray tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Nametra isa hotratrarina teo amin’ny mpisava lalana mpanampy, ny tany tsirairay. Nanao ahoana ny fandraisana izany? Niavaka! Sampana maro no nihoatra ilay isa notratrarina. Efatra arivo no tanjon’i Ekoatera, kanefa tamin’ny Martsa, dia mpisava lalana mpanampy 6 936 no tao amin’ny tatitra nataony. Nandritra ireo telo volana ireo, dia nitontaly ho 104 215 ny tao amin’ny tatitra nataon’i Japon. Tany Zambia, izay 6 000 no tarigetra, dia mpisava lalana mpanampy 6 414 no nanao tatitra tamin’ny Martsa; 6 532 tamin’ny Aprily; ary 7 695 tamin’ny May. Maneran-tany, ny tampon’isan’ny mpisava lalana mpanampy sy maharitra mitambatra, dia 1 110 251, fitomboana 34,2 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny 1996!
9. Ho fanampin’ny fitoriana isan-trano, inona avy no fomba ahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah olona mba hilazana aminy ny vaovao tsara?
9 Hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo loholona tao Efesosy: “Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano”. (Asan’ny Apostoly 20:20). Manahaka ny ohatr’i Paoly ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao ka mitory amin-jotom-po ny vaovao tsara isan-trano. Mety tsy ho mora anefa ny mahita olona any an-tranony. Noho izany, ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia mampirisika ireo mpitory ilay Fanjakana mba hanatona ny olona eny amin’ny toerana iasany, eny amin’ny arabe, eny amoron-dranomasina, eny amin’ireo zaridainam-panjakana — na aiza na aiza mety hahitana olona. (Matio 24:45-47, NW ). Tsara dia tsara ny vokatra azo.
10, 11. Inona no hevitra tsara hitan’ireo mpitory tany amin’ny tany roa, mba hahitana olona liana izay tsy mety tratra an-trano, raha ny ara-dalàna?
10 Nitory teny amin’ny arabe ivelan’ny gara ny antokona mpitory vitsivitsy tany Copenhague, any Danemark. Nanomboka tamin’ny Janoary ka hatramin’ny Jona, izy ireo dia nahapetraka gazety 4 733, tafaresaka tamin’olona maro be sy nanao fiverenana mitsidika maro. Mpitory maromaro ao amin’io tany io no nanorina lalana fizarana gazety any amin’ireo faritra be fivarotana. Isaky ny zoma, dia nisy tsena be nahitana mpitsidika an’arivony maro, tao amin’ny tanàna iray. Noho izany, dia nandamina fitoriana teny an-tsena tsy tapaka ny kongregasiona. Tany amin’ny faritra iray, ireo sekoly dia notsidihina niaraka tamin’ny fonosan’entana iray ho fampahalalana, izay nirakitra zavatra vita an-tsoratra mifanentana indrindra amin’ireo mpampianatra any an-tsekoly.
11 Nisy ezaka koa natao mba hanatratrarana ireo izay tsy hita any an-trano, tany Hawaii. Voafaoka tao amin’ireo faritany manokana ireo faritra falehan’ny besinimaro (arabe, zaridaina, parking sy toerana fiandrasana aotobisy), ireo faritra be toeram-piasana, ireo toerana be fivarotana sy ireo seranam-piaramanidina, ny fitoriana an-telefaonina, ny fitateram-bahoaka (fitoriana eny ambony aotobisy), sy ireo fonenan’ny mpianatry ny oniversite. Misy fitandremana atao mba hahazoana antoka fa araka ny antonona tsara ny isan’ny Vavolombelona tendrena ho amin’ny faritany tsirairay, ary mba ho voaofana araka ny tokony ho izy ireo voatendry. Misy ezaka voalamina tsara toy izany nahazoana tatitra avy any amin’ny tany maro. Ho vokatr’izany, dia tratra ny olona liana izay azo inoana fa tsy ho hita mihitsy tamin’ny fanompoana isan-trano.
Miorina mafy
12, 13. a) Tetik’ady inona no nampiasain’i Satana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona 1997? b) Tamin’ny fomba ahoana no nitondra vokany tsy nampoizina ny fampielezan-kevitra diso tany amin’ny tany iray?
12 Niharan’ny fampielezan-kevitra diso sy feno hasiahana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maromaro, tamin’ny 1997. Toa natao izany mba hahafahana hitory azy ireo any amin’ny fitsarana. Tsy nihontsina anefa izy ireo! (Salamo 112:7, 8). Nitadidy ilay vavaka nataon’ny mpanao salamo toy izao izy ireo: “Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; amin’ny foko rehetra no itandremako ny didinao.” (Salamo 119:69). Izany fampielezan-dainga izany dia tsy inona fa porofon’ny fankahalana an’ireo Kristiana marina, araka ny faminanian’i Jesosy. (Matio 24:9). Ary nitondra vokany tsy nampoizina izany indraindray. Namaky lahatsoratra nanambany Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny gazety iray mpiseho isan’andro be mpahalala, ny lehilahy iray tany Belzika. Tafintohina noho ireo fanamarihana feno fanendrikendrehana izy ka nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana iray ny alahady nanaraka izay. Nanao fandaharana izy mba hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelona ary nanohy nandroso haingana. Mpikambana tao amin’ny andian-jiolahy iray io lehilahy io talohan’izay. Nanampy azy hanadio ny fiainany ny fianarany ny Baiboly, ary voamariky ny olona nanodidina azy izany. Azo antoka fa tsy tao an-tsain’ilay mpanoratra an’ilay lahatsoratra feno fanendrikendrehana, izany vokatra izany!
13 Ny olona tso-po sasany tany Belzika dia niteny tamin-kasahiana nanohitra ilay fampielezan-kevitra feno fitaka. Anisan’ireny ny praiminisitra taloha iray izay niaiky fa nidera ny zava-bitan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ary nanoratra toy izao ny solombavam-bahoaka iray: “Tsy araka ireo fanaratsiana naely ombieny ombieny fa, amiko, [ny Vavolombelon’i Jehovah] dia toa tsy mampidi-doza na dia kely akory aza ho an’ny Fitondrana. Olom-pirenena tia fihavanana sy tsy manao tsirambina ary manaja ny fahefana izy ireo.” Feno fahendrena tokoa ny tenin’ny apostoly Petera manao hoe: “Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.” — 1 Petera 2:12.
Niavaka ny fankalazana Fahatsiarovana
14. Inona avy ireo tatitra mampientanentana sasany momba ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1997?
14 Mety raha mihevitra ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ho fotoan-dehibe eo amin’ny taona, ireo izay manao fanambarana an’i Jesosy. Tamin’ny 1997, dia olona 14 322 226 no nanatrika mba hankalaza an’io fisehoan-javatra tamin’ny 23 Martsa io. Izany dia manan-tombo 1 400 000 mahery raha oharina amin’ny tamin’ny 1996. (Lioka 22:14-20). Tany amin’ny tany maro, ny mpanatrika ny Fahatsiarovana dia nihoatra lavitra ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana, ka mampiseho izany fa ampoizina tokoa ny hisian’ny fitomboana amin’ny hoavy. Ohatra, tamin’ny taona 1997 dia nahitana tampon’isan’ny mpitory 10 621 tany Haiti, kanefa 67 259 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Azonao zahana ilay tatitra isan-taona ao amin’ny pejy faha-18 hatramin’ny faha-21 mba hahitana fa tany maro hafa no nanana isan’ny mpanatrika ambony be toy izany raha ampitahaina amin’ny isan’ny mpitory.
15. Tany amin’ny tany sasany, ahoana no nandresen’ireo rahalahintsika zava-nanahirana lehibe mba hankalazana ny Fahatsiarovana?
15 Tsy mora ho an’ny sasany ny fanatrehana ny Fahatsiarovana. Tany Albania, dia nampiharina ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, nanomboka tamin’ny fito ora hariva, noho ny hotakotaka. Tany amin’ireo antokon’olom-bitsy 115, nanerana ilay tany, dia natomboka tamin’ny enina latsaka fahefany ny Fahatsiarovana. Nilentika ny masoandro tamin’ny enina ora sy valo minitra, ka izany dia nanamarika ny fiandohan’ny 14 Nisana. Nampandalovina ireo marika, sahabo ho tamin’ny enina ora sy fahefany. Tamin’ny ankamaroany, dia natao tamin’ny enina ora sy sasany ny vavaka famaranana, ary niolomay nody ireo mpanatrika, talohan’ilay ora tsy azo nivezivezena tamin’ny alina. Na dia izany aza, dia 3 154 ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, raha ampitahaina amin’ny tampon’isan’ny mpitory 1 090. Tany amin’ny tany afrikana iray, ny hotakotaka dia nahatonga ny Efitrano Fanjakana ho tsy azo naleha. Noho izany, dia nanapa-kevitra ny loholona roa lahy fa hivory tany an-tranon’ny loholona iray fahatelo, mba handamina ny hanaovana ilay fankalazana eo amin’ny antokon’olom-bitsy kokoa. Tsy maintsy niampita tatatra iray ireo loholona roa lahy mba hahatongavana tany amin’ilay trano. Nisy ady anefa teo amin’ilay faritra, ary nitifitra an’izay rehetra nanandrana niampita ilay tatatra ireo mpitifitra niafina. Nihazakazaka niampita ilay loholona iray, ary tsy naninon-tsy naninona. Teo am-piampitana ilay faharoa no nandre tifitra iray. Niantoraka tamin’ny tany izy ary nandady nitady fialofana raha mbola nisiotsioka teo ambonin’ny lohany ny fisidin’ireo bala. Vita soa aman-tsara ilay fivorian’ny loholona, ary voakarakara ny zavatra nilain’ilay kongregasiona.
‘Avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena ary ny samy hafa fiteny’
16. Ahoana no nataon’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina mba hielezan’ny vaovao tsara eo amin’ireo antokom-piteny madinika?
16 Nilaza ny apostoly Jaona fa ny olona betsaka dia ho “avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 7:9). Noho izany, dia ataon’ny Fitambara-mpitantana izay hisian’ny zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny maro kokoa hatrany — voafaoka amin’izany ireo fiteny ampiasain’ny foko sy antokon’olom-bitsy any an-kodahoda be any. Any Mozambika, ohatra, dia navoaka tamin’ny fiteny dimy fanampiny ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao. Tany Nikaragoà, dia natao tamin’ny fiteny miskito ilay bokikely hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! — zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower voalohany amin’io fiteny io. Indiana miskito maro no nandray ilay bokikely tamin-kafaliana teo am-pahitana zavatra tamin’ny fiteniny manokana. Nanaiky ny famoahana zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny 25 fanampiny ny Fikambanana, tamin’ny 1997, ary nanao pirinty gazety maherin’ny arivo tapitrisa.
17. Antokom-piteny inona no nomena fanampiana tany Korea, ary tamin’ny ahoana ny vidéocassette no nanampy be dia be an’io ampahany amin’ny mponina io?
17 Nisy antokom-piteny hafa iray nomena fanampiana tany Korea. Tamin’ny taona 1997 no nahitana fivoriambe voalohany tamin’ny baiko moana koreana. Any Korea, dia misy kongregasiona 15 manao baikon’ny moana, izay manana mpitory 543, kanefa dia 1 174 no nanatrika ilay fivoriambe ary 21 no natao batisa. Mba hanampiana ny marenina izay tsy afaka mahazo mora foana ny teny aloaky ny vava na ny teny soratana, dia misy zavatra vita an-tsoratra avoaka ao amina vidéocassette amin’ny fiteny baikon’ny moana 13 samy hafa. Araka izany, dia ampiana ny marenina mba “hamaky” sy hianatra mihitsy ny vaovao tsara aza, ka tsara dia tsara ny vokatra. Any Etazonia, dia nety ho nila hatramin’ny dimy taona taloha, ny marenina iray mba handrosoana hatramin’ny batisa. Ankehitriny, noho ireo vidéos maromaro amin’ny Baiko Moana amerikana, dia nihena ho herintaona eo ho eo izany ho an’ny marenina sasany.
‘Fijanonana ao anatin’ny kalesy’
18. Nanomboka nanao inona i Jeho rehefa avy nihaona tamin’i Jonadaba?
18 Tamin’ny 905 al.f.i., rehefa tafaraka taminy i Jonadaba, dia nanomboka nandrava ny fanompoam-pivavahana diso, i Jeho. Nandefa fanasana ho an’ireo mpivavaka tamin’i Bala rehetra izy, nanao hoe: “Manendre fivoriana masina ho an’i Bala.” Avy eo izy dia naniraka olona nanerana ilay tany manontolo mba hahazoana antoka fa tsy hisy mpivavaka amin’i Bala tavela. Raha nirohotra tao amin’ny tempoly lehiben’ilay andriamani-diso ny vahoaka, dia natao ny fitandremana mba ho azo antoka fa tsy nisy mpivavaka tamin’i Jehovah tao. Farany, dia naripak’i Jeho sy ny tafiny ireo mpivavaka tamin’i Bala. “Toy izany no nandravan’i Jeho an’i Bala tsy ho amin’ny Isiraely.” — 2 Mpanjaka 10:20-28.
19. Rehefa heverina izay hitranga amin’ny taranak’olombelona, dia toe-tsaina manao ahoana no tokony hasehontsika, ary ny asa inona no tokony haharevo antsika?
19 Antomotra ny fitsarana farany an’ireo fivavahan-diso rehetra, amin’izao andro izao. Eo ambany fitarihan’ny anjely no anambaran’ny Kristiana ny vaovao tsara amin’ny taranak’olombelona manontolo, ka ampirisihany azy ireo mba hatahotra an’Andriamanitra ka hisaraka amin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 14:6-8; 18:2, 4). Ampirisihina ireo olona malemy fanahy mba hanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka nomen’i Jehovah seza fiandrianana. (Apokalypsy 12:10). Amin’izao fotoana mampientanentana izao, dia tsy tokony hamela ny zotom-pontsika hihena isika, eo am-piandaniana mafy amin’ny fanompoam-pivavahana marina.
20. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao mandritra ny taom-panompoana 1998?
20 Indray mandeha, fony i Davida Mpanjaka niharan’ny fanerena mafy, dia nivavaka toy izao izy: “Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho. Hidera Anao eny amin’ny vahoaka aho, Tompo ô”. (Salamo 57:7, 9). Enga anie ka ho tafatoetra koa isika. Nandritra ny taom-panompoana 1997, na dia teo aza ny zava-tsarotra maro, dia nisy antsoantsom-piderana mafy nasandratra ho voninahitr’i Jehovah Andriamanitra. Enga anie ka hisy antsoantso toy izany, eny, lehibe noho izany aza, ho re mandritra itỳ taom-panompoana diavintsika itỳ. Ary enga anie ka ho izany no izy, na inona na inona mety handraman’i Satana hatao mba hanakiviana antsika na hanoherana antsika. Hasehontsika, araka izany, fa ny fontsika dia mitoetra ho marina amin’ny fon’i Jesosy Kristy, ilay Jeho Lehibe, ary hekentsika amin’ny fanahintsika rehetra ilay fampirisihana ara-tsindrimandry hoe: “Mifalia amin’i Jehovah, ary ravoravoa, hianareo olo-marina; ary mihobia, hianareo mahitsy fo rehetra.” — Salamo 32:11.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Fiovana inona avy no nitranga teo amin’ny Isiraely, tamin’ny 905 al.f.i.?
◻ Iza no Jeho amin’ny andro maoderina, ary ahoana no nanehoan’ny “olona betsaka” fa ‘marina’ amin’ny fony ny ‘fon’izy ireo’?
◻ Tarehimarika inona avy ao amin’ny tatitra isan-taona no mampiseho mazava ny zotom-po nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taom-panompoana 1997?
◻ Toe-tsaina manao ahoana no hasehontsika mandritra ny taom-panompoana 1998, na inona na inona mety hataon’i Satana hamelezana antsika?
[Tabilao, pejy 18-21]
TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 1997
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 15]
Ny isa miavaka teo amin’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana dia mampiseho fa ampoizina tokoa ny hisian’ny fitomboana amin’ny hoavy
[Sary, pejy 16]
Toy ny nanohanan’i Jonadaba an’i Jeho, no anohanan’ny “olona betsaka” amin’izao andro izao an’i Jesosy Kristy, ilay Jeho Lehibe, sy ireo rahalahiny voahosotra