-
JotamaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nitondra 16 taona monja i Jotama. Ny taona faha-20 taorian’ny nanaovana azy ho mpanjaka na ny taona fahefatra nitondran’i Ahaza àry, ilay ‘taona faharoapolo nanjakany’ resahin’ny 2 Mpanjaka 15:30. Mety ho nifidy ny tsy hiresaka an’i Ahaza mpandimby an’i Jotama aloha ilay mpanoratra teo, satria mbola hiresaka an’i Jotama Mpanjaka izy.
-
-
PekaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nanome toky an’i Ahaza i Isaia mpaminany hoe tsy ho vitan’ny Syrianina sy ny Israelita ny hanesotra azy eo amin’ny fitondrana. (Is 7:6, 7) Tsy nanam-pinoana anefa i Ahaza, ka nanome tsolotra an’i Tiglato-pilesera III, mpanjaka asyrianina, mba hanampy azy. Nalain’ny Asyrianina àry i Damaskosy ary novonoiny i Rezina. (2Mp 16:7-9) Toa tamin’izay fotoana izay i Tiglato-pilesera no naka ny faritr’i Gileada, Galilia, Naftaly, ary tanàna maro hafa tany Israely, tany avaratra. (2Mp 15:29) Taorian’izay, dia novonoin’i Hosea zanak’i Elaha i Peka, ary izy no lasa mpanjakan’ny Israely.—2Mp 15:30.
Toy izao no nolazain’i Tiglato-pilesera III momba ny fanafihana nataony tany Israely: “Nentiko tatỳ Asyria ny mponina rehetra tany (sy) ny fananan’izy ireo. Naongan’izy ireo i Peka (Pa-ka-ha) mpanjakany, ka i Hosea (A-o-si-ʼ) indray no nataoko mpanjakany.”—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 284.
-
-
Tiglato-pilesera (III)Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nanoratra toy izao i Tiglato-pilesera III momba ny fanjakan’ny Israely tany avaratra: “Naongan’izy ireo i Peka (Pa-ka-ha) mpanjakany, ka i Hosea (A-o-si-ʼ) indray no nataoko mpanjakany. Talenta volamena 10 [3 853 500 dolara] sy talenta volafotsy 1000 (?) [6 606 000 dolara] no hetra naloan’izy ireo tamiko, ka nentiko tatỳ Asyria.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 284) Te hilaza àry ilay mpanjaka asyrianina fa izy no nanendry an’i Hosea ho mpanjakan’ny Israely, rehefa avy novonoin’i Hosea i Peka, mpanjaka talohany (t. 758 T.K.).—2Mp 15:30.
-