-
AsyriaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Sankeriba. Notafihin’i Sankeriba, zanakalahin’i Sargona II, ny fanjakan’ny Joda tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia (732 T.K.). (2Mp 18:13; Is 36:1) Nikomy tamin’i Asyria mantsy i Hezekia (teo ambany fahefan’ny Asyrianina i Joda tamin’izay noho ny nataon’i Ahaza rainy). (2Mp 18:7) Namakivaky an’i Joda àry i Sankeriba, ka tanàna 46, hono, no resiny. (Ampit. Is 36:1, 2.) Rehefa tao an-tobiny tao Lakisy izy, dia nitaky ny hanomezan’i Hezekia azy talenta volamena 30 (11 560 000 dolara eo ho eo) sy talenta volafotsy 300 (1 982 000 dolara eo ho eo). (2Mp 18:14-16; 2Ta 32:1; ampit. Is 8:5-8.) Na dia efa naloa aza io vola io, dia mbola nirahiny ho any Jerosalema ihany ny mpitondra teniny mba handidy ny mponina rehetra tao hitolo-batana. (2Mp 18:17–19:34; 2Ta 32:2-20) Naripak’i Jehovah tao anatin’ny indray alina monja anefa ny miaramilany 185 000, ka voatery niverina tany Ninive ilay mpanjaka nieboebo. (2Mp 19:35, 36) Novonoin’ny zanany roa lahy izy tatỳ aoriana, ka i Esara-hadona, zanany hafa, no nandimby azy. (2Mp 19:37; 2Ta 32:21, 22; Is 37:36-38) Voatantara ao amin’ireo iraizotongotra nosoratan’i Sankeriba sy Esara-hadona koa izany rehetra izany, afa-tsy ny nandripahana an’ireo miaramila asyrianina.—SARY, Boky 1, p. 957.
-
-
FahababoanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mbola imbetsaka ny Asyrianina no nanao sesitany, nandritra ny taonjato iray teo ho eo taorian’ny naharavan’ilay fanjakana tany avaratra. Nanafika tanàna samihafa tany Joda, ohatra, i Sankeriba tamin’ny 732 T.K., taona nampietren’Andriamanitra azy sy nampilavo lefona azy. Naka babo 200 150 avy tao amin’ireo tanàna sy toerana voaro mafy tany Joda izy, araka ny tantara nosoratany. Hita amin’ny teniny anefa fa toa tafahoatra loatra io isa io. (2Mp 18:13) Samy nitondra babo nankany an-tany hafa na i Esara-hadona mpanjaka nandimby azy, na i Asnapara (Asorobanipala) mpanjaka nandimby an’i Esara-hadona.—Ezr 4:2, 10.
-